Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

“Mitoera ao Amin’ny Fitiavan’Andriamanitra”

 TOKO 10

Fanomezan’Andriamanitra ny Fanambadiana

Fanomezan’Andriamanitra ny Fanambadiana

“Ny tady randran-telo tsy mora tapahina.”​—MPITORITENY 4:12.

1, 2. a) Inona no mety hampanahy antsika rehefa misy manambady, ary nahoana? b) Inona no hodinihintsika ato amin’ity toko ity?

TIA mamonjy mariazy ve ianao? Maro no tia an’izany satria matetika no tena mahafinaritra ilay izy. Mihaingo tsara ireo mpanambady, ary hita amin’ny endriny ny hafaliany! Miramirana erỳ izy roa, ary toa tsy ho semban-drahona mihitsy ny hoaviny.

2 Ekentsika anefa fa tsy mandeha amin’ny laoniny mihitsy ny fanambadiana ankehitriny. Mirary soa ho an’ny mpanambady isika nefa mety hanahy ihany hoe: ‘Ho sambatra sy hateza ve ny tokantranon’izy roa?’ Hateza izy io raha matoky izy roa fa mahasoa ny torohevitr’Andriamanitra ka ampihariny. (Vakio ny Ohabolana 3:5, 6.) Ho tian’Andriamanitra foana izy ireo raha manao izany. Andao hodinihintsika ao amin’ny Baiboly ny hoe: Inona no antony hanambadiana? Raha hanambady ianao, olona manao ahoana no tokony hofidinao? Ahoana no hiomanana ho amin’ny fanambadiana? Ary inona no hanampy ny olona ho sambatra am-panambadiana foana?

INONA NO ANTONY HANAMBADIANA?

3. Nahoana no tsy hendry izay manambady noho ny antony tsy dia manao ahoana?

3 Misy fitenenana hoe: “Ny hanambadian-kiadanana.” Misy àry mihevitra fa tsy ho afa-po na ho faly ianao, raha tsy manambady. Tena tsy marina anefa izany! Mpitovo i Jesosy,  ary nilaza izy fa fanomezana avy amin’Andriamanitra ny fijanonana ho mpitovo. Nampirisihiny hijanona ho mpitovo aza izay afaka manao izany. (Matio 19:11, 12) Nilaza koa ny apostoly Paoly fa manana tombony ny mpitovo. (1 Korintianina 7:32-38) Tsy nilaza anefa na i Jesosy na i Paoly hoe tsy azo atao ny manambady. Anisan’ny “fampianaran’ny demonia” aza ny fandrarana tsy hanambady. (1 Timoty 4:1-3) Ny mijanona ho mpitovo anefa no tena ahafahana manompo an’i Jehovah, ka tsy ho variana amin’ny zavatra hafa. Tsy hendry àry izay manambady noho ny antony tsy dia manao ahoana, toy ny hoe ampirisihin’ny hafa hanambady.

4. Fototra tsara ho an’ny inona ny fanambadiana vanona, ary nahoana?

4 Misy ve anefa antony tsara tokony hanambadiana? Misy tokoa. Fanomezan’ilay Andriamanitra be fitiavana ny fanambadiana. (Vakio ny Genesisy 2:18.) Mitondra soa àry izy io sady mety hahasambatra. Ny fanambadiana vanona, ohatra, no fototra tsara indrindra ho an’ny fianakaviana. Ny ankizy mantsy mila ray aman-dreny hitaiza, ho tia, hananatra, ary hanoro hevitra azy. (Salamo 127:3; Efesianina 6:1-4) Tsy ny hananan-janaka ihany anefa no antony hanambadiana.

5, 6. a) Inona avy no soa azon’izay mana-namana akaiky, araka ny Mpitoriteny 4:9-12? b) Ahoana no hahatonga ny fanambadiana ho toy ny tady randran-telo?

5 Diniho ny andinin-teny fototra ho an’ity toko ity sy ny teny manodidina azy: “Tsara ny roa noho ny iray, satria ahazoan’izy ireo valisoa lehibe ny asa mafy ataony. Fa raha lavo ny iray, dia afaka manarina azy ilay namany. Fa hanao ahoana kosa ilay lavo, raha tsy misy olon-kafa hanarina azy? Raha miara-matory ny roa dia hafana, fa ahoana kosa no hampahafana ny olona iray monja? Ny olon-tokana mety ho resin’ny olona iray, fa raha olon-droa kosa hahatohitra azy. Ary ny tady randran-telo tsy mora tapahina.”—Mpitoriteny 4:9-12.

 6 Marina fa ny hasarobidin’ny namana no tena resahina eo. Ny vady anefa no namana akaiky indrindra. Asehon’ilay andininy fa afaka mifanampy sy mifampahery ary mifampiaro ny mpivady. Resahin’izy io koa hoe ho mora tapahina ny tady raha randran-droa, fa tena sarotra tapahina kosa raha randran-telo. Tena mafy koa ny fatoram-panambadiana raha misy fahatelo, fa tsy roa fotsiny. Raha ny hampifaly an’i Jehovah àry no tena zava-dehibe indrindra amin’izy roa, dia ho toy ilay tady randran-telo ny tokantranony. Ho mafy be ny fatoram-panambadiany raha samy mifikitra amin’i Jehovah izy mivady.

7, 8. a) Inona no torohevitr’i Paoly ho an’ny mpitovo miady mafy amin’ny faniriany hanao firaisana? b) Inona no lazain’ny Baiboly fa tsy maintsy mitranga ao anatin’ny fanambadiana?

7 Ao anatin’ny fanambadiana ihany koa vao azo atao ny manome fahafaham-po ny faniriana hanao firaisana. Ho loharanom-pahafinaretana ara-dalàna izy io, amin’izay. (Ohabolana 5:18) Mety mbola hiady mafy amin’ny faniriany hanao firaisana ny mpitovo, na dia efa dila aza “ny fotoana fivelaran’ny fahatanorana”, izany hoe ilay fotoana mampirongatra voalohany ny faniriany. Mety hahatonga azy tsy hitondra tena tsara na ho ratsy fitondran-tena mihitsy izany faniriany izany, raha tsy voafehy. Nanoro hevitra àry i Paoly hoe: ‘Raha tsy mahafehy tena izy, dia aoka izy hanambady, fa aleo manambady toy izay harehitry ny filan’ny nofo.’—1 Korintianina 7:9, 36; Jakoba 1:15.

8 Ilaina anefa ny mijery ny zava-misy, na inona na inona antony hanambadiana. Hoy mantsy i Paoly: “Hanam-pahoriana amin’ny nofony” ireo manambady. (1 Korintianina 7:28) Miatrika zava-tsarotra tsy hatrehin’ny mpitovo mihitsy ny manambady. Raha manapa-kevitra ny hanambady anefa ianao, inona no azonao atao mba tsy hisy olana firy ao an-tokantranonareo fa ny soa no tena ho betsaka? Fidio tsara aloha izay ho vadinao.

 NY ATAO HOE VADY TSARA

9, 10. a) Inona no ohatra nampiasain’i Paoly hilazana fa mampidi-doza ny manambady tsy mpino? b) Inona matetika no vokany rehefa tsy miraharaha ny torohevitr’Andriamanitra ny sasany ka manambady tsy Vavolombelona?

9 Nanome toro lalana tena lehibe tokony harahin’ny olona mifidy vady i Paoly. Hoy izy: “Aza manaiky hiray zioga amin’ny tsy mpino.” (2 Korintianina 6:14) Nampiasa ohatra avy amin’ny fiainan’ny tantsaha izy eo. Raha biby roa tena tsy mitovy habe sy tanjaka no ampiraisina zioga, dia samy hijaly izy roa. Azo inoana koa fa hisy disadisa sy sorisory ao an-tokantrano, raha olona mpino sy tsy mpino no miray zioga ao amin’ny fanambadiana. Ny iray mantsy maniry ny ho tian’i Jehovah foana, fa ny iray tsy miraharaha an’izany. Tsy hitovy àry izay heverin’izy ireo ho zava-dehibe, ka hiteraka fahoriana be izany. Izany no nahatonga an’i Paoly hampirisika ny Kristianina hanambady “ao amin’ny Tompo ihany.”—1 Korintianina 7:39.

10 Mahatsiaro ho manirery ny Kristianina mpitovo sasany, ka lasa mieritreritra hoe aleo manambady tsy Vavolombelona. Tsy nankatò izay lazain’ny Baiboly àry ny sasany, ka nanambady olona tsy mpanompon’i Jehovah. Matetika no mampalahelo ny vokany. Hitany atỳ aoriana fa tsy afaka miresaka amin’ny vadiny momba izay zava-dehibe indrindra izy. Vao mainka aza angamba izy mahatsiaro ho irery noho ny tamin’izy mbola tsy nanambady. Soa ihany fa betsaka ny Kristianina mpitovo matoky fa mahasoa ny torohevitr’Andriamanitra ary mankatò an’izany ka tsy mivadika. (Vakio ny Salamo 32:8.) Manantena ny hanambady izy indray andro any, nefa mijanona ho mpitovo aloha mandra-pahitany vady manompo an’i Jehovah Andriamanitra.

11. Inona no hanampy anao hahay hifidy vady? (Jereo koa ilay efajoro hoe “ Inona no Toetra Tiako Hananan’izay ho Vadiko?”)

11 Tsy rehefa mpanompon’i Jehovah anefa dia ho vady  sahaza daholo! Raha mikasa hanambady àry ianao, dia mitadiava olona manana toetra mifanaraka amin’ny anao, mitovy tanjona aminao eo amin’ny fanompoana, ary tena tia an’i Jehovah hoatr’anao. Namoaka fanazavana betsaka momba izany ny mpanompo mendri-pitokisana sy malina. Diniho àry ireny torohevitra ara-baiboly ireny ary mivavaha momba izany. Araho izy ireny rehefa handray an’io fanapahan-kevitra lehibe io ianao. *Vakio ny Salamo 119:105.

12. Inona no fanao any amin’ny tany maro? Inona no tantara ao amin’ny Baiboly azo andraisana lesona?

12 Fanaon’ny ray aman-dreny any amin’ny tany maro ny mifidy vady ho an-janany. Eken’ny maro mantsy fa hendry sy efa nandia fiainana kokoa izy ireny, ka mahay mifidy amin’ny raharaha lehibe toy izany. Matetika no mandeha tsara ny fanambadiana amboarina, toy ny taloha ihany. Naniraka ny mpanompony hitady vady ho an’i Isaka zanany, ohatra, i Abrahama. Tsy vola na toerana ambony no zava-dehibe taminy. Nisahirana be kosa izy nampitady olona manompo an’i Jehovah ho vadin-janany. Afaka miana-javatra avy amin’izany ny ray aman-dreny manaraka an’io fanao io. *Genesisy 24:3, 67.

AHOANA NO HIOMANANA MBA HANANANA FANAMBADIANA VANONA?

13-15. a) Nahoana ny Ohabolana 24:27 no manampy ny tovolahy mikasa hanambady? b) Inona no azon’ny tovovavy atao mba hiomanana ho amin’ny fanambadiana?

13 Eritrereto tsara izao raha mikasa hanambady ianao:  ‘Tena vonona ve aho?’ Tsy hoe rehefa mila fitiavana ianao, na te hanao firaisana, na te hana-namana, na te hiteraka, dia midika izany hoe vonona ianao. Mila eritreretin’ny lehilahy na vehivavy miomana hanambady koa ny andraikitra miandry azy.

14 Tokony hieritreritra tsara an’ity toro lalana ity ny tovolahy mitady vady: “Karakarao ny asanao eny ivelany, ary ataovy vonona ny eny an-tsaha. Avy eo, dia karakarao koa izay ilain’ny ankohonanao.” (Ohabolana 24:27) Inona no dikan’izany? Nila nieritreritra toy izao ny lehilahy te hanorin-tokantrano tamin’izany: ‘Vonona hikarakara sy hamelom-bady aman-janaka ve aho?’ Nila niasa izy aloha ka nikarakara ny sahany. Mihatra ankehitriny koa io toro lalana io. Mila miomana hiantsoroka andraikitra ny lehilahy mikasa hanambady. Tsy maintsy miasa izy raha tsy manana aretina na kilema lehibe. Lazain’ny Baiboly fa ratsy noho ny tsy mino ny lehilahy tsy mikarakara izay ilain’ny ankohonany, eo amin’ny ara-batana sy ara-pihetseham-po ary ara-panahy.—Vakio ny 1 Timoty 5:8.

15 Manaiky hiantsoroka andraikitra mavesatra maromaro koa ny vehivavy tapa-kevitra ny hanambady. Lazain’ny Baiboly fa misy toetra sy fahaizana mety hilain’ny vehivavy mba hanampiana ny vadiny sy hikarakarana tokantrano. (Ohabolana 31:10-31) Tena tia tena àry ny lehilahy na vehivavy maimay hanambady, nefa tsy miomana hiantsoroka andraikitra. Tsy mieritreritra an’izay azony atao ho an’ilay ho vadiny mantsy izy. Ny tena zava-dehibe anefa dia hoe mila vonona hampihatra ny toro lalan’ny Baiboly ny olona mikasa hanambady.

16, 17. Inona avy no toro lalan’ny Baiboly tokony hoeritreretin’izay miomana hanambady?

16 Mila mandinika tsara ny andraikitra ankinin’Andriamanitra amin’ny mpivady ny olona miomana hanambady.  Tokony ho fantatry ny lehilahy, ohatra, ny dikan’ny hoe loham-pianakaviana. Tsy midika izany hoe mahazo manjakazaka izy. Tsy maintsy manahaka ny fomba nampiharan’i Jesosy ny fahefany kosa izy. (Efesianina 5:23) Tokony ho fantatry ny vehivavy koa ny andraikitra sarobidy ananan’ny vehivavy manambady. Ho vonona hanaiky ny “lalàn’ny vadiny” ve izy? (Romanina 7:2) Efa fehezin’ny lalàn’i Jehovah sy Kristy izy. (Galatianina 6:2) Toy ny hoe lalàna hafa koa ny fahefan’ny vadiny. Ho vitany ve ny hanaiky ny fahefan’ny lehilahy tsy lavorary sy hanohana azy? Raha tsy azoazony izany, dia tsara kokoa raha tsy manambady izy.

17 Tokony ho vonona hanome izay tena ilain’ny andaniny koa ny ankilany. (Vakio ny Filipianina 2:4.) Hoy i Paoly: ‘Aoka ny lehilahy tsirairay avy ho tia ny vadiny tahaka ny tenany, ary aoka kosa ny vehivavy hanaja fatratra ny vadiny.’ Nampian’ny fanahy masina i Paoly, ka nahatakatra fa tena ilain’ny lehilahy ny mahatsapa hoe manaja fatratra azy ny vadiny. Tena ilain’ny vehivavy koa ny mahatsapa hoe tia azy ny vadiny.—Efesianina 5:21-33.

Hendry ny olon-droa mikasa hivady raha asiany olon-kafa miaraka aminy

18. Nahoana ny olon-droa no mila mifehy tena mandritra ny fiarahany alohan’ny fanambadiana?

18 Tsy natao hifalifaliana fotsiny àry ny fiarahana alohan’ny fanambadiana. Natao hamantarana izay fomba tokony hitondran’ny andaniny ny ankilany kosa izany, mba hahitany raha fahendrena ny mivady, na tsia. Tena ilaina koa ny mifehy tena amin’io fotoana io. Mety hahery be mantsy ny fakam-panahy, sady voajanahary ny fifanintonana. Tsy hanao fihetsika mety hanimba ny fifandraisan’ilay olon-tiany amin’i Jehovah anefa ny olona iray tena tia. (1 Tesalonianina 4:6) Mahaiza àry mifehy tena, raha mbola tsy vita ny raharahanareo. Hahasoa anao foana ny mifehy tena, na hanambady ianao na tsia.

 AHOANA NO HAMPAHATEZA NY FANAMBADIANAO?

19, 20. Inona no tsy itovizan’ny Kristianina sy ity tontolo ity, raha ny fanambadiana no resahina? Hazavao amin’ny ohatra.

19 Tokony ho zava-dehibe amin’ny mpivady ny voady nifanaovany, raha tiany hateza ny fanambadiany. Matetika no miafara amin’ny fanambadiana ny tantaram-pitiavana ao amin’ny boky sy ny filma. Izay rahateo no tian’ny olona. Tsy fiafarana anefa ny fanambadiana fa fiandohana, izany hoe fiandohan’ny zavatra iray nataon’i Jehovah hateza. (Genesisy 2:24) Mampalahelo fa tsy toy izany no fiheveran’ity tontolo ity azy io. “Ny fanambadiana”, hono, “tsy nafehy fa nahandrotra.” Goragora no atao hoe nahandrotra. Hita amin’izany fa eken’izy ireo ihany hoe fatorana ny fanambadiana, saingy mora vahana.

20 Maro no mihevitra hoe tsy natao haharitra ny fanambadiana. Malaky miditra amin’izany izy rehefa metimety aminy ilay izy, fa mieritreritra ny hiala kosa raha vao misy olana. Tadidio anefa fa oharin’ny Baiboly amin’ny tady ny fatoram-panambadiana. Natao hateza ny tady fampiasa amin’ny lain-tsambo, fa tsy natao hiboraka na dia misy tafio-drivotra faran’izay mafy aza. Natao haharitra koa ny fanambadiana. Tadidio ilay tenin’i Jesosy hoe: ‘Aoka izay nampiraisin’Andriamanitra zioga, tsy hosarahin’olona.’ (Matio 19:6) Tokony ho toy izany no fiheveranao ny fanambadiana, raha mieritreritra ny hanambady ianao. Maneritery àry ve ny fanambadiana satria misy voady tsy maintsy hajaina amin’ilay izy? Tsy izany mihitsy!

21. Inona no tokony hiezahan’ny mpivady hatao? Inona no hanampy azy ireo hanao izany?

21 Tokony hiezaka hifantoka amin’ny toetra tsara sy ny ezaka ataon’ny vadiny ny tsirairay. Ho faly sy ho sambatra foana izy roa amin’izay. Ho vitanao ve anefa ny hoe hifantoka amin’ny toetra tsaran’ny vadinao tsy lavorary?  Eny. I Jehovah aza mantsy mahita ny toetra ratsintsika, nefa tiantsika hifantoka amin’ny toetra tsarantsika. Hoy ny mpanao salamo: “Raha mitsingoloka ny fahadisoanay ianao, ry Jah ô, iza no hahajoro, Jehovah ô?” (Salamo 130:3) Tokony hanahaka azy ny mpivady ary ho vonona hifamela heloka.—Vakio ny Kolosianina 3:13.

22, 23. Inona no azon’ny mpivady ianarana avy amin’i Abrahama sy Saraha?

22 Mety ho vao mainka sambatra ny mpivady arakaraka  ny haharetan’ny tokantranony. Efa zokiolona, ohatra, i Abrahama sy Saraha tamin’ny fotoana niresahana momba azy mivady ao amin’ny Baiboly. Tsy hoe tsy niatrika olana mihitsy izy ireo. Eritrereto izay nety ho tsapan’i Saraha tamin’izy nandao an’i Ora, tanàna nandroso be. Mety ho efa 60 taona mahery izy tamin’izay, nefa niala tamin’ny trano tsara tarehy mba hipetraka amin’ny tranolay mandra-pahafatiny. Nanaiky ny fahefan’ny vadiny anefa izy. Tena mpanampy sy famenon’i Abrahama izy, ka nanaja azy sady nanohana ny fanapahan-keviny. Tsy hoe mody nanaiky azy anefa izy. Niteny “anakampo” mihitsy izy hoe tompony i Abrahama. (Genesisy 18:12; 1 Petera 3:6) Vokatry ny fo àry ny fanajany ny vadiny.

23 Tsy midika anefa izany hoe nitovy hevitra foana izy mivady. Nanome soso-kevitra “tena nahasosotra” an’i Abrahama i Saraha, indray andro. Niresaka tamin’i Abrahama anefa i Jehovah, ka nanetry tena izy ary nihaino ny tenin’ny vadiny. Nahasoa azy mianakavy izany! (Genesisy 21:9-13) Afaka miana-javatra betsaka avy amin’io mpivady natahotra an’Andriamanitra io, na dia ireo mpivady efa ela aza.

24. Tokantrano manao ahoana no manome voninahitra an’i Jehovah Andriamanitra, ary nahoana?

24 Maro no manana tokantrano sambatra eo anivon’ny fiangonana kristianina. Manaja fatratra ny vadiny ny vehivavy, ary ny lehilahy tia sy manome voninahitra ny vadiny. Miara-miezaka koa izy ireo mba hanao ny sitrapon’i Jehovah ho loha laharana. Raha tapa-kevitra ny hanambady àry ianao, dia enga anie ianao hifidy tsara izay ho vadinao, hiomana tsara ho amin’ny fanambadiana, ary hiezaka mba hisy firaisan-tsaina sy fitiavana foana ao an-tokantranonao! Hanome voninahitra an’i Jehovah Andriamanitra ny fanambadianao amin’izay, sady hanampy anao ho tian’Andriamanitra foana.

^ feh. 11 Jereo ny toko 2 amin’ny boky Ny Tsiambaratelon’ny Fahasambaram-pianakaviana, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

^ feh. 12 Nampirafy ny sasany tamin’ireo loham-pianakaviana tsy nivadika fahiny. Noleferin’i Jehovah izany tamin’ny andron’izy ireo sy tamin’ny andron’ny Israely. Tsy izy anefa no nampirisika azy ireo hanao izany. Nanao fitsipika momba izany kosa izy. Tokony hotadidin’ny Kristianina fa tsy mamela ny mpanompony hampirafy intsony i Jehovah.—Matio 19:9; 1 Timoty 3:2.