Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?

 TOKO FAHA-5

Ny Vidim-panavotana no Fanomezana Tsara Indrindra

Ny Vidim-panavotana no Fanomezana Tsara Indrindra
  • Inona no atao hoe vidim-panavotana?

  • Ahoana no nanomezana azy io?

  • Inona ny soa azonao avy amin’izy io?

  • Ahoana no ampisehoanao fa mankasitraka azy io ianao?

1, 2. a) Fanomezana manao ahoana no sarobidy aminao? b) Nahoana ny vidim-panavotana no fanomezana sarobidy indrindra nomena anao?

INONA ny fanomezana tsara indrindra azonao hatramin’izay? Tsy voatery hoe lafo be ny fanomezana iray vao sarobidy. Tsy ny vola lany tamin’ilay izy loatra mantsy no amaritana an’izany. Sarobidy aminao kosa ilay izy, raha mahasambatra anao, na tena ilainao.

2 Betsaka angamba ny fanomezana irinao, nefa misy anankiray tena miavaka amin’ny fanomezana rehetra. Andriamanitra no nanome an’ilay izy. Efa be dia be ny zavatra nomen’i Jehovah antsika, fa ny sorom-panavotan’i Jesosy Kristy Zanany no tsara indrindra. (Vakio ny Matio 20:28.) Ho hitantsika ato fa natao hahasambatra anao ny vidim-panavotana, sady tena ilainao. Io no fomba lehibe indrindra nampisehoan’i Jehovah hoe tia anao izy. Izy io àry no fanomezana sarobidy indrindra nomena anao.

INONA NO ATAO HOE VIDIM-PANAVOTANA?

3. Inona no atao hoe vidim-panavotana, ary inona aloha no tokony ho fantatsika mba ho azontsika fa tena sarobidy izy io?

3 Ny vidim-panavotana dia ny fomba anafahan’i  Jehovah ny olombelona amin’ny ota sy ny fahafatesana. (Efesianina 1:7) Mila mitadidy an’izay nitranga tao amin’ny zaridainan’i Edena isika, mba hahazoantsika tsara an’izany. Tokony ho fantatsika aloha hoe inona no nafoin’i Adama tamin’izy nanota, mba ho azontsika fa tena sarobidy ny vidim-panavotana.

4. Nahoana no sarobidy ny aina lavorary nomena an’i Adama?

4 Nomen’i Jehovah zavatra sarobidy be i Adama rehefa noforoniny, dia ny aina lavorary. Nahoana izany no sarobidy? Lavorary ny vatany sy ny sainy, ka tsy narary mihitsy izy, sady tsy nihantitra na maty. Nanana fifandraisana manokana tamin’i Jehovah koa izy. Milaza ny Baiboly fa “zanak’Andriamanitra” izy. (Lioka 3:38) Nifandray akaiky tamin’i Jehovah Andriamanitra àry i Adama, hoatran’ny ankizy mifandray amin’ny rainy be fitiavana. Niresaka tamin’i Adama i Jehovah, ary nanome azy asa tsara. Nampahafantarin’i Jehovah azy koa ny zavatra notakiny.—Genesisy 1:28-30; 2:16, 17.

5. Inona ny dikan’ny hoe noforonina “araka ny endrik’Andriamanitra” i Adama?

5 Noforonina “araka ny endrik’Andriamanitra” i Adama. (Genesisy 1:27) Tsy hoe nitovy bika aman’endrika tamin’Andriamanitra akory izy. Efa hitantsika mantsy fa Fanahy tsy hita maso i Jehovah. (Jaona 4:24) Tsy manana vatana nofo aman-dra àry izy. Ilay hoe noforonina araka ny endrik’Andriamanitra kosa, dia midika fa nataony nitovy toetra taminy i Adama. Ohatra hoe nataony nanana fitiavana sy fahendrena izy, ary nataony tia rariny sy nanana hery. Nisy zavatra nampitovy an’i Adama tamin’ilay Rainy koa. Nanana safidy malalaka izy. Tsy hoatran’ny fitaovana noforonina hanao zavatra iray fotsiny i Adama, ka hoe tsy mahay afa-tsy izany. Afaka nanapa-kevitra irery kosa izy hoe hanao ny tsara sa hanao ny ratsy. Ho niaina mandrakizay tao amin’ilay Paradisa teto an-tany izy, raha nifidy ny hankatò an’Andriamanitra.

6. Inona no nafoin’i Adama rehefa tsy nankatò an’Andriamanitra izy, ary inona ny vokatr’izany tamin’ny taranany?

 6 Nizaka ny vokany mangidy àry i Adama rehefa tsy nankatò, satria voaozona ho faty. Namoy ny ainy lavorary sy ny zavatra tsara rehetra nananany izy, rehefa nanota. (Genesisy 3:17-19) Mampalahelo fa tsy afaka nanana aina lavorary koa ny taranany. Hoy ny Baiboly: “Tahaka ny nidiran’ny ota avy tamin’ny olona iray [Adama] ho amin’izao tontolo izao, ary avy tamin’ny ota no nidiran’ny fahafatesana, ka niely tamin’ny olona rehetra ny fahafatesana, satria samy efa nanota izy rehetra.” (Romanina 5:12) Nandova ota tamin’i Adama àry isika rehetra. Izany no mahatonga ny Baiboly hilaza fa ‘namidiny’ ho andevon’ny ota sy ny fahafatesana ny tenany sy ny taranany. (Romanina 7:14) Tsy avotra intsony i Adama sy Eva, satria fanahy inian’izy ireo mihitsy ny tsy nankatò an’Andriamanitra. Ahoana kosa ny amintsika taranany?

7, 8. Inona avy ny dikan’ilay teny hoe vidim-panavotana?

7 Nanome ny vidim-panavotana i Jehovah mba hamonjena ny olona. Misy heviny roa ny hoe vidim-panavotana. Voalohany, vola na zavatra aloa mba hanafahana olona, na hividianana zavatra efa anao ihany taloha. Ohatra hoe nisy naka an-keriny ny zaza iray, dia misy vola aloa mba hanafahana azy. Faharoa, atao hoe vidim-panavotana koa ao amin’ny Baiboly ny vola na zavatra atao onitra. Raha nisy, ohatra, nanimba entana na nandratra olona, dia tsy maintsy mandoa onitra mifandanja tsara amin’ny vidin’ilay zavatra nosimbany na izay ratra nataony izy.

8 Ahoana no hanonerana ny zavatra ratsy nataon’i Adama, sady hanafahana antsika amin’ny ota sy ny fahafatesana? Andeha isika handinika ny vidim-panavotana nomen’i Jehovah, sy ny soa ho azonao amin’izy io.

 AHOANA NO NANOMEZAN’I JEHOVAH NY VIDIM-PANAVOTANA?

9. Inona no afaka manonitra ny aina lavorary nafoin’i Adama?

9 Aina lavorary no nafoy, ka tsy afaka manavotra an’izany ny ain’olona tsy lavorary. (Salamo 49:7, 8) Tsy maintsy nitovy tamin’ny zavatra nafoy ilay vidim-panavotana. Mifanaraka amin’izao toro lalana momba ny rariny izao izany: “Aina ho solon’ny aina.” (Deoteronomia 19:21) Inona àry no afaka manonitra an’ilay aina lavorary nafoin’i Adama? Ain’olona lavorary ihany no “vidim-panavotana mifandanja” amin’izany.—1 Timoty 2:6.

10. Ahoana no nanomezan’i Jehovah an’ilay vidim-panavotana?

10 Ahoana no nanomezan’i Jehovah an’ilay vidim-panavotana? Nalefany tetỳ an-tany ny iray tamin’ireo zanany lavorary tany an-danitra. Tsy hoe nifidy anjely iray fotsiny anefa izy, fa ny Zanany lahitokana mihitsy no nirahiny, dia ilay tiany indrindra. (Vakio ny 1 Jaona 4:9, 10.) Nanaiky handao ny fonenany tany an-danitra io Zanany io. (Filipianina 2:7) Hitantsika tao amin’ilay toko teo aloha fa nanao fahagagana i Jehovah, rehefa namindra ny ain’io Zanany io tao an-kibon’i Maria. Lavorary àry i Jesosy rehefa teraka fa tsy mpanota, satria niaro azy ny fanahy masin’Andriamanitra.—Lioka 1:35.

Nanome ny Zanany lahitokana mba ho vidim-panavotana antsika i Jehovah

11. Ahoana no ahavitan’ny lehilahy iray manavotra olona an-tapitrisany?

11 Lehilahy iray ve anefa dia hahavita hanavotra olona an-tapitrisany? Tadidio fa olona iray koa no nahatonga ny olona an-tapitrisany ho lasa mpanota. Tsy lavorary intsony mantsy i Adama rehefa nanota, ka tsy afaka namindra aina lavorary tamin’ny taranany. Ota sy fahafatesana ihany no azony nafindra tamin’izy ireo. Tsy nanota sady nanana aina lavorary kosa i Jesosy, ilay antsoin’ny Baiboly hoe “Adama farany.” (1 Korintianina 15:45) Toy ny hoe nisolo an’i Adama izy mba hanavotana antsika.  Nanonitra ny fahotan’i Adama izy rehefa nanao sorona ny ainy sy nankatò tanteraka an’Andriamanitra. Noho i Jesosy àry, dia lasa nanana fanantenana indray ny taranak’i Adama.—Romanina 5:19; 1 Korintianina 15:21, 22.

12. Inona no voaporofo rehefa tsy nivadika i Jesosy na dia nijaly be aza?

12 Tantarain’ny Baiboly amin’ny an-tsipiriany ny fijalian’i Jesosy talohan’ny nahafatesany. Nokaravasina izy, nofantsihana teo amin’ny hazo fijaliana, ary nanaintaina be vao maty. (Jaona 19:1, 16-18, 30; Fanazavana Fanampiny, “Tokony Hampiasa Lakroa ve ny Kristianina?”) Nahoana i Jesosy no tsy maintsy nijaly be hoatr’izany? Satria niampanga ny olona manompo an’i Jehovah i Satana hoe hivadika daholo, hono, izy ireo rehefa iharan’ny fitsapana. Mbola hianarantsika kokoa izany any aoriana. Tsy nivadika anefa i Jesosy na dia nijaly be aza. Iny no porofo lehibe indrindra fa lainga ny tenin’i Satana. Nasehon’i Jesosy fa mahavita tsy mivadika amin’Andriamanitra ny olona lavorary sy manana safidy malalaka, na inona na inona ataon’ny Devoly. Azo antoka fa faly be i Jehovah rehefa tsy nivadika ilay Zanany tena tiany.—Ohabolana 27:11.

13. Ahoana no nandoavana an’ilay vidim-panavotana?

13 Ahoana no nandoavana ny vidim-panavotana? Navelan’i Jehovah hovonoina ilay Zanany lavorary tamin’ny 14 Nisana, volana jiosy, taona 33. Nanao sorona ny ainy lavorary “indray mandeha monja” i Jesosy tamin’izay. (Hebreo 10:10) Natsangan’i Jehovah tamin’ny maty anefa izy, rehefa afaka telo andro, ary lasa fanahy indray. Rehefa tonga tany an-danitra izy, dia naloany tamin’Andriamanitra ny vidim-panavotana, izany hoe ny vidin’ilay aina lavorary nataony sorona. (Hebreo 9:24) Neken’i Jehovah izany mba hanafahana ny olona amin’ny ota sy ny fahafatesana.—Vakio ny Romanina 3:23, 24.

 INONA NY SOA AZONAO AVY AMIN’NY VIDIM-PANAVOTANA?

14, 15. Inona no tsy maintsy ataontsika, mba hahazoana ‘famelan-keloka’?

14 Na mpanota aza isika, dia afaka mahazo fitahiana faran’izay tsara dieny izao sy amin’ny hoavy, noho ny vidim-panavotana. Hojerentsika ny sasany amin’izany.

15 Famelan-keloka. Mpanota isika, ka mila miady mafy vao mahavita manao ny tsara. Manota daholo isika, na amin’ny teny, na amin’ny atao. Soa ihany fa nisy an’ilay sorom-panavotana nataon’i Jesosy, ka afaka mahazo ‘famelan-keloka’ isika. (Kolosianina 1:13, 14) Tsy ho voavela anefa ny helotsika, raha tsy tena mibebaka isika. Mila manetry tena koa isika, ka mitalaho mafy amin’i Jehovah mba hamelany ny helotsika, sady mino an’ilay sorom-panavotana nataon’ny Zanany.—Vakio ny 1 Jaona 1:8, 9.

16. Nahoana isika no afaka manana feon’ny fieritreretana madio rehefa manompo an’Andriamanitra, ary nahoana izany no sarobidy?

16 Feon’ny fieritreretana madio eo anatrehan’Andriamanitra. Mora mamoy fo ny olona rehefa enjehin’ny eritreriny, ary lasa mihevi-tena ho tsy misy vidiny. Tsara fanahy anefa i Jehovah, ka mamela ny helotsika, noho ny vidim-panavotana. Afaka manana feon’ny fieritreretana madio àry isika rehefa manompo azy, na dia tsy lavorary aza. (Hebreo 9:13, 14) Lasa tsy misalasala miresaka amin’i Jehovah isika vokatr’izany, ka sahy mivavaka aminy. (Hebreo 4:14-16) Miadan-tsaina sy mahatsiaro ho misy vidiny ary sambatra isika, rehefa madio ny feon’ny fieritreretantsika.

17. Inona ny fitahiana ho azontsika, noho i Jesosy maty ho antsika?

17 Fiainana mandrakizay ao amin’ny paradisa eto an-tany. Hoy ny Romanina 6:23: “Fahafatesana no  tambin’ny ota.” Lazainy ao koa anefa hoe ‘fiainana mandrakizay amin’ny alalan’i Kristy Jesosy Tompontsika no fanomezana omen’Andriamanitra.’ Be dia be ny fitahiana ho azontsika rehefa ho paradisa ny tany, araka ny efa hitantsika tao amin’ny Toko faha-3. Ho salama tsara sy hiaina mandrakizay, ohatra, isika amin’izay. (Apokalypsy 21:3, 4) Ho azontsika ireo fitahiana rehetra ireo amin’ny hoavy, satria maty ho antsika i Jesosy. Mila mankasitraka ny vidim-panavotana anefa isika raha te hahazo an’izany.

ANKASITRAHO NY VIDIM-PANAVOTANA

18. Nahoana isika no tena tokony hankasitraka ny vidim-panavotana nomen’i Jehovah?

18 Nahoana isika no tena tokony hankasitraka ny vidim-panavotana nomen’i Jehovah? Sarobidy kokoa ny fanomezana iray raha nahafoy fotoana na vola ilay nanome azy, na nanao ezaka be. Fantatsika hoe tena tia antsika izy matoa nanao an’izany, ka tena manohina ny fontsika ilay izy. Ny vidim-panavotana no fanomezana sarobidy indrindra, satria nahafoy zavatra tena lehibe Andriamanitra mba hanomezana azy io. Hoy ny Jaona 3:16: “Lehibe tokoa ny fitiavan’Andriamanitra an’izao  tontolo izao, ka nomeny ny Zanany lahitokana.” Ny vidim-panavotana no porofo lehibe indrindra fa tia antsika i Jehovah. Tia antsika koa i Jesosy matoa nahafoy ny ainy ho antsika. (Vakio ny Jaona 15:13.) Tokony hiaiky àry isika fa tia antsika tsirairay i Jehovah sy ny Zanany.—Galatianina 2:20.

Mankasitraka ny vidim-panavotana ianao raha miezaka hahafantatra tsara kokoa an’i Jehovah

19, 20. Ahoana no ampisehoanao fa ankasitrahanao ny vidim-panavotana?

19 Ahoana àry no ampisehoanao fa ankasitrahanao ny vidim-panavotana? Miezaha aloha hahafantatra tsara an’i Jehovah, ilay nanome azy io. (Jaona 17:3) Hahavita an’izany ianao rehefa mianatra Baiboly amin’ity boky ity. Vao mainka ianao ho tia an’i Jehovah, arakaraka ny ahafantaranao tsara azy. Rehefa tia azy ianao, dia te hampifaly azy.—1 Jaona 5:3.

20 Asehoy fa mino ny sorom-panavotan’i Jesosy ianao. Hoy ny Baiboly: “Izay maneho finoana ny Zanaka dia manana fiainana mandrakizay.” (Jaona 3:36) Ahoana no ampisehoantsika fa mino an’i Jesosy isika? Tsy ampy ny miteny fotsiny hoe mino azy. Milaza mantsy ny Jakoba 2:26 fa ‘maty ny finoana raha tsy aseho amin’ny atao.’ Midika izany fa ny zavatra ‘ataontsika’ no ahitana hoe manam-pinoana isika. Asehontsika, ohatra, fa mino an’i Jesosy isika rehefa manahaka azy araka izay vitantsika, amin’ny tenintsika sy ataontsika.—Jaona 13:15.

21, 22. a) Nahoana isika no tokony hanatrika ny Sakafo Harivan’ny Tompo? b) Inona no hazavain’ny Toko faha-6 sy faha-7?

21 Tongava manatrika ny Sakafo Harivan’ny Tompo fanao isan-taona. Nisy zava-dehibe natombok’i Jesosy ny harivan’ny 14 Nisana taona 33, dia ilay antsoin’ny Baiboly hoe “sakafo harivan’ny Tompo.” (1 Korintianina 11:20; Matio 26:26-28) Antsoina koa hoe Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Kristy izy io. Nasain’i Jesosy nahatsiaro ny nahafatesany ny apostoliny sy ny tena Kristianina  rehetra, satria tiany hotadidin’izy ireo fa namoy ny ainy lavorary ho vidim-panavotana izy. Nandidy ny mpianany izy hoe: “Ataovy hatrany izao ho fahatsiarovana ahy.” (Lioka 22:19) Isaky ny manatrika Fahatsiarovana isika, dia mahatsiaro foana hoe tena tia antsika i Jehovah sy Jesosy matoa nanome ny vidim-panavotana. Tokony hanatrika azy io isan-taona isika raha tena mankasitraka ny vidim-panavotana. *

22 Tena sarobidy tokoa àry ny vidim-panavotana nomen’i Jehovah. (2 Korintianina 9:14, 15) Na ny maty aza afaka mandray soa avy amin’izy io. Manazava an’izany ny Toko faha-6 sy faha-7.

^ feh. 21 Mbola manazava ny dikan’ny Sakafo Harivan’ny Tompo ny Fanazavana Fanampiny, “Manome Voninahitra An’Andriamanitra Isika, Rehefa Manatrika ny Sakafo Harivan’ny Tompo.”