Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly

Tantara 71: Mampanantena fa Hanome Paradisa Andriamanitra

Tantara 71: Mampanantena fa Hanome Paradisa Andriamanitra

IZAO dia sarin’ny paradisa, araka ny mety ho nasehon’Andriamanitra an’i Isaia mpaminany. I Isaia dia velona fotoana fohy taorian’i Jona.

Olona ao amin’ny Paradisa

Ny hevitry ny hoe paradisa dia “zaridaina” na “saha.” Mampahatsiahy anao zavatra efa hitantsika tato amin’ity boky ity ve izany? Misy itoviana be amin’ilay zaridaina tsara tarehy nataon’i Jehovah Andriamanitra ho an’i Adama sy Eva izy io, sa tsy izany? Nefa mbola ho tonga paradisa ve ny tany manontolo?

Nilazan’i Jehovah i Isaia mba hanoratra momba ny fahatongavan’ny paradisa vaovao ho an’ny vahoakan’Andriamanitra. Hoy Izy: ‘Hiara-monina amim-piadanana ny amboadia sy ny ondry. Hiara-komana ny omby kely sy ny zana-diona, ary zaza madinika no hikarakara azy ireo. Na dia ny zazakely iray aza dia tsy haninona raha milalao eo akaikin’ny menarana misy poizina.’

‘Tsy hitranga mihitsy izany’, hoy ny ho fitenin’ny maro. ‘Nisy foana ny fahasahiranana teto an-tany, ary hisy hatrany izany.’ Nefa saintsaino izao: Karazam-ponenana manao ahoana no nomen’Andriamanitra ho an’i Adama sy Eva?

Napetrak’Andriamanitra tao amin’ny paradisa iray i Adama sy Eva. Satria tsy nankatò an’Andriamanitra izy, dia namoy ny fonenany tsara tarehy, nihantitra ary maty. Nampanantena Andriamanitra fa hanome ireo zavatra mihitsy narian’i Adama sy Eva, ho an’ny olona izay tia azy.

Ao amin’ilay paradisa vaovao ho avy, dia tsy hisy na inona na inona hanimba na handringana. Hisy ny fiadanana tanteraka. Ho salama sy sambatra ny olona rehetra. Izany dia ho sahala amin’ny nanirian’Andriamanitra azy tany am-boalohany. Nefa hianarantsika any aoriana ny fomba hitondran’Andriamanitra izany.

Isaia 11:6-9; Apokalypsy 21:3, 4.



Fanontaniana

  • Iza moa i Isaia, oviana no niainany, ary inona no nasehon’i Jehovah azy?
  • Inona no dikan’ny hoe “paradisa”, ary mampahatsiahy anao inona io teny io?
  • Inona no nasain’i Jehovah nosoratan’i Isaia momba ilay Paradisa vaovao?
  • Nahoana i Adama sy Eva no namoy ny fonenany tsara tarehy?
  • Inona no ampanantenain’i Jehovah fa homeny izay tia azy?

Fanontaniana fanampiny