Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vavolombelon’i Jehovah

Hifidy fiteny Malagasy

 FANONTANIANA 1

Ahoana no Nampisy ny Olombelona?

Ahoana no Nampisy ny Olombelona?

“Ahoana kay no nampisy ny zazakely?” Angamba ianao efa nanontany an’izany tamin’ny mbola kely. Ahoana no navalin’ny ray aman-dreninao? Menatra angamba izy ireo na hitany hoe mbola kely ianao, ka tsy niteny izy na namaly maimaika fotsiny. Nety ho namorona tantara vetivety teo koa izy ireo, nefa fantatrao ihany tatỳ aoriana hoe tsy marina ilay izy. Tsy maintsy nolazainy taminao mantsy ny tena marina, satria tsy tiany hanao hadalana ianao ary tiany ho vonona amin’ny fanambadiana.

Sadaikatra ny ray aman-dreny maro rehefa miresaka hoe ahoana no nampisy ny zazakely. Misy fanontaniana lehibe noho io anefa, ary tsy dia tian’ny mpahay siansa ny mamaly azy. Tsy inona izany fa ilay hoe: Ahoana no nampisy ny olombelona? Tena ilaina ny valin’izy io mba hahalalantsika ny antony iainantsika.

Selan’ny zaza vao miforona ao am-bohoka. Sary nohalehibeazina avo 800 heny

Inona no lazain’ny mpahay siansa maro? Milaza ireo mino ny evolisiona fa tao anaty dobo akaikin’ny ranomasina, na tany ambany ranomasina no niandoha ny zava-drehetra, an’arivony tapitrisa taona lasa izay. Nisy zavatra simika nitambatambatra, hono, tao amin’ilay rano ka nanome zavatra boribory kely toy ny balaonina. Lasa molekiola be pitsiny ilay izy avy eo. Io, hono, no lasa sela voalohany indrindra, ary “tsotra” kely ilay izy. Nitombo isa ilay sela ary nipoitra avy taminy daholo ny zavamananaina.

Tsy manaiky an’izany anefa ny mpahay siansa hafa, izay mino ny evolisiona koa. Avy any amin’ny habakabaka, hono, ny sela voalohany, na fara faharatsiny, ireo zavatra ao anatiny. Mbola tsy voaporofon’ny mpahay siansa mantsy ilay voalaza etsy aloha hoe avy tamin’ny molekiola tsy misy aina ny zavamananaina. Nanamafy izany i Alexandre Meinesz,  manam-pahaizana momba ny zavamananaina. Nilaza izy tamin’ny 2008 fa “tsy voaporofo mihitsy”, tato anatin’ny 50 taona farany, “hoe nipoitra avy tamin’ny molekiola tsy misy aina ny zavamananaina eto an-tany. Tsy ho voaporofo mihitsy koa izany na mandroso be aza ny siansa.”1

Inona no tena marina? Iaraha-mahalala hoe ahoana no nampisy ny zazakely. Efa voaporofon’ny mpahay siansa fa avy amin’ny zavamananaina foana ny zavamananaina. Izany koa ve no nitranga fahiny ela be, sa kosa niforona ho azy avy tamin’ny zavatra simika tsy misy aina ny zavamananaina? Iza no marina?

Hitan’ny mpikaroka fa tsy velona ny sela raha tsy misy molekiola be pitsiny karazany telo, fara fahakeliny: ADN (acide désoxyribonucléique), ARN (acide ribonucléique), ary proteinina. Vitsy izao ny mpahay siansa sahy milaza fa nipoitra ho azy avy tamin’ny zavatra simika tsy misy aina ny sela. Sao dia mba nisy ho azy anefa ny ARN sy ny proteinina? *

Stanley Miller, 1953

Inona aloha no nahatonga ny mpahay siansa maro hino fa nisy ho azy ny zavamananaina? Ny fanandramana nataon’ilay mpikaroka atao hoe Stanley Miller, tamin’ny 1953. Nanangona gazy samihafa, izay noheveriny fa nandrakotra ny tany fahiny, izy. Nasiany herinaratra izy ireo ka nahazo asidra amine izy. Tena ilaina io asidra io mba hahazoana proteinina. Nahitana asidra amine koa tao anaty tainkintana, tatỳ aoriana. Midika ve izany fa afaka miforona ho azy ireo zavatra rehetra ilaina mba hampisy ny zavamananaina?

Hoy i Robert Shapiro, mpampianatra simia tao amin’ny Oniversiten’i New York: “Misy mihevitra fa mila manao fanandramana toy ny an’i Miller fotsiny ny olona, dia hahazo an’ireo zavatra rehetra ilaina mba hampisy ny zavamananaina. Mino koa izy ireo fa hita tao amin’ny tainkintana ireny zavatra ireny. Diso hevitra anefa ry zareo.”2 *

Andeha hodinihintsika ny ARN. Misy molekiola maromaro atao hoe nucléotides ao amin’izy io. Avy amin’ny asidra amine ny nucléotides ary be pitsiny koa. Hoy i Shapiro: “Mbola tsy nahare mihitsy aho hoe nahavita nucléotides [ny mpahay siansa], rehefa nanao fanandramana [toy ny an’i Miller]. Mbola tsy nandre koa aho hoe nisy nucléotides tao amin’ny tainkintana.”3 Nilaza koa izy fa “tena sarotra inoana ny hoe nisy ARN nipoitra ho azy avy tamin’ny zavatra simika, ary raha nisy aza izany, na taiza na taiza, dia faran’izay kisendrasendra.”4

Tsy hisy ny proteinina (2) raha tsy eo ny ARN (1), ary tsy hisy koa ny ARN raha tsy eo ny proteinina. Tsy afaka ny hisy ho azy ny iray amin’izy ireo, mainka moa fa hoe izy roa mitambatra. Horesahina ao amin’ny toko manaraka ny ribôzôma (3).

Ary ahoana indray ny proteinina? Asidra amine 50 ka hatramin’ny an’arivony  no ao anatiny. Mitambatambatra izy ireo ary milamina tsara. Ahitana asidra amine 200 ny proteinina tsy dia be pitsiny, ao anaty sela “tsotra” iray. Mbola misy karazana proteinina an’arivony anefa ao amin’ireny sela ireny. Hita tamin’ny fikarohana natao fa tsy azo inoana hoe nisy ho azy mihitsy, na dia proteinina tsy misy afa-tsy asidra amine 100 aza.

Raha mpahay siansa mahay aza vao mahavita molekiola be pitsiny, ahoana ny amin’ireo molekiola be pitsiny kokoa ao anaty sela? Nisy ho azy ve izy ireny?

Hoy koa i Hubert Yockey, izay mino ny evolisiona: “Tsy avy amin’ny proteinina mihitsy ny zavamananaina.”5 Tsy hisy mantsy ny proteinina raha tsy eo ny ARN, ary tsy hisy koa ny ARN raha tsy eo ny proteinina. Ahoana anefa raha niara-nipoitra ho azy teo amin’ny toerana iray ny proteinina sy ny ARN, na dia tena sarotra inoana aza izany? Ho nitambatra ve izy ireo mba hahazoana sela iray afaka mitombo isa? Hoy ny Pr. Carol Cleland: * ‘Tsy hisy mihitsy izany. Toa mihevitra anefa ny ankamaroan’ny mpikaroka fa raha mazava aminy hoe ahoana no nampisy ho azy ny proteinina sy ny ARN, dia hazava aminy koa hoe ahoana no nampitambatra azy ireo.’ Nilaza koa izy fa “tsy misy mahafa-po izay fanazavana omen’ny mpahay siansa, mba hanaporofoana fa nisy ho azy ireo zavatra ireo.”6

Ny robot, izay zavatra tsy mananaina, aza ilana olona mahira-tsaina vao mahavita azy, mainka moa fa ny sela, indrindra fa ny olombelona

Nahoana izany no tsara ho fantatra? Sarotra amin’ny mpikaroka ny manaporofo hoe nisy ho azy teo ny zavamananaina. Marina aloha fa nahita asidra amine tao anaty tainkintana izy ireo, ary hita ao anaty selan’ny zavamananaina tokoa io asidra io. Nila niezaka be nanamboatra molekiola be pitsiny kokoa anefa izy ireo, ary nampiasa teknika avo lenta vao nahavita izany. Ny tanjony? Ny hamorona an’ireo zavatra rehetra ilaina mba hahavitana sela “tsotra” iray. Azo oharina amin’ny olona te hanamboatra robot izy ireo. Maka zavatra voajanahary aloha izy, mba hanamboarany vy, plastika, silikônina, ary tariby. Amboariny amin’izay ilay robot avy eo, ary ataony izay hahafahan’izy io hanamboatra robot hafa mitovy aminy. Inona anefa no hita avy amin’izany? Olona mahira-tsaina ihany vao mahavita milina be pitsiny.

Aoka hatao hoe mahavita manamboatra sela tokoa ny mpahay siansa. Tena mahay izy ireo raha mahavita izany. Ka nefa ho afaka hanaporofo ve izy amin’izay fa nisy ho azy ny sela? Tsy ny mifanohitra amin’izany ve no hiharihary?

Ahoana ny hevitrao? Hita avy amin’ny porofo ara-tsiansa nisy hatramin’izay fa avy amin’ny zavamananaina foana ny zavamananaina. Tena sarotra inoana àry hoe nipoitra ho azy avy amin’ny zavatra tsy mananaina ny sela, eny fa na dia ny sela “tsotra” aza.

Mbola hino izany àry ve ianao? Alohan’ny hamalianao an’io fanontaniana io, dia andeha aloha isika handinika akaiky ny sela. Ho hitanao avy eo raha mitombina na tsia ny fampianaran’ny mpahay siansa hoe nisy ho azy teo ny zavamananaina.

^ feh. 8 Horesahina ao amin’ny toko fahatelo ny ADN, “Nisy Ho Azy Ve Ny ADN?

^ feh. 10 Tsy mino i Shapiro hoe nisy namorona ny zavamananaina. Nisy ho azy, hono, ny olona sy ny biby, fa tsy tena fantatra hoe tamin’ny fomba ahoana. Nilaza ny mpahay siansa tao amin’ny Oniversiten’i Manchester, Angletera, tamin’ny 2009, fa nahavita nanao nucléotides (zavatra hita ao amin’ny ARN) izy ireo. Nilaza anefa i Shapiro fa “tsy mitovy amin’ireo nucléotides ao amin’ny ARN mihitsy ilay izy.”

^ feh. 13 Miasa ao amin’ny Sampan-draharaha Amerikanina Misahana ny Sambon-danitra sy ny any Ambony Tsy Taka-maso (NASA) ny Pr. Cleland. Tsy mino izy hoe nisy namorona ny zavamananaina. Nisy ho azy, hono, ny olona sy ny biby fa tsy tena fantatra hoe tamin’ny fomba ahoana.