Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?

 TOKO FAHA-4

Iza i Jesosy Kristy?

Iza i Jesosy Kristy?
  • Inona ny andraikitra manokana nanendrena an’i Jesosy?

  • Avy aiza izy?

  • Olona nanao ahoana izy?

1, 2. a) Hazavao fa tsy mitovy ny hoe mahafantatra olo-malaza iray, sy ny hoe tena mahafantatra tsara azy. b) Inona avy no lazain’ny olona momba an’i Jesosy?

BETSAKA ny olona malaza eto an-tany. Ny sasany be mpahafantatra any an-tanànany na any amin’ny taniny, fa ny sasany kosa malaza eran-tany mihitsy. Raha mahafantatra anaran’olona malaza iray anefa ianao, dia tsy midika izany hoe tena fantatrao tsara izy. Mety tsy ho fantatrao amin’ny an-tsipiriany ny fiainany sy ny tena toetrany.

2 Samy efa naheno momba an’i Jesosy Kristy ny olona eran-tany, na dia efa 2000 taona teo ho eo aza izy no tetỳ. Betsaka anefa no tsy tena mahafantatra tsara azy. Misy milaza fa olona tsara fanahy fotsiny izy. Ny sasany indray miteny fa mpaminany fotsiny izy. Misy koa anefa miteny hoe Andriamanitra i Jesosy ka tokony hivavahana. Marina ve izany?

3. Nahoana ianao no tena tokony hahalala ny marina momba an’i Jehovah Andriamanitra sy Jesosy Kristy?

3 Tokony hahalala ny marina momba an’i Jesosy ianao. Nahoana? Satria hoy ny Baiboly: “Mba hahazoan’izy ireo fiainana mandrakizay, dia ilainy ny mianatra hahalala anao, ilay hany tena Andriamanitra, sy Jesosy Kristy, ilay nirahinao.” (Jaona 17:3) Afaka  ny hiaina mandrakizay ao amin’ny tany paradisa isika, raha mahalala ny marina momba an’i Jehovah Andriamanitra sy Jesosy Kristy. (Jaona 14:6) Tena modely koa i Jesosy rehefa jerena ny fomba fiainany sy ny fifandraisany tamin’ny olona. (Jaona 13:34, 35) Nianatra ny marina momba an’Andriamanitra isika tao amin’ny toko voalohany. Hojerentsika indray izao hoe inona marina no ampianarin’ny Baiboly momba an’i Jesosy Kristy.

ILAY MESIA NAMPANANTENAINA

4. Inona ny dikan’ny hoe “Mesia” na “Kristy”?

4 Ela be talohan’ny nahaterahan’i Jesosy no efa nilaza ny Baiboly fa hisy Mesia na Kristy hirahin’Andriamanitra. Samy midika hoe “Voahosotra”  ny hoe “Mesia” (avy amin’ny teny hebreo) sy “Kristy” (avy amin’ny teny grika). Ho voahosotra io Mesia io, izany hoe hotendren’Andriamanitra mba hanatanteraka andraikitra manokana. Hianarantsika any aoriana fa manana anjara asa lehibe ny Mesia, satria hanatanteraka ny zavatra nampanantenain’Andriamanitra. Ho hitantsika koa fa be dia be ny fitahiana azontsika dieny izao, noho ny nataon’i Jesosy. Talohan’ny nahaterahan’i Jesosy anefa, dia betsaka ny olona nieritreritra hoe: ‘Iza àry no ho Mesia?’

5. Resy lahatra momba ny inona ny mpianatr’i Jesosy?

5 Resy lahatra tanteraka ny mpianatr’i Jesosy tamin’ny taonjato voalohany fa izy no Mesia. (Jaona 1:41) Niaiky, ohatra, i Simona Petera rehefa niresaka tamin’i Jesosy fa ‘izy no Kristy.’ (Matio 16:16) Nahoana izy ireo no natoky fa i Jesosy avy any Nazareta tokoa no Mesia nampanantenaina? Nahoana koa isika no mahazo antoka an’izany?

6. Inona no nataon’i Jehovah mba hanampiana ny olona hahafantatra ny Mesia? Hazavao amin’ny ohatra.

6 Nilaza zavatra maro momba ny Mesia ny mpaminany fahiny, ka ireny no hamantaran’ny olona azy. Eritrereto, ohatra, hoe asaina mitsena olona any amin’ny taxi-brousse, na gara, na seranam-piaramanidina feno olona ianao. Mbola tsy hitanao mihitsy anefa ilay olona. Azo antoka fa ho mora kokoa aminao ny hamantatra azy, raha efa nolazaina taminao ny mombamomba azy. Toy izany koa fa nasain’i Jehovah nosoratan’ny mpaminany ao amin’ny Baiboly ny mombamomba ny Mesia, ohatra hoe inona no hataony ary inona no hanjo azy. Tanteraka ireny faminaniana ireny, ka izany no nanampy ny olona hahafantatra azy.

7. Milazà faminaniana roa tanteraka tamin’i Jesosy.

7 Hijery faminaniana roa fotsiny isika. Efa nolazain’i Mika mpaminany 700 taona mialoha, ohatra, fa ho  teraka any Betlehema, tanàna kely any Joda, ilay Mesia. (Mika 5:2) Tena tao amin’io tanàna io tokoa i Jesosy no teraka! (Matio 2:1, 3-9) Efa nolazain’ny Daniela 9:25 taonjato maro mialoha koa ny taona hisehoan’ilay Mesia, dia ny taona 29. * Tanteraka ireo faminaniana ireo sy ny faminaniana hafa, ka voaporofo fa i Jesosy tokoa ilay Mesia nampanantenaina.

Lasa Mesia, na Kristy, i Jesosy tamin’izy natao batisa

8, 9. Inona no nanaporofo fa i Jesosy tokoa no Mesia, tamin’izy natao batisa?

8 Vao mainka voaporofo fa i Jesosy no Mesia, tamin’ny faramparan’ny taona 29. Nankany amin’i Jaona Mpanao Batisa izy tamin’izay, mba hatao batisa tao amin’ny Reniranon’i Jordana. Efa nampanantena i Jehovah fa hanome famantarana an’i Jaona, mba hahalalany hoe iza ilay Mesia. Hitan’i Jaona izany tamin’i Jesosy natao batisa. Hoy ny Baiboly: “Raha vao vita batisa i Jesosy, dia niakatra avy tao amin’ny rano. Ary nisokatra ny lanitra, ka hitan’i Jaona ny fanahin’Andriamanitra, nidina toy ny voromailala nankeo ambonin’i Jesosy. Injay koa nisy feo avy any an-danitra nanao hoe: ‘Io no Zanako malalako, izay sitrako.’” (Matio 3:16, 17) Resy lahatra àry i Jaona hoe Andriamanitra no naniraka an’i Jesosy, rehefa nahita sy naheno an’izany. (Jaona 1:32-34) Rehefa nilatsahan’ny fanahin’Andriamanitra na ny hery ampiasainy i Jesosy, dia lasa Mesia, na Kristy, izany hoe voatendry ho Mpitarika sy Mpanjaka.—Isaia 55:4.

9 Ilay tenin’i Jehovah avy any an-danitra sy ireo faminaniana tanteraka tamin’i Jesosy, dia samy manaporofo fa izy tokoa no Mesia nampanantenaina. Tena ilaintsika fantarina koa anefa hoe avy aiza i Jesosy, ary olona nanao ahoana izy. Valiana ao amin’ny Baiboly izany.

 AVY AIZA I JESOSY?

10. Inona no lazain’ny Baiboly momba ny fiainan’i Jesosy talohan’ny nahatongavany tetỳ an-tany?

10 Milaza ny Baiboly fa niaina tany an-danitra i Jesosy talohan’ny nahatongavany tetỳ an-tany. Naminany i Mika fa ho teraka any Betlehema ny Mesia, ary efa nisy “hatramin’ny taloha ela be” izy. (Mika 5:2) Imbetsaka i Jesosy no nilaza fa efa tany an-danitra izy, talohan’izy lasa olombelona teto an-tany. (Vakio ny Jaona 3:13; 6:38, 62; 17:4, 5) Tena nifandray be izy sy Jehovah, tamin’izy anjely tany an-danitra.

11. Ahoana no ampisehoan’ny Baiboly fa i Jesosy no Zanak’i Jehovah tena tiany indrindra?

11 I Jesosy no Zanak’i Jehovah tiany indrindra. Nahoana? Satria izy no noforoniny voalohany, * ka antsoina hoe “lahimatoa amin’ny zavaboary rehetra.” (Kolosianina 1:15) Miavaka koa izy satria “Zanany lahitokana.” (Jaona 3:16) Midika izany fa i Jesosy ihany no noforonin’Andriamanitra mivantana. Izy irery koa no nampiasain’Andriamanitra mba hamoronana ny zavatra hafa rehetra. (Kolosianina 1:16) Antsoina hoe “ny Teny” koa i Jesosy. (Jaona 1:14) Midika izany fa mpitondra tenin’Andriamanitra izy. Azo antoka fa izy no nampita ny hafatra sy ny toromariky ny Ray tamin’ny zanany hafa, dia ny anjely sy ny olombelona.

12. Porofoy fa samy hafa Andriamanitra sy ilay Zanaka lahimatoa.

12 Misy mino fa mitovy ihany Andriamanitra sy ilay Zanaka lahimatoa. Tsy izany anefa no lazain’ny Baiboly. Noforonina io Zanaka io, araka ny efa hitantsika. Nanam-piandohana àry izy, fa i Jehovah Andriamanitra kosa tsy nanam-piandohana sady tsy hanam-piafarana. (Salamo 90:2) Tsy nieritreritra ny hitovy amin’ny Rainy mihitsy  ilay Zanaka lahitokana. Milaza mazava ny Baiboly fa ny Ray dia lehibe noho ny Zanaka. (Vakio ny Jaona 14:28; 1 Korintianina 11:3) I Jehovah irery koa no “Andriamanitra Mahery Indrindra.” (Genesisy 17:1) Tsy misy mitovy aminy mihitsy àry. *

13. Inona ny dikan’ny hoe “endrik’ilay Andriamanitra tsy hita maso” ny Zanaka?

13 Niaraka akaiky i Jehovah sy ilay Zanany lahimatoa, nandritra ny an’arivony tapitrisa taona, ela be talohan’ny namoronana ny lanitra feno kintana sy ny tany. Azo antoka fa nifankatia be mihitsy izy mianaka! (Jaona 3:35; 14:31) Tsy nisy hafa tamin’ny Rainy io Zanany io. Izany no iantsoan’ny Baiboly azy hoe “endrik’ilay Andriamanitra tsy hita maso.” (Kolosianina 1:15) Mety hisy zavatra maro, ohatra, mampitovy ny ankizy amin’ny rainy. Toy izany koa fa tena nanahaka ny toetran’ny Rainy io Zanany io.

14. Ahoana no nahatonga ny Zanak’i Jehovah ho lasa olombelona?

14 Nanaiky hiala tany an-danitra ilay Zanaka lahitokan’i Jehovah, ka nidina tetỳ an-tany. Mety hieritreritra anefa ianao hoe: ‘Ahoana no nahafahan’ny anjely ho lasa olombelona?’ Nanao fahagagana i Jehovah mba hanaovana an’izany. Nafindrany tao an-kibon’i Maria, Jiosy mbola virjiny, ny ain’io Zanany io. Tsy olombelona àry ny rain’io Zanany io. Lavorary ilay zaza, ary nantsoin’i Maria hoe Jesosy.—Lioka 1:30-35.

OLONA NANAO AHOANA I JESOSY?

15. Nahoana isika no hahafantatra tsara kokoa an’i Jehovah raha mahalala an’i Jesosy?

15 Manampy antsika hahalala tsara an’i Jesosy ny zavatra nolazainy sy nataony. Hahafantatra tsara kokoa an’i Jehovah koa isika, rehefa mahalala azy. Nahoana? Hitantsika teo fa mitovy tanteraka amin’ny toetran’ny Rainy ny toetran’ io Zanany io. Izany no nahatonga an’i Jesosy hiteny hoe: “Izay nahita ahy dia nahita ny Ray koa.” (Jaona 14:9) Miresaka be momba ny fiainan’i Jesosy Kristy sy ny asany ary ny toetrany, ny boky efatra ao amin’ny Baiboly, dia ny Filazantsaran’i Matio, Marka, Lioka, ary Jaona.

16. Inona no tena nampianarin’i Jesosy, ary avy amin’iza ny fampianarany?

16 “Mpampianatra” no tena nahafantarana an’i Jesosy. (Jaona 1:38; 13:13) Inona no tena nampianariny? “Ny vaovao tsaran’ilay fanjakana”, izany hoe ny Fanjakan’Andriamanitra any an-danitra. (Matio 4:23) Izy io no hitondra ny tany manontolo sy hanome fitahiana mandrakizay ho an’ny olona mankatò. Avy amin’iza izany fampianarana izany? Hoy i Jesosy: “Tsy ahy ny fampianarako, fa an’ilay naniraka ahy”, izany hoe i Jehovah. (Jaona 7:16) Fantatr’i Jesosy fa tian’ny Rainy handre ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana ny olona. Ho hitantsika ao amin’ny Toko faha-8 ny momba an’io Fanjakana io sy izay hataony.

17. Taiza i Jesosy no nampianatra, ary nahoana izy no niezaka mafy nanao an’izany?

17 Taiza i Jesosy no nampianatra? Tany amin’izay rehetra nisy olona, na ambanivohitra izany, na tanàna kely sy lehibe, na tsena, na tranon’olona. Tsy niandry ny olona hanatona azy izy, fa izy mihitsy no nanatona azy ireo. (Marka 6:56; Lioka 19:5, 6) Nahoana i Jesosy no niezaka mafy sy nandany fotoana be hoatr’izany mba hitoriana sy hampianarana? Satria izany no sitrapon’Andriamanitra, ary nanao ny sitrapon’ny Rainy foana izy. (Jaona 8:28, 29) Nisy antony hafa koa anefa. Nangoraka ny olona tonga nanatona azy izy. (Vakio ny Matio 9:35, 36.) Tsy niraharaha azy ireny mantsy ny mpitondra fivavahana, nefa izy ireo no tokony ho nampianatra azy ireny ny marina momba an’Andriamanitra sy ny fikasany. Fantatr’i Jesosy fa tena nila nandre ny hafatra momba ilay Fanjakana ny olona.

18. Inona ny toetran’i Jesosy tianao indrindra?

 18 Tena tia olona i Jesosy sady be fiahiana. Tsara fanahy izy, ka tsy nihafahafa ny olona nanatona azy. Na ny ankizy aza tsy sadaikatra niaraka taminy. (Marka 10:13-16) Tsy nanavakavaka i Jesosy. Halany ny tsolotra sy ny tsy rariny. (Matio 21:12, 13) Nanome voninahitra ny vehivavy izy, na dia tsy nohajaina sy tsy nanan-jo firy aza izy ireny tamin’izany. (Jaona 4:9, 27) Tena nanetry tena koa i Jesosy. Nanasa ny tongotry ny apostoliny izy, indray mandeha, na dia ny mpanompo aza matetika no nanao an’izany.

Nitory tany amin’izay toerana rehetra nisy olona i Jesosy

19. Hazavao amin’ny ohatra fa niahy izay hahasoa ny hafa i Jesosy.

19 Niahy izay hahasoa ny hafa foana i Jesosy. Ahoana no ahalalantsika izany? Nampiasa ny fanahy masin’Andriamanitra izy ka nanao fahagagana mba hanasitranana ny marary. (Matio 14:14) Tonga tany aminy, indray mandeha, ny lehilahy iray boka, ka niteny hoe: “Raha mba sitrakao fotsiny mantsy ny hanadio ahy, dia ho vitanao izany.” Tsapan’i Jesosy fa nanaintaina sy nijaly ilay lehilahy. Nangoraka  àry izy ka nanatsotra ny tanany sady nikasika azy. Hoy izy: “Sitrako tokoa. Madiova ianao.” Sitrana ilay boka. (Marka 1:40-42) Alao sary an-tsaina ange ny hafalian’io lehilahy io tamin’izay e!

TSY NIVADIKA MANDRA-PAHAFATINY

20, 21. Porofoy fa tsy nivadika tamin’Andriamanitra mihitsy i Jesosy.

20 Tena fakan-tahaka i Jesosy satria nankatò an’Andriamanitra foana. Tsy nivadika tamin’ilay Rainy any an-danitra mihitsy izy na inona na inona zavatra nitranga taminy, ary na inona na inona fanoherana sy fijaliana nanjo azy. Hentitra i Jesosy ka nahavita nanda ny fakam-panahy rehetra nataon’i Satana. (Matio 4:1-11) Nisy fotoana tsy nino azy ny havany, ary niteny mihitsy aza hoe: “Voa ny sainy.” (Marka 3:21) Tsy nampiova hevitra an’i Jesosy anefa izany, fa nataony foana ny asan’Andriamanitra. Nambanin’ny olona sy nampijaliny i Jesosy nefa tsy namaly. Tsy nitady hanisy ratsy ny mpanohitra azy mihitsy izy.—1 Petera 2:21-23.

 21 Tsy nivadika mandra-pahafatiny i Jesosy, na dia nampijalijalin’ny fahavalony aza. (Vakio ny Filipianina 2:8.) Eritrereto ange ny zavatra niaretany, tamin’ilay andro nahafatesany e! Nosamborina izy, nampangain’ny vavolombelona nandainga, nomelohin’ny mpitsara niangatra, nihomehezan’ny olona, ary nampijalijalin’ny miaramila. Nofantsihana teo amin’ny hazo fijaliana izy, ary rehefa hiala aina dia niteny hoe: “Vita!” (Jaona 19:30) Natsangan’ilay Rainy tamin’ny maty anefa izy, rehefa afaka telo andro, ka lasa fanahy indray. (1 Petera 3:18) Niverina tany an-danitra izy, herinandro vitsivitsy tatỳ aoriana. “Nipetraka teo ankavanan’Andriamanitra izy”, ary niandry ny fotoana hanendrena azy ho Mpanjaka.—Hebreo 10:12, 13.

22. Inona ny soa azontsika noho i Jesosy tsy nivadika mandra-pahafatiny?

22 Inona ny soa azontsika noho i Jesosy tsy nivadika mihitsy ary maty ho antsika? Lasa afaka ny hiaina mandrakizay ao amin’ny tany paradisa isika, araka ilay fikasan’i Jehovah tamin’ny voalohany. Hodinihintsika ao amin’ny toko manaraka izany.

^ feh. 7 Manazava ny faminanian’i Daniela tanteraka tamin’i Jesosy ny Fanazavana Fanampiny, “Naminany ny Hahatongavan’ny Mesia i Daniela.”

^ feh. 11 Antsoina hoe Ray i Jehovah, satria izy no Mpamorona. (Isaia 64:8) Antsoina hoe Zanak’Andriamanitra àry i Jesosy, satria noforonin’Andriamanitra. Izany koa no antony iantsoana an’ireo anjely hafa sy Adama hoe zanak’Andriamanitra.—Joba 1:6; Lioka 3:38.

^ feh. 12 Jereo ny Fanazavana Fanampiny, “Ny Marina Momba ny Ray, ny Zanaka, ary ny Fanahy Masina,” mba hahitana porofo hafa fa tsy mitovy amin’Andriamanitra ilay Zanaka lahimatoa.