Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vavolombelon’i Jehovah

Hifidy fiteny Malagasy

 2

Ny Anaran’Andriamanitra ao Amin’ny Soratra Grika Kristianina

Ny Anaran’Andriamanitra ao Amin’ny Soratra Grika Kristianina

Manaiky ireo manam-pahaizana momba ny Baiboly fa hita ao amin’ny Soratra Hebreo tany am-boalohany ny anaran’Andriamanitra. Eken’izy ireo fa miverina ao im-7 000 eo ho eo ny Litera Efatra (יהוה) fanoratana an’io anarana io. Maro amin’izy ireo anefa no mihevitra fa tsy nisy an’io anarana io ny Soratra Grika Kristianina tany am-boalohany. Tsy ahitana ny anarana hoe Jehovah àry ny Soratra Grika (antsoin’ny olona hoe Testamenta Vaovao), ao amin’ny ankamaroan’ireo Baiboly maoderina. Ary na dia andininy avy ao amin’ny Soratra Hebreo aza no miverina ao ka nisy an’ireo Litera Efatra, dia nosoloan’ny mpandika teny hoe “Tompo” ilay anarana.

Tsy toy izany kosa Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao. Miseho ao im-237 mantsy ny anarana hoe Jehovah, ao amin’ny Soratra Grika. Nandinika tsara ireo mpandika teny vao nanao izany, noho ireto antony lehibe roa ireto: 1) Tsy ananantsika intsony ny Soratra Grika tany am-boalohany, fa dika soratra an’arivony no misy. Efa roanjato taona teo ho eo taorian’ny nanoratana an’ilay tena izy anefa no vita ny ankamaroan’izy ireny. 2) Efa nosoloan’ny mpanao dika soratra an’ilay teny grika hoe Kyriôs (Tompo) ireo Litera Efatra, tamin’izany. Nisy koa nandika avy tamin’ireo sora-tanana efa tsy nisy an’ilay anarana.

Nitady porofo ampy tsara aloha ny Komitin’ny Fandikana ny Baibolin’ny Tontolo Vaovao, hoe tena nisy an’ireo Litera Efatra tokoa tao amin’ny Soratra Grika tany am-boalohany. Diniho àry ireto:

  • Nahitana an’ireo Litera Efatra ny Soratra Hebreo tamin’ny andron’i Jesosy sy ny apostoly. Efa nanaiky an’izany ny ankamaroan’ny olona. Porofo tsy azo lavina koa ankehitriny ireo horonana hita tany Qoumrân, izay anisan’ny Soratra Hebreo natao dika soratra tamin’ny taonjato voalohany.

  • Nahitana ny Litera Efatra koa ireo Soratra Hebreo nadika tamin’ny teny grika, izay nampiasaina tamin’ny andron’i Jesosy sy ny apostoly. Anisan’izy ireny ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo. Marina aloha fa efa taonjato maro ny manam-pahaizana sasany no nieritreritra hoe tsy nisy an’ireo Litera Efatra io fandikan-teny io. Tamin’ny 1950 tany ho any anefa, dia hita ny sombiny tamin’ilay fandikan-teny izay efa nisy hatramin’ny andron’i Jesosy, ary voasoratra tao ireo Litera Efatra. Mazava  àry fa nahitana ny anaran’Andriamanitra ny Soratra Masina tamin’ny teny grika, tamin’ny andron’i Jesosy. Rehefa natao dika soratra anefa ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo, dia nisy nanala ny anaran’Andriamanitra, tao amin’ny Genesisy ka hatramin’ny Malakia. Anisan’ny nalaza tamin’ireny dika soratra ireny ny Kôdeksa Vaticanus sy Kôdeksa Sinaiticus, tamin’ny taonjato fahefatra. (Marihina anefa fa nisy an’io anarana io ny dika soratra hafa talohan’izay.) Tsy mahagaga àry raha tsy ahitana ny anaran’Andriamanitra koa ny Soratra Grika, ao amin’ireo sora-tanana nadika tamin’io vanim-potoana io.

    I Jesosy mihitsy no niteny hoe: ‘Tonga tamin’ny anaran’ny Raiko aho.’ Nohazavainy koa fa ny asa nataony dia ‘tamin’ny anaran’ny Rainy’

  • Ny Soratra Grika mihitsy no milaza fa matetika i Jesosy no nampiasa ny anaran’Andriamanitra sy nampahafantatra azy io. (Jaona 17:6, 11, 12, 26) I Jesosy mihitsy no niteny hoe: ‘Tonga tamin’ny anaran’ny Raiko aho.’ Nohazavainy koa fa ny asa nataony dia ‘tamin’ny anaran’ny Rainy.’—Jaona 5:43; 10:25.

  • Mifameno ny Soratra Hebreo sy Soratra Grika satria samy avy amin’Andriamanitra, ka hafahafa raha tsy hita tampoka ao amin’ny Soratra Grika ilay anarana hoe Jehovah. Hoy i Jakoba mpianatr’i Jesosy tamin’ny anti-panahin’i Jerosalema, tamin’ny taona 60 tany ho any: “Efa notantarain’i Simeona tamin’ny an-tsipiriany ny nanombohan’Andriamanitra nihevitra ny hafa firenena mba hangalany olona avy amin’ireo mba hitondra ny anarany.” (Asan’ny Apostoly 15:14) Tsy ho niteny an’izany mihitsy izy, raha tsy nisy nampiasa na nahafantatra intsony ny anaran’Andriamanitra tamin’izany.

  • Misy fanafohezana ny anaran’Andriamanitra ao amin’ny Soratra Grika. Ao amin’ny Apokalypsy 19:1, 3, 4, 6 no ahitana izany, amin’ilay teny hoe “Haleloia”, izay midika hoe “Miderà an’i Jah!” Fanafohezana ny hoe Jehovah ny “Jah.” Ankoatra izay, dia anaran’olona maro ao amin’ny Soratra Grika no misy ny anaran’Andriamanitra. Ny anaran’i Jesosy mihitsy aza dia midika hoe “I Jehovah dia Famonjena.”

  • Voalazan’ny boky fahiny fa nampiasa ny anaran’Andriamanitra ny Kristianina jiosy tao amin’ny boky nosoratany. Manaporofo izany, ohatra, ny Tosefta, izay boky misy an’ireo lalàna nampitaina am-bava, nosoratana tamin’ny taona 300 tany ho any. Izao no voalaza ao: “Avelao ho may daholo ny bokin’ny Evanjelisitra sy ny bokin’ny minim [na Kristianina jiosy]. Tokony hodorana ireny [amin’ny andro Sabata], na dia misy ny  Anaran’Andriamanitra aza.” Izao koa no lazaina ao: ‘Rehefa tsy andro Sabata, dia tokony hohetezana avy ao amin’ireo boky ny Anaran’Andriamanitra ary tehirizina, fa ny ambiny kosa hodorana.’ Tenin’ny Raby Yosé, Galilianina velona tamin’ny taona 200 tany ho any, io voasoratra io.

  • Miaiky ny manam-pahaizana sasany fa azo inoana hoe nahitana ny anaran’Andriamanitra ny Soratra Grika tany am-boalohany, raha andininy avy any amin’ny Soratra Hebreo no nakana azy. Hoy Ny Diksionera Vatofantsika Momba ny Baiboly (anglisy), eo ambanin’ny lohateny hoe “Ny Litera Efatra ao  Amin’ny Testamenta Vaovao”: ‘Azo inoana fa fony vao nosoratana ny Testamenta Vaovao, dia tao ny Litera Efatra, na ny Anaran’Andriamanitra hoe Yahweh, rehefa nisy andininy nalaina tany amin’ny Testamenta Taloha. Mety ho ny andininy sasany izany, na izy rehetra.’ Hoy koa i George Howard, manam-pahaizana: ‘Ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo no nampiasain’ny Kristianina voalohany. Mbola hita tao anefa ny Litera Efatra. Mitombina àry hoe nampiasa azy io ireo mpanoratra ny Testamenta Vaovao, rehefa naka andininy tao amin’ny Testamenta Taloha.’

  •   Be dia be ny fandikan-teny malaza, mampiasa ny anaran’Andriamanitra ao amin’ny Soratra Grika. Efa ela be talohan’ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao ny sasany tamin’izy ireny no navoaka. Anisan’izany ireto: Fandikana Ara-bakiteny ny Testamenta Vaovao ... avy Amin’ny Sora-tanan’i Vatikana, nataon’i Herman Heinfetter (1863, anglisy); The Emphatic Diaglott, nataon’i Benjamin Wilson (1864); Epistilin’i Paoly Amin’ny Teny Anglisy Maoderina, nataon’i George Stevens (1898); Epistilin’ny Md. Paoly ho An’ny Romanina, nataon’i W. Rutherford (1900, anglisy); ary Ireo Taratasy ao Amin’ny Testamenta Vaovao, nataon’i J. Wand, Evekan’i Londres (1946, anglisy). Ankoatra an’ireo, dia nandika ny Testamenta Vaovao tamin’ny teny espaniola i Pablo Besson, tany am-piandohan’ny taonjato faha-20. Nampiasa ny hoe “Jehová” izy, ao amin’ny Lioka 2:15 sy Joda 14. Efa ho 100 koa ny fanamarihana ambany pejy nataony, ka nasiany hoe ‘mety ho hita eto ny anaran’Andriamanitra.’ Tamin’ny taonjato faha-16 aza, dia nisy mpandika teny sasany nandika ny Soratra Grika tamin’ny teny hebreo, ary mbola nampiasa ny Litera Efatra tamin’ny andininy maro. Amin’ny teny alemà fotsiny, dia fandikan-teny 11 fara fahakeliny no mampiasa ny hoe “Jehovah” (na “Yahveh”)  ao amin’ny Soratra Grika. Mpandika teny efatra kosa no nanoratra an’io anarana io ao anaty fononteny, aorian’ny hoe “Tompo.” Fandikan-teny alemà 70 mahery koa no mampiasa azy io amin’ny fanamarihana ambany pejy na fanazavana.

  • Baiboly amin’ny fiteny zato mahery no mampiasa ny anaran’Andriamanitra ao amin’ny Soratra Grika. Anisan’izany ireo fiteny maro fampiasa atỳ Afrika, Amerika, Azia, Eoropa, ary any amin’ny nosin’i Pasifika. (Jereo ny lisitra, pejy 12 sy 13.) Mitovy amin’ireo antony notanisaina teo ihany no nahatonga azy ireny hampiasa imbetsaka ny anaran’Andriamanitra. Azo atao hoe vao haingana ihany ny sasany amin’ireny. Iray amin’izany ny Soratra Grika amin’ny teny rotumien (1999): Ao anatin’ny andininy 48, dia misy hoe “Jihova” in-51. Toy izany koa ny amin’ny teny batak na toba (1989), any Indonezia: Miverina im-110 ao ny hoe “Jahowa.”

Anaran’Andriamanitra ao amin’ny Marka 12:29, 30, amin’ny teny hawaianina (1816)

Mazava tsara araka izany fa tokony haverina ao amin’ny Soratra Grika ny anaran’Andriamanitra. Izany mihitsy no tanjon’ireo nanao ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao. Tena manaja ny anaran’Andriamanitra izy ireo, sady matahotra ny hanaisotra na inona na inona avy ao amin’ny Soratra Masina tany am-boalohany.—Apokalypsy 22:18, 19.