Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?

 FANAZAVANA FANAMPINY

Tokony Hampiasa Lakroa ve ny Kristianina?

Tokony Hampiasa Lakroa ve ny Kristianina?

MARO ny olona tia sy manaja lakroa. Milaza Ny Rakipahalalana Britannica (anglisy) fa ny lakroa no “marika mampiavaka indrindra ny fivavahana kristianina.” Mety amin’ny Kristianina ve anefa ny mampiasa lakroa?

Tsara homarihina fa tsy maty teo amin’ny lakroa i Jesosy. Matetika ilay teny grika hoe staorôs no adika hoe “lakroa.” Midika hoe “hazo mahitsy na tsato-kazo” izy io. Izao no fanazavana hita ao amin’ny Baiboly Namana (anglisy): ‘Ny hoe [staorôs] dia tsy midika mihitsy hoe vatan-kazo roa, ka ny iray mitsivalana. Tsy misy teny manondro vatan-kazo roa mihitsy ao amin’ny [Testamenta Vaovao] amin’ny teny grika.’

 Teny hafa mihitsy no ampiasain’ny mpanoratra Baiboly, mba hilazana ny fitaovana namonoana an’i Jesosy, dia ilay teny grika hoe ksylôn. (Asan’ny Apostoly 5:30; 10:39; 13:29; Galatianina 3:13; 1 Petera 2:24) Midika fotsiny izy io hoe “vatan-kazo” na “tsora-kazo, kibay, na hazo.”

Nahoana no tsato-kazo tsotra no nampiasaina rehefa nisy olona novonoina? Hoy ny boky Ny Lakroa sy ny Famantsihana teo Amin’ny Lakroa (alemà), nosoratan’i Hermann Fulda: “Tsy nisy hazo naniry indraindray teny amin’ny toerana nofidina hamonoana olona ampahibemaso. Noho izany, dia vatan-kazo tsotra no natsatoka tamin’ny tany, ary teo amin’izany ny mpandika lalàna no nahantona. Nakarina ambony ny tanany, dia nofatorana na nofantsihana, ary natao toy izany koa ny tongony matetika.”

Ao amin’ny Baiboly ny porofo mampiaiky indrindra fa tsy maty teo amin’ny lakroa i Jesosy. Hoy ny apostoly Paoly: “Nividy sy nanafaka antsika tamin’ny ozon’ny Lalàna i Kristy rehefa nanjary voaozona hisolo antsika, satria voasoratra hoe: ‘Voaozona izay mihantona eo amin’ny tsato-kazo [“hazo”, Fandikan-teny Protestanta].’” (Galatianina 3:13) Naka teny tao amin’ny Deoteronomia 21:22, 23 i Paoly teo, ary hazo no resahin’io andinin-teny io, fa tsy lakroa. Hita amin’io fa “voaozona” izay nahantona teo amin’ny hazo. Tsy tokony hataon’ny Kristianina haingon-trano àry ny sarin’i Kristy nofantsihana tamin’ny hazo fijaliana.

Tsy misy porofo hoe nampiasa lakroa ireo nilaza ho Kristianina, nandritra ireo 300 taona taorian’ny nahafatesan’i Kristy. Lasa anisan’ny Kristianina mpivadi-pinoana anefa i Constantin, mpanjaka romanina, tany amin’ireo taona 300. Ny lakroa no nampirisihany hatao marika famantarana azy ireo. Na inona na inona antony nanaovany an’izany, dia tsy nisy ifandraisany tamin’i Jesosy Kristy mihitsy ny lakroa. Avy amin’ny mpanompo sampy izy io, raha ny marina. Miaiky ny Rakipahalalana Katolika Vaovao (anglisy) hoe: “Nampiasa lakroa avokoa na ny olona talohan’ny andron’ny Kristianina na ny firenena tsy kristianina.” Boky maro no milaza fa nampiasa lakroa ny mpivavaka tamin’ny natiora. Voalaza ao amin’izy ireny koa fa nampiasa azy io ny mpanompo sampy, rehefa nanao fombafomba niharo firaisana ara-nofo.

Nahoana àry no nampirisihina hampiasa an’io marika mampiavaka ny mpanompo sampy io ny olona? Amin’izay angamba  ny mpanompo sampy hanaraka ny Fivavahana Kristianina. Voararan’ny Baiboly anefa ny mivavaka amin’izay mety ho marika mampiavaka ny mpanompo sampy. (2 Korintianina 6:14-18) Rarany koa ny fanompoan-tsampy rehetra. (Eksodosy 20:4, 5; 1 Korintianina 10:14) Misy antony àry matoa ny tena Kristianina tsy mampiasa lakroa, rehefa mivavaka. *

^ feh. 5 Misy fanazavana fanampiny momba ny lakroa ao amin’ny boky Fandresen-dahatra Miorina Amin’ny Soratra Masina, pejy 317-321, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.