Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vavolombelon’i Jehovah

Hifidy fiteny Malagasy

 FANONTANIANA 4

Iray Ihany ve ny Razamben’ny Zavamananaina Rehetra?

Iray Ihany ve ny Razamben’ny Zavamananaina Rehetra?

Nihevitra i Darwin fa iray ihany ny razamben’ny zavamananaina rehetra. Nampiasa sarina hazo izy mba hanazavana izany. Nohazavain’ny mpahay siansa bebe kokoa ilay izy, tatỳ aoriana. Hazo kely mbola tsy nisy rantsany, hono, no nisy tamin’ny voalohany, izany hoe sela tsotra. Nisy sampany sy rantsany ary tahony ilay hazo avy eo. Toy izany koa fa nivoatra miandalana sy nizarazara, hono, ilay sela, ka nanome an’ireo karazana zavamananaina misy ankehitriny. Marina ve izany?

Inona no lazain’ny mpahay siansa maro? Iray, hono, ny razamben’ny zavamananaina rehetra, rehefa jerena ny fôsily, izany hoe ny sisan-javamaniry sy taolam-biby fahiny. Manaporofo izany koa, hono, ny ADN. Mitovitovy mantsy ny ADN ao amin’ny zavamananaina rehetra.

Inona no lazain’ny Baiboly? Milaza ny Genesisy fa noforonina “araka ny karazany avy” ny zavamaniry, biby any an-dranomasina sy an-tanety, ary ny vorona. (Genesisy 1:12, 20-25) Manana heviny roa ilay hoe “araka ny karazany avy.” Voalohany, isan-karazany ny biby sy zavamaniry, ka na ireo iray karazana aza mety hisy tsy itovizany ihany. Faharoa, misy biby tena tsy mitovy karazana mihitsy ary tsy afaka mifanambady. Hita avy amin’ny fitantaran’ny Baiboly koa fa tsy nivoatra miandalana ny zavamananaina, fa nisy tampoka sady efa nanana vatana feno.

Inona no tena marina? Ny tenin’ny Baiboly sa ny hevitr’i Darwin? Inona no hita avy amin’ireo fikarohana natao nandritra ny 150 taona?

HITA FA DISO HEVITRA I DARWIN

Nampitaha ny ADN tao amin’ny biby maromaro ny mpahay siansa. Nampitahainy koa ny an’ny zavamaniry, ary ny an’ny zavamananaina tokan-tsela. Ho voaporofo, hono, amin’izay fa marina ny fampianaran’i Darwin. Tsy izany anefa no nitranga.

Inona no hitan’izy ireo avy tamin’ilay fikarohana? Hoy i Malcolm Gordon, mpikaroka momba ny zavamananaina, tamin’ny 1999: “Toa tsy iray ihany fa samy hafa ny razamben’ny zavamananaina.” Hoy ihany izy momba ny fampianaran’i Darwin: ‘Toa tsy marina ilay fampianarana nisy hatramin’izay hoe iray ny razamben’ny fianakaviamben’ny biby. Toa tsy  iray koa ny razamben’ny biby iray tarika.’29 *

Hita avy amin’ny fikarohana vao haingana koa fa diso ny fampianaran’i Darwin. Izao, ohatra, no tenin’i Eric Bapteste, mpahay siansa mino ny evolisiona, tao amin’ny gazety Mpahay Siansa Vaovao (anglisy), tamin’ny 2009: “Tsy misy porofo mihitsy hoe iray ihany ny razamben’ny zavamananaina.”30 Hoy koa i Michael Rose, mpikaroka mino ny evolisiona, tao amin’io gazety io: ‘Efa nialantsika tsikelikely io fampianaran’i Darwin io, satria fantatsika rehetra fa tsy ahitana porofo. Mbola tsy ekentsika anefa hoe ny fampianarantsika momba ny evolisiona mihitsy no mila ovana.’31 *

INONA NO HITA AVY AMIN’NY FÔSILY?

Maro ny mpahay siansa milaza fa tena iray ny razamben’ny zavamananaina, rehefa jerena ireo fôsily. Hita avy amin’izy ireny, hono, hoe ny trondro no lasa biby iray tarika amin’ny sahona, ary ny biby mandady no lasa biby mampinono. Inona anefa no tena marina?

Hoy i David Raup, manam-pahaizana momba ny fôsily: “Tsy nahita porofo mihitsy ny mpikaroka ankehitriny sy tamin’ny andron’i Darwin hoe nivoatra miandalana ny zavamananaina. Nifanohitra tanteraka tamin’izany ny zavatra hitany. Nisy tampoka ny karazam-biby ary zara raha niova na tsy niova mihitsy. Betsaka koa no lany tamingana.”32

Hita avy tamin’ny ankamaroan’ny fôsily fa tsy niova mihitsy ny biby, nandritra ny fotoana ela be. Tsy niova miandalana ho karazany hafa izy ireo. Efa samy nanana ny vatana mampiavaka azy izy ireo rehefa nisy. Mbola hafa tanteraka koa izay biby nisy tatỳ aoriana. Jereo, ohatra, ny ramanavy, izay biby mahay mampiasa ako. Mbola tsy voaporofo hoe nisy nitovitovy taminy fahiny, ka azo lazaina hoe razambeny.

Toa ny ankamaroan’ny karazam-biby mihitsy aza no nipoitra tao anatin’ny fotoana fohy. Antsoin’ny manam-pahaizana hoe Vanim-potoana Cambrien ilay fotoana nipoiran’izy ireo. Oviana izany?

Andeha hatao hoe mitovy halava amin’ny kianja fanaovam-baolina (1) ny halavan’ny fotoana efa nisian’ny tany. Mirefy 120 metatra eo ho eo ny lavan’io kianja io. Aiza ho aiza eo ny Vanim-potoana Cambrien? Eo amin’ny faha-105 metatra. Tao anatin’io vanim-potoana io no nisy tampoka ny ankamaroan’ny karazam-biby. Fotoana fohy ihany anefa izany. Mba hahatakaranao an’izany, dia aoka hatao hoe nandeha an-tongotra avy any amin’ny ilany iray amin’ilay kianja ianao, ary tonga teo amin’ilay Vanim-potoana Cambrien (2). Vao nanomboka nanainga tongotra fotsiny ianao rehefa tonga teo, dia efa nisy daholo ireo biby isan-karazany!

Lasa mampisalasala ny mpikaroka sasany mino ny evolisiona àry ny fampianaran’i Darwin. Nilaza, ohatra, i Stuart Newman, tamin’ny 2008, fa mila havaozina ny fampianarana momba ny evolisiona. Hita mantsy, hoy izy, fa nisy biby  nipoitra tampoka, ka mila hazavaina ny anton’izany. Hoy ihany izy: “Nampiasaina foana ny fampianaran’i Darwin, mba hanaporofoana fa misy ny evolisiona, na ilay fiovana lehibe eo amin’ny zavamananaina iray, ka nahatonga azy ho zavamananaina hafa. Mino anefa aho fa tsy ho ela dia tsy hasian’ny olona vidiny firy intsony izy io, tsy misy hafa amin’ireo fampianarana hafa nentina nanaporofoana ny evolisiona.”33

“POROFO” MAMPISALASALA

Nahoana no ovan’ny mpahay siansa ny haben’ireo sarina fôsily, rehefa alahany ao anaty boky?

Ambony ankavia: Haben’ny fôsily aseho ao amin’ny boky sasany

Ambony ankavanana: Tena habeny

Ahoana àry ny amin’ireo fôsily nentina nanaporofoana fa ny trondro no lasa biby iray tarika amin’ny sahona, ary ny biby mandady no lasa biby mampinono? Manaporofo tokoa ve izy ireny fa tena misy ny evolisiona? Tsia. Mbola betsaka mantsy ny zavatra mampisalasala.

Voalohany, mody ataon’ny mpahay siansa mitovitovy habe ireo sarina fôsily alahany ao anaty boky, mba hanaporofoany fa niova ho biby mampinono ny biby mandady. Ngezabe anefa ny biby sasany, raha ny marina, ary ny sasany kosa kely.

Faharoa, tsy voaporofo hoe misy ifandraisany ireo biby ireo. Efa nisy an-tapitrisany taona mantsy ny sasany vao nisy ny hafa, araka ny tombantomban’ny mpahay siansa. Hoy i Henry Gee, manam-pahaizana momba ny biby: “Nifanalavitra be ny fotoana niainan’ireo biby, ka tsy hita amin’ny fôsilin’izy ireo izay ifandraisany, izany hoe iza no razamben’iza ary iza no taranak’iza.”34 *

Izao no tenin’i Malcolm Gordon momba ny fôsilin’ny trondro sy ny biby iray tarika amin’ny sahona: ‘Tena vitsy kely ny fôsily ananantsika, nefa tsy tambo isaina ny karazam-biby nisy fahiny. Tsy misy fomba ahalalana mihitsy àry hoe niova kely sa niova be  ireo biby ireo, sa tsy niova mihitsy. Tsy fantatra koa hoe inona no itovizany.’35 *

INONA NO HITA AMIN’IREO “SARY”?

Nilaza ny gazety Vaovao Momba ny Tany (anglisy), tamin’ny 2004, fa toy ny hoe “filma entina hanaporofoana ny evolisiona” ny fôsily. Ny ampahany kely amin’ilay filma ihany anefa no manohana ny fampianarana momba ny evolisiona.36

Hita avy amin’ireo “sary 95”, na ny ankamaroan’ireo fôsily, fa tsy niova ho biby hafa ny biby iray. Nahoana anefa ny mpahay siansa no tsy mety miova hevitra, nefa “sary 5” fotsiny, izany hoe porofo faran’izay kely, no ananany?

Sary amin’ny pelikiolina no nanaovana filma taloha. Aoka hatao hoe nampiasana sary 100 000 ny filma iray. Nisy olona iray mba te hamantatra ny votoatin’ilay filma, nefa sary 100 tamin’ilay pelikiolina ihany no nisy. Mbola tsy nijery azy ireo akory izy, dia efa naminavina hoe toy izao sy toy izao ny fizotran’ilay filma. Rehefa nojerena ireo sary, dia ny dimy taminy ihany no nanamarina ny eritreriny. Hita tamin’ireo sary 95 kosa fa hafa tanteraka ny votoatin’ilay filma. Mety ve raha mbola manizingizina ihany izy hoe marina ny heviny, na dia sary dimy monja aza no porofo ananany? Sao dia mba nalahany araka izay tiany fotsiny ireo sary dimy, mba hifanaraka amin’ny eritreriny? Tsy tsara kokoa ve raha miaiky izy hoe hafa noho ny tao an-tsainy ilay filma, araka ny hita avy amin’ireo sary 95?

Toa an’io olona manizingizina ny heviny io ireo mpino ny evolisiona. Fôsily vitsivitsy ihany no mba hitany, tsy misy hafa amin’ireo sary 100 tamin’ireo sary 100 000. Hita avy amin’ny ankamaroan’ireo fôsily ireo koa anefa fa zara raha niova ireo biby isan-karazany. Nahoana àry ny mpikaroka no tsy mety miaiky an’izany? Hoy i Richard Morris, mpanoratra: “Efa nino foana ny mpahay siansa hoe nivoatra miandalana ny zavamananaina. Tsy te hiova hevitra izy ireo, na dia efa hitany aza fa tsy marina ilay izy. Rehefa manazava momba ny fôsily izy ireo, dia ataony foana izay hampifandraisana  izany amin’ny evolisiona, satria izay no eken’ny ankamaroany.”37

“Misy mpahay siansa maka fôsily vitsivitsy, ary milaza fa anisan’ny razamben’ny olona sy ny biby ireo. Tsy voaporofo anefa raha marina izany na tsia. Toy ny angano fotsiny ilay izy, ka mahafinaritra ny sofina ary ahalalan-javatra aza angamba, saingy tsy marina ara-tsiansa.”—Boky momba ny niandohan’ny zavamananaina, nosoratan’i Henry Gee

Tsy te hiova hevitra tokoa ireo mpino ny evolisiona, na dia efa hita avy amin’ny fikarohana momba ny ADN sy ny fôsily aza fa tsy nivoatra miandalana ny biby. Mbola alahany araka izay itiavany azy ihany ireo fôsily. Sao dia marina tokoa ilay hoe tsy te hiala amin’ny fampianarana arahin’ny ankamaroan’ny mpahay siansa izy ireo? *

Ahoana ny hevitrao? Ny Baiboly sa ny hevitr’i Darwin no marina, rehefa jerena ny porofo? Diniho ireto zavatra efa hitantsika ireto:

  • Tsy “tsotra” mihitsy ny sela.

  • Tsy azo inoana mihitsy hoe nisy ho azy teo ny zava-drehetra ao anatin’ny sela.

  • Tena be pitsiny ny ADN, ary miankina amin’izy io ny asan’ny sela. Tsy misy dikany ny programana ordinatera sy ny fitaovana hafa natao hitehirizana fanazavana, raha oharina aminy.

  • Hita avy amin’ny fikarohana momba ny ADN fa tsy iray ihany ny razamben’ny zavamananaina rehetra. Nisy tampoka koa ny ankamaroan’ny karazam-biby, rehefa dinihina ireo fôsily.

Ahoana àry izao ny hevitrao? Tsy hitanao ve hoe marina ny voalazan’ny Baiboly fa nisy namorona ny zavamananaina? Maro anefa no milaza fa mifanohitra amin’ny siansa ny ankamaroan’ireo zavatra lazain’ny Baiboly momba ny famoronana. Mitombina ve izany? Inona no tena lazain’ny Baiboly?

^ feh. 9 Nalahatry ny mpahay siansa ho sokajy fito ny biby, ary izay mitovitovy bika no nampiarahiny. Manomboka amin’ny fianakaviambe, izay sokajy lehibe indrindra izany, ary miafara amin’ny karazana, izay sokajy kely indrindra. Ireto avy izy ireo: Fianakaviambe, foko, tarika, sokajy, fianakaviana, sampana, ary karazana. Izao, ohatra, no nanasokajiana ny soavaly: Fianakaviambe: Biby; foko: Chordates; tarika: Biby mampinono; sokajy: Périssodactyles; fianakaviana: Équidés; sampana: Equus; karazana: Caballus.

^ feh. 10 Samy tsy te hilaza na ilay gazety na i Bapteste na i Rose fa diso ny fampianarana momba ny evolisiona. Te hilaza kosa izy ireo hoe tsy misy porofo ilay fampianarana hoe iray ihany ny razamben’ny zavamananaina rehetra. Mbola mitady fomba hafa izy ireo hanaporofoana fa tena misy ny evolisiona.

^ feh. 21 Tsy te hilaza i Henry Gee hoe diso ny fampianarana momba ny evolisiona. Te hiteny fotsiny izy hoe tsy tena manaporofo ny evolisiona ny fôsily.

^ feh. 22 Mino ny evolisiona i Malcolm Gordon.

^ feh. 27 Jereo, ohatra, ilay efajoro hoe “ Avy Amin’ny Rajako Tokoa ve Isika?

^ feh. 50 Tsara homarihina fa tsy inoan’ireo mpikaroka ireo ilay tenin’ny Baiboly hoe nisy namorona ny zavamananaina. Mino ny evolisiona izy rehetra.