Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?

 FANAZAVANA FANAMPINY

Manana Fanahy Tsy Mety Maty Tokoa ve ny Olona?

Manana Fanahy Tsy Mety Maty Tokoa ve ny Olona?

MARO no mino fa misy zavatra tsy hita maso sy tsy mety maty ao anatintsika. Misaraka amin’ny vatana, hono, izy io rehefa maty ny olona ary mbola velona any ankoatra. Miely be io finoana io, ka maro no gaga rehefa mahalala fa tsy mampianatra an’izany ny Baiboly. Inona kosa no lazain’ny Baiboly fa mitranga amintsika rehefa maty isika?

NY TENY HOE NEFESH SY PSYKÈ AO AMIN’NY BAIBOLY

Tadidinao angamba fa nosoratana tamin’ny teny hebreo sy grika ny Baiboly voalohany. Adika hoe “olona”, “aina”, “biby”,  na “fanahy” ilay teny hebreo hoe nefesh sy ilay teny grika hoe psykè, ao amin’ny Baiboly malagasy. Im-800 mahery no miverimberina ny teny hoe nefesh sy psykè ao amin’ny Soratra Masina, ary manondro 1) olona, na 2) biby, na 3) ain’olona na ain’ny biby izy ireo. Handinika andinin-teny ahitana an’ireo heviny telo ireo isika.

Olona. ‘Tamin’ny andron’i Noa, dia olom-bitsy, eny, olona [psykè] valo no nentin’ny sambofiara ka tafita soa aman-tsara avy tamin’ny rano.’ (1 Petera 3:20) Ilay teny grika hoe psykè dia nadika hoe olona, izany hoe ry Noa mivady, ny zanany telo lahy ary ny vadin’izy ireo avy. Hoy koa ny Eksodosy 1:5: “Fitopolo ny isan’ny olona [nefesh] rehetra naterak’i Jakoba.” Niisa 70 àry ny zanaka aman-jafin’i Jakoba. Adika hoe olona koa ny teny hoe nefesh sy psykè ao amin’ny andinin-teny hafa, toy ny Eksodosy 12:4, Josoa 11:11, Romanina 13:1, ary 2 Petera 2:14.

Biby. Hoy ny tantara momba ny famoronana: “Ary hoy koa Andriamanitra: ‘Aoka hisy zavamananaina [nefesh] be dia be hifanaretsaka ao anaty rano, ary aoka hisy biby manidina hanidintsidina eny ambonin’ny tany, eo amin’ny habakabaky ny lanitra.’ Ary hoy koa Andriamanitra: ‘Aoka ny tany hamoaka zavamananaina [nefesh] araka ny karazany avy, dia biby fiompy sy biby mandady ary bibidia eny ambonin’ny tany, samy araka ny karazany avy.’ Dia nisy izany.” (Genesisy 1:20, 24) Antsoina hoe nefesh avokoa ny trondro, biby fiompy, ary bibidia ao amin’ireo andinin-teny ireo. Antsoina hoe nefesh ny vorona sy ny biby hafa ao amin’ny Genesisy 9:10 sy Levitikosy 11:10, 46.

Aina. Midika hoe aina indraindray ny teny hoe nefesh sy psykè. Hoy i Jehovah tamin’i Mosesy: “Efa maty daholo ireo olona nifofo ny ainao [nefesh].” (Eksodosy 4:19) Voalaza koa fa rehefa niteraka an’i Benjamina i Rahely, dia ‘niala aina [nefesh] (maty izy).’ (Genesisy 35:16-19) Hoy koa i Jesosy: “Izaho no mpiandry tena tsara. Ny mpiandry tena tsara mahafoy ny ainy [psykè] ho an’ny ondry.” (Jaona 10:11) Nanome ny ainy, na psykè, ho an’ny olona i Jesosy. Hita amin’ireo andinin-teny ireo fa midika hoe aina ny teny hoe nefesh sy psykè. Izany koa  no hita ao amin’ny Mpitsara 5:18, Matio 10:39, Jaona 15:13, ary 1 Jaona 3:16.

Ho hitanao rehefa mandalina ny Baiboly ianao, fa tsy ampiarahina amin’ny teny hoe “tsy mety maty” na “mandrakizay” mihitsy ny nefesh sy psykè. Milaza kosa ny Soratra Masina fa mety maty ny fanahy [nefesh]. (Ezekiela 18:4, 20) Noho izany, dia antsoin’ny Baiboly hoe nefesh maty ny olona maty. Tsy misy na inona na inona velona intsony ao aminy, aorian’ny fahafatesana.—Mpitoriteny 9:5, 10.

NY TENY HOE ROAH SY PNEOMA AO AMIN’NY BAIBOLY

Adika hoe “fanahy”, “aina”, na “fofonaina” ny teny hebreo hoe roah sy ny teny grika hoe pneoma ao amin’ny Baiboly sasany. Manondro ny hery mamelona ny zavaboary eto an-tany ny hoe roah sy pneoma, raha jerena ny teny nanoratana ny Baiboly voalohany. Izao, ohatra, no voalazan’ny Salamo 104:29: “Raha esorinao [Jehovah] ny hery mamelona [roah] azy, dia tapitra ny ainy, ka miverina ho vovoka izy.” Milaza koa ny Lioka 8:55 fa “nody indray ny ainy [pneoma], ka niarina avy hatrany izy.” Araka ireo andinin-teny ireo, dia ny roah sy pneoma no mahatonga ny vatana ho velona. Maty ny vatana raha tsy misy azy io. Izany no antony nandikana ilay teny roah hoe ‘fofonaina’ fa tsy hoe ‘fanahy’, ao amin’ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao. Izao, ohatra, no nolazain’Andriamanitra momba ny Safodrano tamin’ny andron’i Noa: “Hahatonga safodrano eny ambonin’ny tany aho, mba handringanana ny nofo rehetra manam-pofonaina [roah] tsy ho eny ambanin’ny lanitra.” (Genesisy 6:17; 7:15, 22) Ilay hery tsy hita maso mamelona ny zavaboary rehetra àry no atao hoe roah sy pneoma.

Tsy velona ny vatana raha tsy misy hery mamelona, tsy misy hafa amin’ny radio izay tsy velona raha tsy misy herinaratra. Eritrereto, ohatra, ny radio kely iray. Inona no mitranga rehefa asianao pila ilay izy, ary alefanao? Mamelona an’ilay radio ny herinaratra voatahiry ao amin’ireo pila. Maty kosa ilay radio, raha tsy misy pila. Maty koa ny radio mandeha amin’ny herinaratra, rehefa tsoahana ny prizy. Hoatr’izany koa fa ny  hery mamelona no mahatonga ny vatana ho velona. Tsy mahatsapa na inona na inona anefa io hery io, sady tsy afaka mieritreritra sy tsy manana ny maha izy azy, toy ny herinaratra ihany. Maty isika raha tsy misy an’ilay hery mamelona intsony ao amin’ny vatantsika. ‘Tapitra ny aintsika’, araka ny tenin’ilay mpanao salamo, “ka miverina ho vovoka” isika.

Hoy ny Mpitoriteny 12:7 momba ny maty: “Hiverina amin’ny tany toy ny teo aloha ny vovoka [nanaovana ny vatany], fa ny hery mamelona [roah] kosa hiverina amin’Andriamanitra izay nanome izany.” Maty sy miverina ho amin’ny tany nakana azy ny vatana, rehefa miala aminy ilay hery mamelona azy. Miverina amin’Andriamanitra, izay nanome azy, io hery io. (Joba 34:14, 15; Salamo 36:9) Tsy midika akory izany hoe mamakivaky ny lanitra ara-bakiteny izy io, fa kosa hoe miankina amin’i Jehovah Andriamanitra no hahafahan’ilay olona ho velona indray, raha maty izy. Toy ny hoe eo am-pelatanan’Andriamanitra ny ainy. Izy ihany no afaka mamerina ny hery mamelona ao amin’ilay olona, mba hahavelona azy indray.

Tena mampahery ny mahalala fa izany mihitsy no hataon’Andriamanitra ho an’ireo matory “any am-pasana.” (Jaona 5:28, 29) Rehefa tonga ny fotoana hananganana ny maty, dia homeny vatana vaovao ilay olona. Hasiany hery mamelona indray ao amin’ny vatan’izy ireo, mba hahavelomany. Tena hahafaly izany!

Raha tianao ho fantatra tsara kokoa ny hevitry ny hoe “fanahy”, dia jereo ny bokikely Inona no Mitranga Amintsika Rehefa Maty Isika?, sy ny boky Fandresen-dahatra Miorina Amin’ny Soratra Masina, pejy 159-163 sy 433-438, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.