Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly

Tantara 17: Zaza Kambana Tsy Nitovy

Tantara 17: Zaza Kambana Tsy Nitovy
Esao

TENA tsy nitovy tokoa ireto zazalahy roa ireto, sa tsy izany? Fantatrao ve ny anaran’izy ireo? I Esao ilay mpihaza, ary i Jakoba ilay zazalahy mikarakara ny ondry.

I Esao sy Jakoba no zanakalahy kambana naterak’i Isaka sy Rebeka. I Isaka rainy dia tia an’i Esao aoka izany, satria nahay nihaza izy io ary nitondra nody, sakafo mba hohanin’ny fianakaviana. Fa i Rebeka kosa tia an’i Jakoba, satria zazalahy tony sy nalefaka izy.

Mbola velona i Abrahama raiben’izy ireo tamin’izay, ary azontsika alaina sary an-tsaina fa tian’i Jakoba tokoa ny nihaino azy niresaka ny amin’i Jehovah. Farany dia maty i Abrahama rehefa 175 taona, ary 15 taona ireo zaza kambana tamin’izay.

Rehefa 40 taona i Esao dia nanambady vehivavy roa avy ao amin’ny tany Kanana. Nampalahelo tokoa an’i Isaka sy Rebeka izany, satria tsy nivavaka tamin’i Jehovah ireo vehivavy ireo.

Indray andro àry dia nisy zavatra nahatezitra mafy an’i Esao tamin’i Jakoba rahalahiny. Tonga ny fotoana tokony hanomezan’i Isaka tsodrano ho an’ny lahimatoany. Satria i Esao no zokin’i Jakoba, dia nanantena hahazo an’io tsodrano io izy. Nefa talohan’izay dia efa nivarotra ny zony hahazo ny tsodrano tamin’i Jakoba i Esao. Ary koa, tamin’ny fotoana nahaterahan’ny zaza roa lahy dia nilaza Andriamanitra fa i Jakoba no hahazo ny tsodrano. Ary izany tokoa no nitranga. Nomen’i Isaka an’i Jakoba zanany lahy ny tsodrano.

Jakoba

Tatỳ aoriana, rehefa fantatr’i Esao izany, dia tezitra tamin’i Jakoba izy. Tezitra loatra izy ka nilaza fa hamono an’i Jakoba. Rehefa ren-dRebeka izany, dia natahotra mafy izy. Hoy izy tamin’i Isaka vadiny: ‘Ho loza raha tahiny i Jakoba manambady koa ny iray amin’ireny vehivavy kananita ireny.’

Dia nantsoin’i Isaka àry i Jakoba zanany lahy ka nilazany hoe: ‘Aza manambady vehivavy avy eto Kanana. Fa mandehana mankany amin’ny tranon’i Betoela raibenao any Harana. Manambadia ny iray amin’ireo zanakavavin’i Labana zanany lahy.’

Nihaino ny tenin-drainy i Jakoba, ary avy hatrany dia nanomboka ny dia lavitra nankany amin’ireo havany nonina tany Harana.

Genesisy 25:5-11, 20-34; 26:34, 35; 27:1-46; 28:1-5; Hebreo 12:16, 17.



Fanontaniana

  • Iza i Esao sy Jakoba, ary inona no naha samy hafa azy mirahalahy?
  • Firy taona i Esao sy Jakoba, rehefa maty i Abrahama raibeny?
  • Inona no nataon’i Esao, ka nampalahelo mafy ny ray aman-dreniny?
  • Nahoana i Esao no tezitra be tamin’i Jakoba rahalahiny?
  • Inona no toromarika nomen’i Isaka an’i Jakoba zanany lahy?

Fanontaniana fanampiny

Fanampim-panazavana

Jakoba sy Esao ary Ilay Lantihy

Fantaro ny momba an’i Jakoba sy Esao! Adikao sy ataovy pirinty ity kilalaon-tsary ity ary lokoy.