Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly

Tantara 6: Zanakalahy Tsara Iray sy Zanakalahy Ratsy Iray

Tantara 6: Zanakalahy Tsara Iray sy Zanakalahy Ratsy Iray

JEREO i Kaina sy Abela izao. Lasa olon-dehibe izy ireo. Tonga mpamboly i Kaina. Mamboly voan-javatra sy voankazo ary anana izy.

I Kaina sy Abela, manao sorona ho an’Andriamanitra

Tonga mpiandry ondry i Abela. Mahafinaritra azy ny mikarakara zanak’ondry madinika. Mitombo ho ondry vaventy izy ireny, ka tsy ela i Abela dia nanana andian’ondry iray manontolo handrasana.

Indray andro i Kaina sy Abela dia nitondra fanomezana ho an’Andriamanitra. Sakafo sasany izay namboleny no nentin’i Kaina. Ary ny tsara indrindra tamin’ny ondriny no nentin’i Abela. Nankasitrahan’i Jehovah i Abela sy ny fanomezany. Fa tsy nankasitrahany kosa i Kaina sy ny fanatiny. Fantatrao ve ny antony?

Tsy hoe satria tsara kokoa noho ny an’i Kaina ny fanomezan’i Abela. Ny antony dia noho ny naha lehilahy tsara an’i Abela. Tia an’i Jehovah sy ny rahalahiny izy. Ratsy kosa anefa i Kaina; tsy tia ny rahalahiny izy.

Nilazan’Andriamanitra àry Kaina fa tokony hanova ny lalany izy. Nefa tsy nety nihaino i Kaina. Tezitra mafy izy satria tian’Andriamanitra kokoa i Abela. Ka dia niteny tamin’i Abela i Kaina hoe: ‘Andeha isika ho any an-tsaha.’ Rehefa irery izy ireo tany, dia nokapohin’i Kaina i Abela rahalahiny. Nikapoka mafy aoka izany izy ka nahafaty azy. Moa ve tsy zavatra mahatsiravina izany nataon’i Kaina izany?

I Kaina lasa rehefa avy namono an’i Abela

Na dia maty aza i Abela dia mbola tsaroan’Andriamanitra ihany. Tsara i Abela ary tsy hadinoin’i Jehovah na oviana na oviana ny olona iray toy izany. Indray andro any àry dia haverin’i Jehovah Andriamanitra amin’ny fiainana i Abela. Ho afaka hiaina mandrakizay eto ambonin’ny tany izy amin’izay. Tsy hahafinaritra ve ny hahafantatra olona sahala amin’i Abela?

Nefa tsy ankasitrahan’Andriamanitra ny olona sahala amin’i Kaina. Koa taorian’ny namonoan’i Kaina ny rahalahiny, dia nosazin’Andriamanitra izy tamin’ny fandefasana azy hirenireny lavitra ny sisa amin’ny mpianakaviny. Rehefa nandeha nonina tao amin’ny faritra iray amin’ny tany i Kaina, dia nentiny niaraka taminy ny iray tamin’ireo anabaviny ary tonga vadiny izy io.

Rehefa nandeha ny fotoana dia nanomboka nanan-janaka i Kaina sy ny vadiny. Nifanambady koa ny zanakalahy sy ny zanakavavy hafan’i Adama sy Eva, ary nanan-janaka koa izy ireny. Tsy ela dia nisy olona maro teto an-tany. Andeha hofantarintsika ny momba ny sasany aminy.

Genesisy 4:2-26; 1 Jaona 3:11, 12; Jaona 11:25.



Fanontaniana

  • Inona no asan’i Kaina sy Abela?
  • Inona no fanomezana nataon’i Kaina sy Abela ho an’i Jehovah?
  • Nahoana i Jehovah no faly tamin’ny fanomezan’i Abela, fa tsy faly tamin’ny an’i Kaina?
  • Olona nanao ahoana i Kaina, ary ahoana no niezahan’i Jehovah nanitsy azy?
  • Inona no nataon’i Kaina, rehefa izy sy ny rahalahiny irery no tany an-tsaha?
  • Lazao izay nanjo an’i Kaina, rehefa avy namono ny rahalahiny izy.

Fanontaniana fanampiny

Fanampim-panazavana

Inona no Ianarantsika avy Amin’i Kaina sy Abela?

Ataovy pirinty ity kilalaon-tsary ity, vakio ny andinin-teny, ary fenoy ny banga.

Abela—“Na Efa Maty Aza Izy dia Mbola Miteny Ihany”

Kely ihany ny zavatra resahin’ny Baiboly momba an’i Abela. Inona anefa no azontsika ianarana avy aminy sy ny finoana nananany?