Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly

Tantara 104: Niverina ho any An-danitra i Jesosy

Tantara 104: Niverina ho any An-danitra i Jesosy

ARAKA ny fandehan’ireo andro, dia niseho imbetsaka tamin’ny mpanara-dia azy i Jesosy. Indray mandeha dia eo amin’ny mpianatra 500 no nahita azy. Rehefa niseho tamin’izy ireo izy, fantatrao ve izay noresahin’i Jesosy taminy? Ny fanjakan’Andriamanitra. Naniraka an’i Jesosy tetỳ an-tany i Jehovah mba hampianatra ny amin’ilay Fanjakana. Ary nanohy nanao izany izy na dia taorian’ny nananganana azy tamin’ny maty aza.

I Jesosy miverina any an-danitra

Tsaroanao ve hoe inona moa ny fanjakan’Andriamanitra? Eny, ny Fanjakana dia fitondram-panjakana tena misy an’Andriamanitra any an-danitra, ary i Jesosy no ilay nofidin’Andriamanitra mba ho mpanjaka. Araka ny efa nianarantsika, i Jesosy dia nampiseho fa ho mpanjaka mahatalanjona aoka izany izy rehefa hanome hanina ny noana, hanasitrana ny marary, ary hanangana mihitsy ny maty ho amin’ny fiainana aza!

Koa rehefa hanapaka amin’ny maha mpanjaka any an-danitra mandritra ny arivo taona i Jesosy, ho sahala amin’inona moa ny tany? Eny, ho lasa paradisa tsara tarehy iray ny tany manontolo. Tsy hisy ady intsony, na heloka bevava, na aretina, na fahafatesana aza. Fantatsika fa marina izany, satria noforonin’Andriamanitra ny tany mba ho paradisa hifalian’ny olona. Izany no antony nanaovany ny zaridainan’i Edena tany am-boalohany. Ary hataon’i Jesosy izay hahatanterahan’ny zavatra irin’Andriamanitra ho vita amin’ny farany.

Tonga izao ny fotoana hiverenan’i Jesosy any an-danitra. Niseho tamin’ny mpianany izy nandritra ny 40 andro. Azon’izy ireo antoka àry fa velona indray izy. Nefa talohan’ny handaozany ny mpianany dia hoy izy taminy: ‘Mitoera ao Jerosalema ambara-pandrainareo fanahy masina.’ Ny fanahy masina dia hery miasan’Andriamanitra, sahala amin’ny rivotra mitsoka, izay hanampy ny mpanara-dia azy hanao ny sitrapon’Andriamanitra. Farany, dia hoy i Jesosy: ‘Tsy maintsy mitory ahy hatrany amin’ny faran’ny tany ianareo.’

Rehefa avy nilaza izany i Jesosy, dia nisy zava-mahagaga nitranga. Nanomboka niakatra ho any an-danitra izy, araka ny hitanao eto. Avy eo dia nisy rahona nanakona azy tsy ho hitan’ny maso, ary tsy nahita an’i Jesosy intsony ny mpianatra. Nankany an-danitra i Jesosy, ary nanomboka nanjaka teo amin’ny mpanara-dia azy teto an-tany avy any.

Mpianatra mijery ny lanitra

1 Korintianina 15:3-8; Apokalypsy 21:3, 4; Asan’ny Apostoly 1:1-11.



Fanontaniana

  • Firy ny mpianatra nahita an’i Jesosy, indray mandeha, ary inona no noresahiny tamin’izy ireo?
  • Inona moa ny Fanjakan’Andriamanitra, ary hanao ahoana ny fiainana eto an-tany, rehefa hanjaka mandritra ny arivo taona i Jesosy?
  • Nandritra ny firy andro i Jesosy no niseho tamin’ny mpianany? Tsy maintsy nanao inona anefa izy taorian’izay?
  • Inona no nasain’i Jesosy nataon’ny mpianany, talohan’ny nandaozany azy ireo?
  • Inona no miseho eo amin’ny sary, ary inona no nanakona an’i Jesosy?

Fanontaniana fanampiny

Fanampim-panazavana

Teo Ankavanan’Andriamanitra i Kristy

Inona no nataon’i Jesosy teo am-piandrasana ny fotoana hifehezany ny fahavalony?