Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly

Tantara 77: Tsy Niankohoka Izy Ireo

Tantara 77: Tsy Niankohoka Izy Ireo

TADIDINAO ve ny firesahana ny amin’ireo zatovolahy telo ireo? Eny, ireo dia naman’i Daniela. Nanda tsy hihinana izay tsy tsara ho azy ireo izy. Ny Babylonianina dia niantso azy hoe Sadraka, Mesaka ary Abednego. Nefa jereo izy ireo izao. Nahoana izy no tsy miankohoka amin’io sary goavana io tahaka ny olona hafa rehetra? Aoka hojerentsika.

Tsaroanao ve ny lalàna izay nosoratan’ny tenan’i Jehovah ary nantsoina hoe ny Didy Folo? Hoy ny voalohany tamin’ireny: ‘Aza manana andriamani-kafa, fa Izaho ihany.’ Mankatò an’io lalàna io ireo zatovolahy eto, na dia tsy zava-mora aza ny nanao izany.

I Nebokadnezara, mpanjakan’i Babylona, dia niantso olo-malaza maro mba hanome voninahitra io sary izay natsangany io. Vao avy niteny tamin’ny olona rehetra izy izao hoe: ‘Rehefa renareo ny feon’ny anjomara, ny harpa ary ny zava-maneno hafa, dia tokony hiankohoka ianareo ary hivavaka amin’io sary volamena io. Na iza na iza tsy miankohoka ary tsy mivavaka, dia hatsipy avy hatrany ao anatin’ny lafaoro misy afo mirehitra.’

Rehefa ren’i Nebokadnezara fa tsy niankohoka i Sadraka sy Mesaka ary Abednego, dia tezitra aoka izany izy. Nasainy nentina teo aminy ireo. Nomeny fahafahana mba hiankohoka indray mandeha izy. Nefa nitoky tamin’i Jehovah ireo zatovolahy. ‘Afaka mamonjy anay ny Andriamanitray izay tompoinay’, hoy izy tamin’i Nebokadnezara. ‘Nefa na dia tsy mamonjy anay aza izy, dia tsy hiankohoka amin’ny sary volamena nataonao izahay.’

Sadraka sy Mesaka ary Abednego

Rehefa nahare izany i Nebokadnezara, dia vao mainka feno fahatezerana. Nisy lafaoro teo akaiky teo ka nandidy izy hoe: ‘Hafanao impito mihoatra noho ny taloha ny lafaoro!’ Avy eo dia nasainy nafatotry ny lehilahy natanjaka indrindra teo amin’ny tafiny i Sadraka sy Mesaka ary Abednego, ary natsipy tao amin’ny lafaoro. Nafana loatra ny lafaoro ka matin’ny lelafo ireo lehilahy natanjaka. Nefa ahoana ny amin’ireo zatovolahy telo izay natsipy tao?

Nijery tao amin’ny lafaoro ny mpanjaka, ary natahotra aoka izany. ‘Moa va tsy lehilahy telo no nofatorantsika sy natsipintsika tao amin’ny lafaoro mirehitra?’, hoy ny fanontaniany.

‘Eny, izany no nataontsika’, hoy ny famalin’ny mpanompony.

‘Nefa mahita lehilahy efatra mandehandeha ao anaty afo aho’, hoy izy. ‘Tsy mifatotra izy ireo, ary tsy maninona azy ny afo. Ary ny fahefatra dia tahaka ny andriamanitra.’ Nanatona ny varavaran’ny lafaoro ny mpanjaka ary niantso hoe: ‘Ry Sadraka sy Mesaka ary Abednego, mpanompon’Andriamanitra Avo Indrindra, mivoaha, ka avia atỳ!’

Rehefa nivoaka izy ireo, dia afaka nahita ny rehetra fa tsy naninona mihitsy izy ireo. Hoy ny mpanjaka avy eo: ‘Hoderaina anie ny Andriamanitr’i Sadraka sy Mesaka ary Abednego! Naniraka ny anjeliny Izy ary namonjy azy ireo satria tsy niankohoka na nivavaka tamin’ny andriamani-kafa izy ireo.’

Moa ve izany tsy oha-pahatokiana tsara amin’i Jehovah tokony harahintsika?

Eksodosy 20:3; Daniela 3:1-30.



Fanontaniana

  • Inona no didy navoakan’i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babylona?
  • Nahoana ireo naman’i Daniela telo lahy no tsy nety niankohoka tamin’ilay sariolona volamena?
  • Mbola nasain’i Nebokadnezara niankohoka indray ireo Hebreo telo lahy. Ahoana anefa no nampisehoan’izy ireo ny fitokisany tamin’i Jehovah?
  • Nasain’i Nebokadnezara natao ahoana i Sadraka sy Mesaka ary Abednego?
  • Inona no hitan’i Nebokadnezara, rehefa nijery tao anaty lafaoro izy?
  • Nahoana ny mpanjaka no nidera ny Andriamanitr’i Sadraka sy Mesaka ary Abednego? Inona no ohatra navelan’izy ireo ho antsika?

Fanontaniana fanampiny

Fanampim-panazavana

Tsy May Nefa Natsipy tao Anaty Lafaoro Mirehitra

Nahoana no zava-dehibe ny tsy mivadika amin’ny zavatra inoanao?