Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly

Tantara 72: Nanampy An’i Hezekia Mpanjaka Andriamanitra

Tantara 72: Nanampy An’i Hezekia Mpanjaka Andriamanitra

FANTATRAO ve ny antony ivavahan’io lehilahy io amin’i Jehovah? Nahoana no namelatra ireo soratra ireo teo anoloan’ny alitaran’i Jehovah izy? I Hezekia io lehilahy io. Mpanjakan’ny foko roa atsimo amin’ny Israely izy. Ary ao anatin’ny fahasahiranana be izy. Nahoana?

I Hezekia Mpanjaka mivavaka

Satria efa nandrava ny foko folo avaratra izao ireo tafika asyrianina. Navelan’i Jehovah hitranga izany satria ratsy loatra ireo olona ireo. Ary izao dia tonga ireo tafika asyrianina mba hiady amin’ny fanjakan’ny foko roa.

Vao avy nahatonga taratasy ho an’i Hezekia Mpanjaka ny mpanjakan’i Asyria. Izany ireo soratra izay napetrak’i Hezekia eo anatrehan’Andriamanitra eto. Naniratsira an’i Jehovah ireo taratasy, ary nilaza tamin’i Hezekia mba hitolo-batana. Koa izany no antony nivavahan’i Hezekia hoe: ‘Jehovah ô, vonjeo amin’ny mpanjakan’i Asyria izahay. Dia ho fantatry ny firenena rehetra fa ianao irery no Andriamanitra.’ Hihaino an’i Hezekia ve i Jehovah?

Mpanjaka tsara i Hezekia. Tsy nitovy tamin’ireo mpanjaka ratsy teo amin’ny fanjakan’ny foko folo an’ny Israely izy, na nitovy tamin’i Ahaza mpanjaka ratsy. Nitandrina i Hezekia mba hankatò ny lalàn’i Jehovah rehetra. Koa rehefa vitan’i Hezekia ny vavaka nataony, i Isaia mpaminany dia nandefa ho azy izao hafatra avy amin’i Jehovah izao: ‘Tsy ho tonga atỳ Jerosalema ny mpanjakan’i Asyria. Tsy hisy akory amin’ny miaramilany ho avy hanakaiky azy. Tsy handefa zana-tsipìka iray akory amin’ny tanàna izy ireo.’

Jereo ny sary eo amin’ity pejy ity. Fantatrao ve ireo miaramila maty rehetra ireo? Asyrianina izy ireo. Naniraka ny anjeliny i Jehovah, ary tamin’ny alina iray ilay anjely dia namono miaramila asyrianina 185 000. Nilefitra àry ny mpanjakan’i Asyria ary niverina tany aminy.

Miaramila asyrianina maty

Novonjena ny fanjakan’ny foko roa, ary nahita fiadanana vetivety ny vahoaka. Nefa rehefa maty i Hezekia dia i Manase zanany lahy no tonga mpanjaka. I Manase sy Amona nanaraka azy dia samy mpanjaka tena ratsy fanahy. Koa feno vonoana olona sy herisetra indray àry ny tany. Rehefa novonoin’ny mpanompony ihany i Amona Mpanjaka, dia i Josia zanany lahy no natao mpanjakan’ny fanjakan’ny foko roa.

2 Mpanjaka 18:1-36; 19:1-37; 21:1-25.



Fanontaniana

  • Iza ilay lehilahy eo amin’ny sary, ary inona no tena nanahiran-tsaina azy?
  • Inona ireo taratasy napetrak’i Hezekia teo anatrehan’Andriamanitra, ary inona no vavaka nataony?
  • Mpanjaka nanao ahoana i Hezekia, ary inona no hafatra avy tamin’i Jehovah nolazain’i Isaia taminy?
  • Nataon’ny anjelin’i Jehovah ahoana ny Asyrianina, araka ny hita eo amin’ny sary?
  • Nahita fiadanana vetivety ny fanjakan’ny foko roa. Inona anefa no nitranga rehefa maty i Hezekia?

Fanontaniana fanampiny