Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

Fanontaniana 10 Mahaliana ny Tanora

 FANONTANIANA 1

Mba Hoatran’ny Ahoana àry Aho?

Mba Hoatran’ny Ahoana àry Aho?

FA MANINONA IZANY NO MILA FANTARINA?

Mila hainao tsara hoe olona hoatran’ny ahoana ianao ary inona no tena hevitrao, amin’izay ianao mahay manapa-kevitra rehefa misy manery anao haditra.

AHOANA NO HATAONAO?

Diniho ange ity ohatra ity e: Namonjy fety i Karen. Vao tonga kelikely tao izy dia nisy niteny taminy hoe:

“Inona koa àry ity mihanahana fotsiny ity?”

Hay i Jessica namany no niteny an’ilay izy sady nitondra labiera roa vao nosokafana. Nomeny an’i Karen ny iray sady hoy izy: “Dia lazao indray hoe mbola tsy mahazo misotro an’itony indrỳ! Eo akia mba manala azy kely a!”

Tsy te handray i Karen, nefa tsy sahy mandà. Mpinamana mantsy ry zareo, sady sao dia lazain’i Jessica hoe mahakamo be ny miaraka aminy. Nieritreritra koa izy hoe: ‘I Jessica aza misotro, nefa izy mba hendry ihany. Sady labiera koa ve dia maninona? Hafa indray raha hoe rongony!’

Inona no ho nataonao raha ianao no Karen?

MIERITRERETA TSARA ALOHA!

Tsy hanaonao foana ianao, raha manana ny maha izy anao. Fantaro hoe olona hoatran’ny ahoana ianao ary inona no tena hevitrao. Ianao ihany amin’izay no hanapa-kevitra hoe inona no hataonao, fa tsy manaikinaiky fotsiny an’izay asain’ny olona atao.—1 Korintianina 9:26, 27.

Ahoana no hahavitanao an’izany? Valio aloha ireto fanontaniana ireto.

 1 INONA NY TOETRA TSARAKO SY NY ZAVATRA HAIKO?

Raha mahafantatra an’ireo ianao, dia hatoky tena kokoa ka tsy ho mora miovaova hevitra.

OHATRA AO AMIN’NY BAIBOLY: Hoy ny apostoly Paoly: “Na tsy mahay aza aho eo amin’ny fitenenana, dia tsy mba toy izany eo amin’ny fahalalana.” (2 Korintianina 11:6) Nahalala tsara ny Soratra Masina i Paoly ka tsy niovaova hevitra mihitsy, na dia nisy nanakiana sy nanakivy aza. Natoky tena foana izy.—2 Korintianina 10:10; 11:5.

DINIHO HOE HOATRAN’NY AHOANA IANAO: Soraty eto izay zavatra hainao na talenta anananao

Soraty eto koa ny toetra tsaranao: (Ohatra hoe tsara fanahy, tia manome, azo atokisana, na manaja fotoana)

2 INONA NY TOETRA RATSIKO?

Vao mainka ho harafesina ny vy raha tsy lokoana, fa avela amin’izao. Vao mainka hiharatsy toetra koa ianao raha tsy ovanao ny toetra ratsinao, fa avelanao amin’izao.

OHATRA AO AMIN’NY BAIBOLY: Fantatr’i Paoly tsara ny toetra ratsiny. Hoy izy: “Tena mahafinaritra ahy ny lalàn’Andriamanitra, araka ny toetra maha izy ahy, nefa ao amin’ny vatako dia ahitako lalàna hafa miady amin’ny lalàn’ny saiko sady mitondra ahy ho babon’ny lalàn’ny ota.”—Romanina 7:22, 23.

DINIHO HOE HOATRAN’NY AHOANA IANAO: Inona ny toetra ratsy tokony horesenao?

 3 INONA AVY NY TANJOKO?

Ahoana raha misy olona mandeha bisy, nefa tsy hainy hoe ho aiza izy, fa dia mandeha fotsiny? Hadalana izany sady mandany vola!

Mitovy amin’izany ianao rehefa tsy misy tanjona. Mandeha ho azy fotsiny ny fiainanao fa tsy misy dikany. Mila hainao àry hoe inona no tianao hatao, ary ahoana no hanaovanao azy.

OHATRA AO AMIN’NY BAIBOLY: Hoy i Paoly: “Rehefa mihazakazaka aho, dia tsy mihazakazaka befahatany fotsiny.” (1 Korintianina 9:26) Tsy navelany handeha ho azy fotsiny ny fiainany, fa niezaka nanatratra tanjona izy.—Filipianina 3:12-14.

DINIHO HOE HOATRAN’NY AHOANA IANAO: Manorata tanjona telo tianao hotratrarina amin’ny herintaona.

4 INONA NY ZAVATRA INOAKO?

Tsy mora mianjera ny hazo na dia misy rivo-doza aza, rehefa mafy tsara ny fakany. Tsy hanaikinaiky fotsiny an’izay asaina ataonao koa ianao raha manana ny maha izy anao

Tsy hahay hanapa-kevitra ianao, raha tsy mahafantatra ny zavatra inoanao. Lasa miovaova loko hoatran’ny tanalahy ianao, izany hoe manaraka efa fotsiny. Tsy manana ny maha izy azy ny olona hoatr’izany.

Raha fantatrao kosa ny zavatra inoanao ary izay no arahinao, dia tsy hiovaova hevitra mihitsy ianao na inona na inona ataon’ny olona.

OHATRA AO AMIN’NY BAIBOLY: “Tapa-kevitra tao am-pony” i Daniela mpaminany fa hankatò ny lalàn’Andriamanitra. (Daniela 1:8) Azo antoka fa mbola tanora izy tamin’izay sady lavitry ny fianakaviany. Tsy niovaova hevitra mihitsy anefa izy, fa nanaraka foana ny zavatra ninoany.

DINIHO HOE HOATRAN’NY AHOANA IANAO: Inona avy ny zavatra inoanao? Mino an’Andriamanitra ve, ohatra, ianao? Nahoana ianao no miaiky hoe tena misy izy?

Mino ve ianao fa mahasoa anao ny mankatò an’izay asain’Andriamanitra atao? Nahoana?

Tianao ve ianao raha hoatran’ny ravinkazo mora tsofin’ny rivotra, sa hazo mahatanty rivo-doza? Miezaha àry hanana ny maha izy anao, dia ho lasa hoatran’ilay hazo ianao. Ho fantatrao tsara koa amin’izay hoe olona hoatran’ny ahoana ianao.