Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

“Mitoera ao Amin’ny Fitiavan’Andriamanitra”

 TOKO 9

“Andosiro ny Fijangajangana”

“Andosiro ny Fijangajangana”

“Koa vonoy ireo fironan-dratsy ao amin’ny rantsambatanareo, dia fijangajangana, fahalotoana, filan’ny nofo, fanirian-dratsy, ary ny fitsiriritana izay fanompoan-tsampy.”—KOLOSIANINA 3:5.

1, 2. Ahoana no nitaoman’i Balama ny vahoakan’i Jehovah hanota?

MANKENY amin’ny toerana tiany ny mpanjono iray. Misy trondro efa eritreretiny ho azo ka fidiny tsara izay hataony jono. Alefany ao anaty rano ny tadim-pintana. Iny fa mihetsika ny bosoa! Miforitra mihitsy aza ny haranjono. Sintoniny haingana ilay izy ka azony ilay trondro! Faly izy fa nahay nifidy jono.

2 Nandinika izay hataony jono koa ny lehilahy iray, tamin’ny taona 1473 Talohan’i Kristy. Balama no anarany ary ny vahoakan’Andriamanitra no tiany hojonoina. Nitoby teo amin’ny Lemak’i Moaba, teo akaikin’ny Tany Nampanantenaina, izy ireo tamin’izay. Nilaza ho mpaminanin’i Jehovah i Balama, nefa olona tia vola sady voakarama hanozona ny Israely. Nisalovana anefa i Jehovah, ka nanjary nitso-drano ny Israely i Balama. Mbola te hahazo an’ilay valisoa i Balama. Nieritreritra izy hoe hataony izay hahatonga ny Israely hanao fahotana lehibe, amin’izay Andriamanitra ihany no hanozona an’ireo vahoakany ireo. Ny tovovavy tsara tarehy tao Moaba àry no nataony jono.—Nomery 22:1-7; 31:15, 16; Apokalypsy 2:14.

3. Inona no porofo fa nahomby ilay tetik’i Balama?

3 Nahomby ve ilay tetika? Izany tokoa! Israelita an’aliny no voajono, ka “nanao firaisana tamin’ny zanakavavin’i Moaba.” Lasa nivavaka tamin’ny andriamanitry ny Moabita mihitsy aza izy ireo. Nivavahany, ohatra, ilay andriamanitra  maharikoriko atao hoe Balan’i Peora, izay andriamanitry ny fahavokarana na firaisana. Israelita 24 000 àry no ripaka, nefa efa teo akaikin’ny Tany Nampanantenaina. Loza izany!—Nomery 25:1-9.

4. Nahoana no Israelita an’aliny no voatarika haloto fitondran-tena?

4 Inona no nahatonga izany? Maro no lasa nanana fo ratsy ka niala tamin’i Jehovah. Izy anefa no Andriamanitra nanafaka azy ireo tany Ejipta, sy nanome sakafo azy tany an-tany efitra, ary nitarika azy hatreo akaikin’ny Tany Nampanantenaina. (Hebreo 3:12) Nisaintsaina an’izany ny apostoly Paoly ka niteny hoe: “Aoka isika tsy hijangajanga, toy ny nijangajangan’ny sasany tamin’ireny, ka telo arivo sy roa alina taminy no maty tao anatin’ny iray andro.” *1 Korintianina 10:8.

5, 6. Nahoana no mahasoa antsika ilay tantara momba ny fahotan’ny Israely teo amin’ny Lemak’i Moaba?

5 Misy lesona lehibe maro ho an’ny vahoakan’Andriamanitra ankehitriny ao amin’io tantara io. Efa tena akaiky koa mantsy ny tontolo vaovao, izay tsara lavitra noho ny Tany Nampanantenaina. (1 Korintianina 10:11) Mbola adalam-piraisana noho ireo Moabita ity tontolo ity. Kristianina an’aliny  koa isan-taona no lasa maloto fitondran-tena. Io ihany ilay jono nahavoa ny Israelita. (2 Korintianina 2:11) Sahy nitondra vehivavy midianita tao an-tobin’ny Israely i Zimry, mba hankao an-tranolainy. Misy olona toy izany koa eo anivon’ny fiangonana ankehitriny, ka mitaona ny hafa haloto fitondran-tena.—Nomery 25:6, 14; Joda 4.

6 Toy ny hoe efa eo amin’ny Lemak’i Moaba koa isika ankehitriny. Tazanao manangasanga ve ny lokanao, dia ilay tontolo vaovao nandrasanao hatry ny ela? Ataovy àry izay rehetra azonao atao mba ho tian’Andriamanitra foana ianao, ka “andosiro ny fijangajangana.”—1 Korintianina 6:18.

Ny Lemak’i Moaba raha tazanina avy lavitra

NY ATAO HOE FIJANGAJANGANA

7, 8. Inona no atao hoe “fijangajangana”, ary nahoana no azo lazaina fa mijinja izay nafafiny ny mpijangajanga?

7 Mety hahamenatra ny miresaka mivantana momba ny “fijangajangana.” Tsy maintsy hazavaina amin’ny an-tsipiriany anefa ilay izy, mba tsy hahatonga antsika hanao zavatra halan’Andriamanitra. Ilay teny ao amin’ny Baiboly hoe “fijangajangana” (grika: pôrneia), dia milaza ny karazana firaisana rehetra ataon’ny olona tsy mpivady araka ny Soratra Masina. Tafiditra amin’izany ireto: Manitsakitsa-bady, mivaro-tena, manao firaisana amin’ny olona tsy vadiny, manao firaisana amin’ny lava-pitombenana, mikitikitika ny filahiana na fivavian’olona amin’ny vava, ary mikasikasika ny filahiana na ny fivavian’ny olona tsy vadiny. Fijangajangana ireo na samy lehilahy na samy vehivavy no manao azy. Mijangajanga koa ny olona miray amin’ny biby na mikitikitika taovam-pananahan’ny biby mba hahazoana fahafinaretana. *

8 Mazava be ny voalazan’ny Baiboly hoe tsy ekena ho anisan’ny fiangonana intsony ny mpijangajanga, sady tsy  hiaina mandrakizay. (1 Korintianina 6:9; Apokalypsy 22:15) Mizaka ny vokany sahady izy ireo izao, satria lasa tsy atokisan’ny olona, mahatsiaro ho tsy misy vidiny, mahita olana ao an-tokantrano, enjehin’ny eritreriny, mitondra vohoka tsy nirina, mahazo aretina, ary mety ho faty mihitsy aza. (Vakio ny Galatianina 6:7, 8.) Zavatra efa fantatra fa tsy hitondra afa-tsy fahoriana àry ve dia mbola hidirana ihany? Mampalahelo fa maro no tsy mitsinjo lavitra. Matetika ilay izy no manomboka amin’ny fijerena sary vetaveta.

NY FIJERENA SARY VETAVETA NO FANOMBOHANY

9. Tsy mampaninona tokoa ve ny mijery sary vetaveta? Nahoana?

9 Ahitana sary vetaveta eny amin’ny fivarotam-boky sy amin’ny tele, ary feno azy ny Internet. * Misy tonony vetaveta koa ny hira sasany. Tsy mampaninona, araka ny lazain’ny olona sasany, ve izy io? Tsy izany mihitsy! Mety ho lasa zatra mikasikasika ny filahiany na ny fivaviany * ny olona mijery sary vetaveta, ka vao mainka tsy ho voafehiny ‘ny filan’ny nofony.’ Mety ho lasa adalam-piraisana àry izy, na hanana faniriana mamoafady, na hikorontana be ny tokantranony, na hisara-panambadiana mihitsy izy. (Romanina 1:24-27; Efesianina 4:19) Lazain’ny mpikaroka iray fa sahala amin’ny kansera ny fanirian’ny olona adalam-piraisana. Nilaza izy fa “mihamitombo sy miely izy io ary mahalana vao mihena sady tena sarotra sitranina.”

Hendry isika raha eo amin’ny toerana talaky maso no mampiasa Internet

10. Ahoana no azontsika ampiharana ny toro lalana ao amin’ny Jakoba 1:14, 15? (Jereo koa ilay efajoro hoe “ Nahazo Hery Aho mba Hadio Fitondran-tena.”

10 Eritrereto izao voalazan’ny Jakoba 1:14, 15 izao: ‘Tsapaina ny tsirairay rehefa voasariky ny fanirian’ny tenany ihany, ka voafandrik’izany. Ary ny faniriana rehefa kolokoloina, dia  miteraka fahotana, ary ny fahotana kosa rehefa tanterahina, dia miteraka fahafatesana.’ Esory avy hatrany àry izay eritreri-dratsy tonga ao an-tsainao! Raha sendra mahita sary vetaveta, ohatra, ianao, dia manaova zavatra haingana: Avilio ny maso, na piho ny ordinatera, na ovao ilay fandaharan’ny tele. Ataovy izay rehetra azonao atao mba tsy ho resin’ny faniriana maloto ianao. Aza miandry hoe efa tsy voafehinao intsony ilay izy ka handresy anao!—Vakio ny Matio 5:29, 30.

11. Ahoana no hampisehoantsika fa matoky an’i Jehovah isika, rehefa manohitra fanirian-dratsy?

11 Mahalala antsika mihoatra noho ny tenantsika i Jehovah, ary misy antony matoa izy mampirisika hoe: “Vonoy ireo fironan-dratsy ao amin’ny rantsambatanareo, dia  fijangajangana, fahalotoana, filan’ny nofo, fanirian-dratsy, ary ny fitsiriritana izay fanompoan-tsampy.” (Kolosianina 3:5) Mety ho sarotra ny manao an’izany, nefa tadidio fa azontsika antsoina foana ilay Raintsika be fitiavana sy manam-paharetana. (Salamo 68:19) Mangataha àry fanampiana aminy haingana, rehefa misy eritreri-dratsy miserana ao an-tsainao. Mivavaha mba hahazoanao “hery fanampiny”, ary tereo hifantoka amin-javatra hafa ny sainao.—2 Korintianina 4:7; 1 Korintianina 9:27; jereo ilay efajoro hoe “ Ahoana no Hialako Amin’ny Fahazaran-dratsy?

12. Inona ilay ‘fo’ resahin’ny Ohabolana, ary nahoana izy io no tsy maintsy arovana?

12 Hoy ilay lehilahy hendry atao hoe Solomona: “Arovy ny fonao, mihoatra noho izay rehetra tokony harovana, fa avy ao aminy ny loharanon’aina.” (Ohabolana 4:23) Ny fo an’ohatra no tiana horesahina eo, izany hoe ny maha izy antsika. Io no tena jeren’Andriamanitra sy zava-dehibe aminy. Miankina amin’izay no mety hahazoantsika fiainana mandrakizay, fa tsy miankina amin’ny fahitan’ny hafa antsika. Tsotra izany nefa tena zava-dehibe. Nanao fifanekena tamin’ny masony mihitsy i Joba, lehilahy tsy nivadika, mba tsy hijery vehivavy ka hanana eritreri-dratsy. (Joba 31:1) Tena modely ho antsika izy! Toy izany koa ny mpanao salamo. Nivavaka izy hoe: “Aza avela hifantoka amin-javatra tsy misy ilana azy ny masoko.”—Salamo 119:37.

TSY NAHAY NIFIDY NAMANA I DINA

13. Iza moa i Dina, ary nahoana no lazaina hoe tsy nahay nifidy namana izy?

13 Hitantsika tao amin’ny Toko faha-3 fa mampirisika antsika hanao ny tsara na hanao ny ratsy ny namantsika. (Ohabolana 13:20; vakio ny 1 Korintianina 15:33.) Diniho izay nanjo an’i Dina, zanakavavin’i Jakoba. Tsara taiza izy, nefa tsy nitandrina fa ninamana tamin’ny ankizivavy kananita. Nalaza ho ratsy fitondran-tena toy ny Moabita ny Kananita. (Levitikosy 18:6-25) Toa tovovavy mora azo no fahitan’ ny lehilahy kananita an’i Dina. Anisan’ireny lehilahy ireny i Sekema, zazalahy “mendri-kaja indrindra tao amin’ny ankohonan-drainy.”—Genesisy 34:18, 19.

14. Inona no loza nitranga noho i Dina tsy nahay nifidy namana?

14 Tsy nieritreritra ny hanao firaisana tamin’i Sekema angamba i Dina rehefa nahita azy. I Sekema indray anefa toy ny ankamaroan’ny lehilahy kananita rehetra ihany. Izay efa fanaon’izy ireo rehefa te hanao firaisana no nataony. Nety ho nisakana azy i Dina tamin’ny farany, nefa tsy nahavita nanohitra azy. Lazain’ny Baiboly mantsy hoe “naka azy” i Sekema, ary “nametaveta azy.” Toa “raiki-pitia” tamin’i Dina ihany izy taorian’izay, nefa tsy nanova ny zavatra efa vitany taminy izany. (Vakio ny Genesisy 34:1-4.) Nampalahelo fa tsy i Dina irery no nizaka ny vokany. Tsy nahay nifidy namana izy, ka niafara tamin’ny zavatra nahafa-baraka sy nahamenatra azy mianakavy izany.—Genesisy 34:7, 25-31; Galatianina 6:7, 8.

15, 16. Ahoana no hahazoantsika fahendrena? (Jereo koa ilay efajoro hoe “ Andinin-teny Tsara Hosaintsainina.”)

 15 Efa voa i Dina vao fay. Tsy voatery ho toy izany anefa ny olona tia sy mankatò an’i Jehovah. Mifidy ny ‘hiaraka amin’ny hendry’ izy ireo, satria mankatò an’Andriamanitra. (Ohabolana 13:20a) Lasa fantatr’izy ireo izay rehetra atao hoe “tsara”, ka misoroka  olana sy alahelo izy ireo.—Ohabolana 2:6-9; Salamo 1:1-3.

16 Omen’Andriamanitra fahendrena izay rehetra maniry an’izany, raha mivavaka foana mba hahazoana izany, ary mianatra tsy tapaka ny Baiboly sy ny boky aman-gazety omen’ny mpanompo mendri-pitokisana sy malina. (Matio 24:45; Jakoba 1:5) Tena ilaina koa ny manetry tena, ka ho vonona hanaraka torohevitra avy ao amin’ny Baiboly. (2 Mpanjaka 22:18, 19) Mety hanaiky, ohatra, ny Kristianina iray fa mety hamitaka sy ho sarotra fehezina tokoa ny fony. (Jeremia 17:9) Hanetry tena ve anefa izy ka hanaiky ny torohevitra sy ny fanampiana omena azy amim-pitiavana rehefa ilaina izany?

17. Inona no mety hitranga eo anivon’ny fianakaviana? Ahoana no mety hampisaintsainan’ny ray ny zanany vavy?

17 Eritrereto izao: Misy ankizivavy te handehandeha hiaraka amin’ny tovolahy kristianina iray. Tsy avelan’ny dadany anefa izy raha tsy misy olon-kafa miaraka amin’izy ireo. Hoy àry ilay ankizivavy: “Tsy matoky ahy ve i Dada e? Tsy hanao ratsy ange izahay e!” Angamba tia an’i Jehovah izy ary tena tapa-kevitra ny hitandrina. “Mandeha amim-pahendrena” ve anefa izy? ‘Mandositra ny fijangajangana’ ve izy, sa tsy misaina tsara fa “matoky ny fony”? (Ohabolana 28:26) Angamba misy toro lalana hafa koa hitanao hoe afaka manampy azy mianaka.—Jereo ny Ohabolana 22:3; Matio 6:13; 26:41.

NANDOSITRA NY FIJANGAJANGANA I JOSEFA

18, 19. Inona no fakam-panahy nanjo an’i Josefa, ary ahoana no nataony?

18 Tanora tia an’Andriamanitra i Josefa, anadahin’i Dina, hafa reny taminy. Nandositra ny fijangajangana izy. (Genesisy 30:20-24) Nahita ny vokatry ny hadalan’ny anabaviny i Josefa tamin’izy mbola kely. Tadidiny izany ka niaro azy tatỳ aoriana, tamin’izy tany Ejipta, rehefa nanandrana nanadala azy “isan’andro” ny vadin’ny tompony. Te ho tian’ Andriamanitra foana koa izy ary niaro azy izany. Andevo i Josefa ka tsy afaka nametra-pialana! Tsy maintsy nitandrina tsara sy nanana herim-po àry izy. Tsy nety niaraka tamin’ny vadin’i Potifara mihitsy izy, ary nandositra tamin’ny farany.—Vakio ny Genesisy 39:7-12.

19 Eritrereto ange e! Ho vitany ve ny tsy hivadika raha nieritreritra foana an’ilay vehivavy izy, na zatra nanonofinofy momba ny firaisana? Azo inoana fa tsia! Nesoriny tao an-tsainy ny eritreri-dratsy, satria sarobidy taminy ny fifandraisany tamin’i Jehovah. Manaporofo an’izany ny teniny tamin’ny vadin’i Potifara hoe: ‘Tsy nisy na inona na inona nandraran’ny tompoko ahy afa-tsy ianao, satria vadiny ianao. Koa hataoko ahoana ny hanao izany ratsy lehibe izany ka hanota amin’Andriamanitra?’—Genesisy 39:8, 9.

20. Inona no nataon’i Jehovah ho an’i Josefa?

20 Mbola tanora i Josefa tamin’izany sady lavitry ny havany. Tsy nivadika anefa izy, ary azo antoka fa faly be i Jehovah nahita an’izany. (Ohabolana 27:11) Nataon’i Jehovah, tatỳ aoriana, izay hanafahana azy tao am-ponja sy hahatonga azy ho praiminisitra sady mpiadidy ny sakafo tany Ejipta. (Genesisy 41:39-49) Marina tokoa ny voalazan’ny Salamo 97:10 hoe: “Ianareo izay tia an’i Jehovah, ankahalao ny ratsy. Miaro ny ain’izay tsy mivadika aminy izy, ary manafaka azy tsy ho azon’ny ratsy fanahy”!

21. Inona no nataon’ny rahalahy iray mba hadio fitondran-tena foana izy?

 21 Maro koa ankehitriny ny mpanompon’Andriamanitra mampiseho fa ‘halany ny ratsy ary tiany ny tsara.’ (Amosa 5:15) Tsaroan’ny rahalahy tanora iray atsy Afrika fa nisy ankizivavy tany am-pianarany sahy nilaza fa hanao firaisana aminy, raha atorony rehefa manao fanadinana matematika ry zareo. Hoy izy: “Tonga aho dia nanda. Tsy nivadika aho, ka afaka nampiseho fa olo-mendrika aho ary manaja tena. Sarobidy noho ny volamena na volafotsy mantsy izany.” Marina fa mety ‘hampifaly vetivety’ ny fahotana, nefa fahoriana be matetika no vokany. (Hebreo 11:25) Tsy misy dikany koa izany fahafinaretana izany, raha oharina amin’ny fahasambarana maharitra ho an’izay mankatò an’i Jehovah.—Ohabolana 10:22.

AVELAO HANAMPY ANAO ILAY ANDRIAMANITRA MAMINDRA FO

22, 23. a) Tsy avotra intsony ve ny Kristianina nanao fahotana lehibe? b) Iza no afaka manampy an’izay nanota?

22 Tsy lavorary isika, ka miady mafy vao mahavita manohitra ny fanirian’ny nofo sy manaraka ny fitsipik’Andriamanitra. (Romanina 7:21-25) Fantatr’i Jehovah izany satria “tsaroany fa vovoka ihany isika.” (Salamo 103:14) Mety hisy Kristianina hanao fahotana lehibe anefa. Tsy avotra intsony ve izy? Tsy izany mihitsy! Marina fa mety hizaka ny vokatry ny nataony toa an’i Davida Mpanjaka izy, ary mety hampahory izany. “Vonona hamela heloka” foana anefa Andriamanitra, raha manenina mafy izy ary tena ‘miaiky heloka.’—Salamo 86:5; Jakoba 5:16; vakio ny Ohabolana 28:13.

23 Tsara fanahy koa Andriamanitra ka nasiany mpiandry matotra eo anivon’ny fiangonana. “Lehilahy ho fanomezana” izy ireny, ary mahay sady vonon-kanampy. (Efesianina 4:8, 12; Jakoba 5:14, 15) Ny tanjon’izy ireny dia ny hanampy an’izay nanota hihavana indray amin’Andriamanitra, sy  hanana “fo hendry” ka tsy hamerina ny fahotany intsony.—Ohabolana 15:32.

‘MANÀNA FO HENDRY’

24, 25. a) Nahoana no lazaina hoe “tsy ampy saina” ilay tovolahy ao amin’ny Ohabolana 7:6-23? b) Ahoana no ‘hananantsika fo hendry’?

24 Miresaka momba ny olona “tsy ampy saina” sy ny olona “manana fo hendry” ny Baiboly. (Ohabolana 7:7) Mbola tsy matotra ny olona “tsy ampy saina” sady tsy mahalala tsara izay tokony hataon’ny mpanompon’i Jehovah. Mety tsy hahay hanavaka sy handanjalanja àry izy. Mety ho mora resin’ny fakam-panahy hanao fahotana lehibe izy, toa an’ilay tovolahy ao amin’ny Ohabolana 7:6-23. Ny olona “miezaka hanana fo hendry” kosa mandini-tena tsara, ka mianatra tsy tapaka ny Baiboly ary mivavaka rehefa manao izany. Miezaka araka izay vitan’ny olona tsy lavorary izy mba ho araka ny sitrapon’Andriamanitra ny eritreriny, ny faniriany, ny fihetseham-pony ary ny tanjony. “Tia ny tenany” na mitondra fitahiana ho an’ny tenany izy, raha manao izany, ary “hahita soa.”—Ohabolana 19:8.

25 Eritrereto àry izao: ‘Tena manaiky ve aho fa mahasoa ny fitsipik’Andriamanitra? Mino tanteraka ve aho fa ny mankatò ny fitsipiny no tena mahasambatra?’ (Salamo 19:7-10; Isaia 48:17, 18) Raha misalasala ianao, na dia kely aza, dia manaova zavatra: Saintsaino hoe inona no vokany rehefa tsy arahina ny lalàn’Andriamanitra. “Andramo ka jereo fa tsara i Jehovah”, izany hoe araho ny fahamarinana ary aza mieritreritra afa-tsy zavatra marina, mahitsy, madio, mahatehotia, ary misy hatsarana. (Salamo 34:8; Filipianina 4:8, 9) Ho tia kokoa an’Andriamanitra ianao raha manao izany, sady vao mainka ho tia an’izay tiany sy hankahala an’izay halany. Olona hoatr’antsika ihany i Josefa. Afaka ‘nandositra ny fijangajangana’ anefa izy, satria navelany hamolavola azy nandritra ny taona maro i Jehovah, ka nanampy azy hanana  fo hendry. Enga anie ianao ka hanao toy izany koa!—Isaia 64:8.

26. Zava-dehibe inona no hodinihina ao amin’ireo toko manaraka?

26 Tsy hoe nataon’ny Mpamorona ho kilalao hampifalifaly ny olona ny filahiana sy ny fivaviana. Nataony kosa izany mba hahafahan’ny mpivady hiteraka sy hankafy ny firaisana. (Ohabolana 5:18) Hodinihina ao amin’ny toko roa manaraka ny fiheveran’Andriamanitra ny fanambadiana.

^ feh. 4 Milaza kosa ny Nomery fa 24 000 no maty, izany hoe ireo naripak’i Jehovah miampy an’ireo 1 000 lahy teo ho eo, “lohandohany” teo amin’ny vahoaka izay naripaky ny mpitsara.—Nomery 25:4, 5.

^ feh. 7 Manazava ny hoe fahalotoana sy fitondran-tena mahamenatra na baranahiny, ny “Fanontanian’ny Mpamaky” ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 15 Jolay 2006, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

^ feh. 9 Ankoatra ny sary vetaveta, dia misy koa ny lahatsoratra vetaveta na resaka vetaveta an-telefaonina, natao hanairana ny faniriana hanao firaisana. Mety ho sarin’olona iray manao fihetsika vetaveta koa ilay izy, na sarin’olona roa na maromaro manao firaisana amin’ny fomba faran’izay maharikoriko.

^ feh. 9 Jereo ny Fanazavana Fanampiny hoe “Ialao Ilay Fahazaran-dratsy”.

Fanampim-panazavana

Azo Atao ve ny Hadio Fitondran-tena Foana?

Miresaka zavatra 3 hanampy antsika tsy hieritreri-dratsy ny Baiboly.