Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

Fanontaniana 10 Mahaliana ny Tanora

 FANONTANIANA 3

Maninona àry Aho no Tsy Mahay Miresaka Amin-dry Zareo?

Maninona àry Aho no Tsy Mahay Miresaka Amin-dry Zareo?

FA MANINONA IZANY NO MILA FANTARINA?

Hahafinaritra kokoa ny fiainanao raha miezaka tsy miady amin’ny ray aman-dreninao ianao.

AHOANA NO HATAONAO?

Eritrereto ange ity tantaran’i Hery, 17 taona, ity e! Alarobia hariva tamin’izay. Efa vitany daholo ny raharahany, dia mba haka aina amin’izay izy. Nalefany ny tele, ary nitsotsotra teo amin’ilay seza tena tiany izy.

Tamin’izay indrindra no niditra avy any ny dadany, sady tezitezitra.

Hoy izy tamin’i Hery: “Toa ilaozan’ialahy mijery tele fotsiny, nefa ialahy tokony hanampy ny zandrin’ialahy amin’ny devoarany? Sarotra irahina mihitsy ialahy ity!”

Ningonongonona i Hery hoe: “Izay indray ’nareo.”

“Avereno kely hoe ny tenin’ialahy teo?”, hoy ny dadany.

“Izaho angaha niteny!”, hoy izy nisento sady nangarika.

Izay vao tena tezitra ny dadany. Hoy izy: “Izaho aza anaovana fiteny hoatr’izany an!”

Inona no ho nataonao raha ianao no Hery?

MIERITRERETA TSARA ALOHA!

Hoatran’ny hoe mitondra fiara ianao, rehefa miresaka amin’ny ray aman-dreninao. Afaka mitady lalan-kafa foana ianao, na dia misy zavatra manakana aza eny an-dalana.

 Ohatra:

Hoy i Lila: “Mandreraka mihitsy ny miresaka amin’ny dadanay! Efa miteny elaela ianao indraindray vao taitra izy hoe: ‘An? Ahoana hozy ianao?’”

MANANA SAFIDY TELO I LILA, FARA FAHAKELINY.

  1. Mivazavaza amin’ny dadany hoe:

    “Henoy aho ho’ah fa zava-dehibe ange ilay tiako hotenenina amin’i Dada e!”

  2. Tsy miresaka amin’ny dadany intsony.

    Aleony tsy tantaraina intsony ny olana mahazo azy.

  3. Miandry fotoana mety kokoa hiresahana an’ilay izy indray.

    Miresaka mivantana amin’ny dadany i Lila, na manoratra taratasy.

Iza amin’ireo no hitanao hoe tokony hataony?

ERITRERETO IZAO: Variana ny dadan’i Lila ka tsy mahita fa malahelo izy. Raha ilay Safidy 1 no ataon’i Lila, dia mety tsy ho azon’ny dadany hoe maninona izy no mivazavaza. Tsy manaja ny dadany koa izy, ka vao mainka mety tsy hihaino azy ny dadany. (Efesianina 6:2) Tsy mety àry io safidy io.

Misy lalan-kafa azo aleha foana, na misy sakana aza eny an-dalana. Hahita fomba iresahana amin’ny ray aman-dreninao foana koa ianao na misy olana aza

Ilay Safidy 2 no tsotra indrindra, saingy io no tena tsy mety. Nahoana? Satria mila miresaka amin’ny dadany i Lila, raha tiany hilamina ilay olana mahazo azy. Tsy ho afaka hanampy azy anefa ny dadany raha tsy fantany ilay olana. Tsy vahaolana àry ilay hoe tsy miresaka.

Ary ahoana ilay Safidy 3? Tsy kivy izy na dia nisy sakana aza, fa mbola hiezaka hiresaka amin’ny dadany ihany, saingy miandry fotoana mety fotsiny. Azony atao koa anefa ny manoratra taratasy ho an’ny dadany. Mety ho maivamaivana izy amin’izay.

Ho tafavoakany tsara koa izay tena tiany holazaina raha manoratra taratasy izy, ary ho fantatry ny dadany ilay saika hoteneniny. Ho azony hoe inona marina ilay olana. Io safidy io àry no tena tsara, satria sady mahasoa an’i Lila no mahasoa an’ny dadany. Mampihatra an’izay lazain’ny Baiboly izy raha manao an’izany, satria miezaka ‘mampisy fihavanana.’—Romanina 14:19.

Inona ny zavatra hafa azon’i Lila atao?

Soraty eto izany, raha mahita ianao. Soraty koa ny mety ho vokany.

 ATAOVY MAZAVA TSARA NY TENINAO

Tadidio fa mety ho hafa mihitsy no andraisan’ny ray aman-dreninao ny teninao.

OHATRA:

Anontanian’ny ray aman-dreninao ianao hoe maninona no hoatran’ny malahelohelo. Dia hoy ianao: “Tsy maninona aho ka!”

Izao anefa no mety handraisan’ny ray aman-dreninao an’izany: “Izaho tsy matoky anareo fa aleoko miresaka amin’ny namako.”

Eritrereto indray hoe misy zavatra mampiasa saina anao, dia mba te hanampy anao ny ray aman-dreninao. Izao anefa no teneninao: “Aok’izao fa aza miditra amin’izany ’nareo e!”

  • Ahoana no mety handraisany an’izany?

  • Inona no hitanao hoe valin-teny mety kokoa?