Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?

 TOKO FAHA-16

Miandania Amin’ny Fivavahana Marina

Miandania Amin’ny Fivavahana Marina
  • Raran’ny Baiboly ve ny fampiasana sary masina sy ny fivavahana amin’ny razana?

  • Mety amin’ny Kristianina ve ny mankalaza fety ara-pivavahana?

  • Ahoana no hanazavanao amin’ny olona ny zavatra inoanao, nefa tsy hampahatezitra azy?

1, 2. Inona no mila eritreretinao na dia efa niala tamin’ny fivavahan-diso aza ianao, ary nahoana?

ERITRERETO hoe nisy nandraraka poizina an-tsokosoko ny lavadranonao. Ho faty ianao, raha misotro rano avy ao. Azo antoka fa tonga dia hitady lavadrano madio any an-toeran-kafa ianao. Mety hiasa saina ihany anefa ianao hoe: ‘Sao dia mba efa voapoizina àry aho?’

2 Toy ny misy poizina koa ny fivavahan-diso, satria milaza ny Baiboly fa misy fampianaran-diso sy fanao maloto any. (2 Korintianina 6:17) Tena ilaina àry ny miala ao amin’i “Babylona Lehibe”, izany hoe ny fivavahan-diso rehetra eran-tany. (Apokalypsy 18:2, 4) Efa nanao an’izany ve ianao? Tsara raha izany. Tsy ampy anefa ny mametra-pialana any. Mila eritreretinao koa hoe: ‘Sao dia mbola misy zavatra fanaon’ny fivavahan-diso ihany àry ataoko?’ Ireto misy ohatra.

SARY MASINA SY FIVAVAHANA AMIN’NY RAZANA

3. a) Inona no lazain’ny Baiboly momba ny sary masina, ary nahoana no mety ho sarotra ny manaiky an’izany? b) Tokony hataonao ahoana ireo zavatra anananao mifandray amin’ny fivavahan-diso?

3 Efa taona maro ny olona sasany no nanana sary masina  na sarivongana kely tao an-tranony. Misy an’izany koa ve ao an-tranonao? Hafahafa aminao angamba ny mivavaka amin’Andriamanitra nefa tsy mampiasa an’ireny zavatra hita maso ireny. Mety hoe tsy foinao koa izy ireny. Andriamanitra anefa no tokony hanoro antsika hoe ahoana no atao rehefa mivavaka, ary lazain’ny Baiboly fa tsy tiany hampiasa sary masina isika. (Vakio ny Eksodosy 20:4, 5; Salamo 115:4-8; Isaia 42:8; 1 Jaona 5:21) Miandany amin’ny fivavahana marina àry ianao, raha manapotika an’izay zavatra fampiasan’ny fivavahana diso. Tadidio fa “zava-maharikoriko” amin’i Jehovah ireny, ka tokony ho halanao koa.—Deoteronomia 27:15.

4. a) Ahoana no ahalalantsika fa very maina ny fivavahana amin’ny razana? b) Nahoana i Jehovah no nandrara ny vahoakany tsy hifandray amin’ny fanahy ratsy?

4 Anisan’ny fivavahan-diso koa ny fivavahana amin’ny razana. Tamin’ny mbola tsy nianatra Baiboly ny olona sasany dia nino fa velona any ankoatra ny maty, ary afaka mitahy na manisy ratsy antsika. Na ianao aza mety ho efa nanao ezaka be na nandany vola be mba ho fanajana ny  razanao. Efa nianaranao anefa fa tsy mahatsiaro tena ny maty, ary tsy misy intsony. Very maina àry ny ezaka atao mba hiresahana aminy. Avy amin’ny demonia, raha ny marina, ireny hafatra lazaina fa avy amin’ny maty ireny. Izany no nahatonga an’i Jehovah handrara ny Israelita mba tsy hiresaka amin’ny maty, na hifandray amin’ny fanahy ratsy.—Vakio ny Deoteronomia 18:10-12.

5. Inona no tokony hataonao, raha nampiasa sary masina ianao taloha, na nivavaka tamin’ny razana?

5 Inona àry no tokony hataonao, raha nampiasa sary masina ianao taloha, na nivavaka tamin’ny razana? Vakio izay andinin-teny ahitana ny hevitr’Andriamanitra momba an’ireny, ary saintsaino. Mivavaha amin’i Jehovah isan’andro, ka lazao aminy fa te hiandany amin’ny fivavahana marina ianao. Angataho izy hanampy anao hitovy hevitra aminy.—Isaia 55:9.

TSY NANKALAZA KRISMASY NY KRISTIANINA TALOHA

6, 7. a) Inona no ankalazain’ny olona rehefa Krismasy, ary nankalaza azy io ve ny mpianatr’i Jesosy tamin’ny taonjato voalohany? b) Iza no zatra nankalaza andro nahaterahana, tamin’ny andron’ny mpianatr’i Jesosy?

6 Lasa tsy mendrika ny fivavahan’ny olona iray, raha mankalaza fety fanaon’ny fivavahan-diso izy. Misy, ohatra, mihevitra fa andro nahaterahan’i Jesosy Kristy ny Krismasy, ka saika ny fivavahana rehetra milaza fa Kristianina no mankalaza azy io. Tsy misy porofo anefa hoe nankalaza an’io fety io ny mpianatr’i Jesosy tamin’ny taonjato voalohany. Hoy ny boky Fiandohana Masin’ireo Zava-dalina (anglisy): “Tsy nisy nahafantatra ny daty marina nahaterahan’i Kristy, nandritra ireo roanjato taona taorian’ny nahaterahany, ary vitsy no liana tamin’izany.”

7 Tsy ho nankalaza ny andro nahaterahan’i Jesosy mihitsy koa ny mpianany, na dia fantatr’izy ireo aza ny daty marina nahaterahany. Milaza mantsy Ny Rakipahalalan’izao  Tontolo Izao (anglisy) fa noheverin’ny Kristianina fahiny hoe “fanaon’ny mpanompo sampy ny mankalaza fitsingerenan’ny andro nahaterahana.” Olona roa ihany no lazain’ny Baiboly fa nankalaza an’izany, ary samy tsy mpanompon’i Jehovah izy ireo. (Genesisy 40:20; Marka 6:21) Nankalaza ny aniverseran’ny andriamani-diso koa ny mpanompo sampy. Nankalaza ny andro nahaterahan’i Diane andriamani-bavy, ohatra, ny Romanina isaky ny 24 Mey, ary ny an’i Apollon, andriamanitra masoandro, kosa ny ampitson’iny.

8. Hazavao fa misy finoanoam-poana ny fankalazana ny andro nahaterahana.

8 Misy antony hafa koa nahatonga ny Kristianina fahiny tsy hankalaza ny andro nahaterahan’i Jesosy. Azo inoana fa fantatr’izy ireo hoe nisy finoanoam-poana tamin’ilay fankalazana. Maro, ohatra, ny Grika sy Romanina nino hoe isaky ny misy zaza teraka dia misy fanahy tonga eo, ary iny no miaro azy mandritra ny androm-piainany. Hoy ilay boky hoe Lovantsofina Momba ny Fankalazana Andro Nahaterahana (anglisy): “Nisy fifandraisana hafahafa teo amin’io fanahy io sy ilay andriamanitra mitovy daty nahaterahana amin’ilay olona.” Tena tsy mahafaly an’i Jehovah mihitsy ny fety lazaina fa ankalazana an’i Jesosy, nefa mifangaro finoanoam-poana. (Isaia 65:11, 12) Nahoana àry no be dia be no mankalaza Krismasy?

NY NIANDOHAN’NY KRISMASY

9. Nahoana no nataon’ny olona 25 Desambra ny fankalazana ny andro nahaterahan’i Jesosy?

9 Efa 300 taona teo ho eo taorian’ny nahafatesan’i Jesosy, vao nankalazaina hoe andro nahaterahan’i Jesosy ny 25 Desambra. Toa volana Oktobra anefa izy no teraka, fa tsy tamin’io daty io. * Nahoana àry no nataon’ny olona 25 Desambra ilay izy? Hazavain’ny boky iray fa nankalaza ny  “fiposahan’ny masoandro tsy mety resy” ny Romanina mpanompo sampy tamin’io daty io. Nisy olona nilaza ho Kristianina àry “te hampifanindry azy io tamin’ilay fety” lazaina fa nahaterahan’i Jesosy. Tsara homarihina fa zara raha misy masoandro any amin’ny faritra sasany, rehefa ririnina. Nanao fety àry ny mpanompo sampy mba hiverenan’ny masoandro, satria io no manome hafanana sy hazavana. Nino izy ireo fa ny 25 Desambra no nanomboka niverina ny masoandro. Mba hahatonga ny mpanompo sampy hiova finoana àry, dia nankalaza an’io fety io koa ny mpitondra fivavahana, fa mody nataony hoe fety kristianina ilay izy. *

10. Nahoana ny olona sasany no tsy nankalaza Krismasy taloha?

10 Efa ela no fantatra fa avy amin’ny mpanompo sampy ny Krismasy. Voarara, ohatra, ny nankalaza Krismasy tany Angletera sy ny faritra sasany tany Amerika tamin’ny 1650 tany ho any, satria tsy ara-baiboly io fankalazana io. Nandoa lamandy aza izay olona tsy nandeha niasa, fa nijanona tao an-trano, rehefa Krismasy. Taoriana kelin’izay anefa, dia lasa tian’ny olona indray ireo fombafomba taloha, ary niampy fanao hafa koa. Lasa be mpitia indray àry ny Krismasy hatramin’izao. Tsy mankalaza an’io fety io anefa izay te hampifaly an’Andriamanitra, satria mifandray amin’ny fivavahan-diso  izy io. Tsy mankalaza fety hafa avy amin’ny mpanompo sampy koa izy ireo. *

TENA ZAVA-DEHIBE VE NY NIANDOHAN’NY FETY IRAY?

11. Nahoana ny olona sasany no mankalaza Krismasy, nefa inona no tokony ho zava-dehibe amintsika?

11 Misy manaiky fa avy amin’ny mpanompo sampy tokoa ny fety sasany toy ny Krismasy. Mihevitra anefa izy ireo fa tsy ratsy ny mankalaza azy ireny, satria tsy mieritreritra ny hanompo sampy izy amin’izany. Amin’ireny fotoana ireny koa no mba afaka miaraka ny fianakaviana. Izany koa ve ny hevitrao? Raha izany, dia noho ianao tia ny havanao, fa tsy ny fivavahan-diso, no mety hahatonga anao hieritreritra fa sarotra ny manaraka ny fivavahana marina. Matokia anefa fa tena tian’i Jehovah hifandray tsara amin’ny fianakavianao ianao. Izy rahateo no nampisy ny fianakaviana. (Efesianina 3:14, 15) Afaka mifandray akaiky amin’ny fianakavianao ianao, sady tsy manao zavatra raran’Andriamanitra. Ny sitrapon’i Jehovah no tokony ho zava-dehibe amintsika, satria hoy ny apostoly Paoly: “Fantaro tsara foana izay ankasitrahan’ny Tompo.”—Efesianina 5:10.

Hihinana vatomamy notsimponina tao anaty tatatra ve ianao?

12. Hazavao amin’ny ohatra fa tsy tokony hanao fombafomba na fety iray isika, raha ratsy ny niandohany.

12 Mety hieritreritra ianao fa efa tsy hoatran’ny tamin’ny voalohany intsony izao ny antony ankalazan’ny olona an’ireny fety ireny. Tena zava-dehibe anefa ny niandohan’izy ireny. Eritrereto, ohatra, hoe mahita vatomamy ao anaty tatatra ianao. Handeha haka an’ilay izy ve ianao dia hihinana azy? Mazava ho azy fa tsia, satria maloto ilay izy. Mety hahafinaritra koa ny mankalaza an’ireny fety ireny, nefa fanompoan-tsampy no niandohan’izy ireny. Raha te hiandany amin’ny fivavahana marina àry isika, dia mila manaiky  an’ilay tenin’i Isaia mpaminany hoe: “Aza mikasika an’izay maloto.”—Isaia 52:11.

MAHAIZA MANDANJALANJA REHEFA MANAZAVA AN’IZAY INOANAO

13. Inona avy ny zava-tsarotra mety hitranga, rehefa tsy mankalaza fety sasany ianao?

13 Mety hisy zava-tsarotra hitranga rehefa tsy mankalaza fety sasany ianao. Mety ho gaga, ohatra, ny mpiara-miasa aminao hoe nahoana ianao no tsy mandray anjara amin’ny fety sasany any am-piasana. Ahoana raha misy manome fanomezana ianao rehefa Krismasy? Mety ve ny mandray an’izany? Ahoana raha tsy mitovy finoana aminao ny vadinao? Ary inona no azonao atao mba tsy hahatsiaro ho matiantoka ny zanakao satria tsy mankalaza fety?

14, 15. Inona no azonao atao raha misy miarahaba anao tratran’ny fety, na manome fanomezana anao?

14 Mahaiza àry mandanjalanja. Afaka misaotra fotsiny, ohatra, ianao rehefa misy miarahaba tratran’ny fety. Ahoana anefa raha mpiray tanàna na mpiara-miasa aminao ilay olona? Afaka manazava ianao amin’izay, saingy mila mahay mandanjalanja. Hoy ny Baiboly: “Aoka ho teny mahafinaritra sady mamy sira foana no holazainareo, mba ho fantatrareo izay tokony havalinareo ny olona tsirairay.” (Kolosianina 4:6) Mitandrema sao tsy manaja an’ilay olona, ary mahaiza mandanjalanja rehefa manazava ny zavatra inoanao. Hazavao tsara aminy fa tsy ilay mifanolotra fanomezana na miara-mikorana no tsy mety aminao, fa tianao kosa raha amin’ny fotoana hafa no manao an’izany.

15 Ahoana raha misy manome fanomezana ianao? Arakaraka ny zava-misy eo ny tokony hataonao. Mety hilaza mantsy ilay olona hoe: “Fantatro fa tsy mankalaza an’ilay fety ianao, fa mba tiako homena anao fotsiny ity.” Tsy hoe mankalaza an’ilay fety ianao amin’izay raha mandray an’ilay izy. Raha tsy mahafantatra ny zavatra inoanao anefa ilay  olona, dia azonao lazaina aminy fa tsy mankalaza an’ilay fety ianao. Mety ho azony amin’izay hoe maninona ianao no mandray an’ilay fanomezana, nefa tsy manome azy. Aleo kosa tsy mandray raha fantatrao fa te hitsapa anao fotsiny izy, satria te hampiseho fa hivadika amin’ny zavatra inoanao ianao, na hiova hevitra rehefa omena zavatra.

MIFANDRAISA TSARA AMIN’NY FIANAKAVIANAO

16. Ahoana no hahaizanao mandanjalanja amin’ny resaka fety?

16 Inona no atao raha tsy mitovy finoana aminao ny fianakavianao? Mahaiza mandanjalanja foana. Tsy ilaina hiadian-kevitra daholo izay fombafomba na fety ankalazain’ny havanao. Manan-jo hanana ny heviny izy ka hajao izany, satria tianao hanaja ny zonao koa izy ireo. (Vakio ny Matio 7:12.) Aza manao na inona na inona mety hahatonga anao handray anjara amin’ilay fety. Mahaiza anefa mandanjalanja amin’ireo zavatra tsy mifandray mivantana amin’ilay fety. Ataovy foana koa izay hananana feon’ny fieritreretana madio.—Vakio ny 1 Timoty 1:18, 19.

17. Inona no azonao atao mba tsy hahatsiaro ho matiantoka ny zanakao, rehefa mahita olona manao fety?

17 Inona no azonao atao mba tsy hahatsiaro ho matiantoka ny zanakao, satria tsy mankalaza fety tsy ara-baiboly? Tsy hahatsapa an’izany izy ireo raha manokana fotoana hiarahana mifaly aminy ianao amin’ny fotoana hafa. Manao an’izany imbetsaka ny ray aman-dreny sasany, ary manome fanomezana ho an’ny zanany. Anisan’ny fanomezana tsara indrindra azonao omena ny zanakao ny fotoananao sy ny fitiavanao ary ny fiahianao.

ARAHO NY FIVAVAHANA MARINA

Tena ho sambatra ianao rehefa manaraka ny fivavahana marina

18. Nahoana no hanampy anao hiandany amin’ny fivavahana marina ny manatrika fivoriana?

18 Raha te hampifaly an’Andriamanitra ianao, dia tsy vitan’ny hoe mila miala amin’ny fivavahan-diso, fa tsy  maintsy miandany amin’ny fivavahana marina koa. Inona no tafiditra amin’izany? Hoy ny Baiboly: ‘Aoka isika hifampihevitra mba handrisika ho amin’ny fitiavana sy ny asa tsara, ka tsy hahafoy ny fiarahantsika mivory, toy ny sasany izay efa zatra tsy mivory, fa hifampahery kosa, indrindra fa hitanareo hoe manakaiky ny andro.’ (Hebreo 10:24, 25) Fotoana mahafinaritra ahafahana manompo an’i Jehovah ny fivoriana kristianina. (Salamo 22:22; 122:1) ‘Mifampahery’ ny Kristianina rehefa any amin’ireny fivoriana ireny.—Romanina 1:12.

19. Nahoana ianao no mila miresaka amin’ny olona ny zavatra nianaranao tao amin’ny Baiboly?

19 Miandany amin’ny fivavahana marina koa ianao, rehefa resahinao amin’ny olona izay nianaranao tao amin’ny Baiboly. Olona maro no tena “misento sy mitaraina”, satria be dia be ny faharatsiana eran-tany. (Ezekiela 9:4) Mahalala olona hoatr’izany angamba ianao. Resaho aminy ny fanantenanao avy ao amin’ny Baiboly. Lasa tsy te hanao ny fanaon’ny fivavahan-diso intsony ianao amin’ny farany, rehefa miaraka amin’ny Kristianina foana sady miresaka an’ireo zavatra tsara nianaranao tao amin’ny Baiboly. Matokia fa ho sambatra ianao ary hahazo fitahiana maro, raha miandany amin’ny fivavahana marina.—Malakia 3:10.

^ feh. 9 Jereo ny Fanazavana Fanampiny, “Teraka Volana Desambra ve i Jesosy?

^ feh. 9 Anisan’ny antony nifidianana ny 25 Desambra koa ilay fetin’ny Romanina atao hoe Satiornaly. Nankalaza ny andriamanitry ny fambolena izy ireo ny 17-24 Desambra. Nanao sakafo be izy ireo, nanao lanonana, ary nifanolotra fanomezana.

^ feh. 10 Jereo ny Fanazavana Fanampiny, “Tokony Hankalaza Fety ve Isika?”, mba hahitana hoe mety amin’ny Kristianina ve ireo fety hafa fanaon’ny olona.