Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ireo Fahagagana — Tena Nitranga Tokoa ve Izy Ireny?

Ireo Fahagagana — Tena Nitranga Tokoa ve Izy Ireny?

 Toko Faha-6

Ireo Fahagagana — Tena Nitranga Tokoa ve Izy Ireny?

Indray andro, tamin’ny 31 am.f.i., dia nanao dia nankany Naina, tanàna iray tany amin’ny faritra avaratr’i Palestina, i Jesosy sy ny apostoliny. Rehefa nanakaiky ny vavahadin’ilay tanàna izy ireo, dia nifanena tamin’ny laharan’olona handeha handevina. Zatovolahy ilay nody mandry. Ny reniny dia mpitondratena, ary izy io no hany zanany, koa ankehitriny dia irery tanteraka izy. Araka ilay firaketana an-tsoratra, i Jesosy dia “onena azy ka nanao taminy hoe: Aza mitomany. Ary nanatona Izy ka nanendry ny tranovorona, dia nijanona izay nilanja. Ary hoy i Jesosy: Ry zatovo, hoy Izaho aminao: Miarena. Dia niarina ny maty sady niteny”. — Lioka 7:11-15.

1. (Miaraka amin’ny teny fampidirana.) a) Fahagagana inona no nataon’i Jesosy teo akaikin’ny tanànan’i Naina? b) Zava-dehibe ve ny fahagagana ao amin’ny Baiboly, kanefa inoan’ny olona rehetra ve fa tena nitranga tokoa izy ireny?

IZANY dia tantara manafana ny fo, nefa marina ve izy io? Maro no mahita fa sarotra ny mino raha mba efa tena nitranga tokoa ny zavatra toy izany. Na dia izany aza, ireo fahagagana dia tapany mahaforona ny firaketana an-tsoratra ao amin’ny Baiboly. Ny finoana ny Baiboly dia midika ho finoana ny nisehoan’ireo fahagagana. Raha ny tena izy, ny firafitra manontolon’ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly dia miankina amin’ny fahagagana iray tena lehibe: ny fitsanganan’i Jesosy Kristy tamin’ny maty.

Ny antony tsy inoan’ny sasany

2, 3. Inona no fomba fanjohian-kevitra iray nampiasain’ilay filozofa natao hoe David Hume mba hanaporofoana fa tsy mitranga ny fahagagana?

2 Mino ireo fahagagana ve ianao? Sa mihevitra ianao fa  amin’izao andron’ny siansa izao dia tsy lojika ny hinoana ireo fahagagana — izany hoe ireo fisehoan-javatra mahatalanjona izay manome porofon’ny hery ambony noho ny an’ny olombelona? Raha tsy mino ianao, dia tsy ianao no voalohany. Taonjato roa lasa izay, dia nanan-java-nanahirana nitovy tamin’izany ilay filozofa ekose natao hoe David Hume. Mety hitovy amin’ny azy ireo antony mahatonga anao tsy hino.

3 Ny fanoheran’i Hume ny hevitra momba ny fahagagana dia nahafaoka hevitra telo niavaka.​1 Voalohany, dia nanoratra toy izao izy: “Ny fahagagana dia fandikana ny lalàn’ny natiora.” Niankina tamin’ny lalàn’ny natiora ny olona hatramin’ny fahagola. Efa fantany fa hianjera ny zavatra iray raha alatsaka, fa hiposaka ny masoandro isa-maraina ary hilentika isaky ny alina, sy ny toy izany. Fantany ho azy fa ny fisehoan-javatra dia hanaraka modely mahazatra toy izany foana. Tsy hisy na inona na inona hitranga mihitsy izay tsy hifanaraka amin’ny lalàna araka ny natiora. Io ‘porofo’ io, araka ny noheverin’i Hume, “dia ampy tahaka izay hevitra rehetra aroso avy amin’ny fanandraman-javatra”, manohitra ny mety hisian’ny fahagagana.

4, 5. Inona avy ireo antony roa hafa naroson’i David Hume mba handavana ny mety hisian’ny fahagagana?

4 Ny hevitra faharoa narosony dia hoe mora fitahina ny olona. Ny sasany dia te hino zava-mahagaga sy fahagagana, indrindra indrindra fa rehefa mifandray amin’ny fivavahana izany, ary maro amin’ireo lazaina fa fahagagana no hita fa fisandohana. Ny hevitra fahatelo narosony dia hoe ireo fahagagana dia lazaina fa miseho amin’ny fotoan’ny tsy fahalalana mazàna. Arakaraka ny manjary ahitana fianarana kokoa no manjary ilazana fa vitsy kokoa ireo fahagagana. Araka ny nilazan’i Hume azy dia hoe: “Ny fisehoan-javatra mahagaga toy izany dia tsy mitranga velively amin’ny androntsika.” Noho izany, dia noheveriny fa porofon’ny tsy nitrangan’izy ireny velively izany.

5 Hatramin’izao andro izao, dia manaraka ireo fotopoto-pitsipika ankapobeny ireo ny ankamaroan’ireo hevitra  aroso anoherana ny fahagagana, koa aoka isika handinika tsirairay ireo fanoherana nataon’i Hume.

Mifanohitra amin’ny lalàn’ny natiora ve?

6. Nahoana no tsy lojika ny handavana ny hevitra momba ny fahagagana satria hoe ‘fandikana ny lalàn’ny natiora’ izy ireny?

6 Ahoana ny amin’ilay fanoherana fa ‘fandikana ny lalàn’ny natiora’ ireo fahagagana, ka noho izany dia tsy afaka ny ho marina? Amin’ny etỳ ivelany dia toa mety handresy lahatra izany; nefa fakafakao izay tena lazaina tokoa. Mazàna ny fahagagana dia azo faritana ho zava-mitranga ivelan’ny lalàn’ny natiora mahazatra. * Fitrangan-javatra tsy ampoizina aoka izany izy io, hany ka miaiky ny mpijery fa nahita ny fisalovanan’ny hery ambony noho ny an’ny olombelona izy ireo. Noho izany, dia izao no tena tian’ilay fanoherana holazaina: ‘Ireo fahagagana dia tsy mety hisy satria mahagaga!’ Nahoana raha mandinika ny porofo, alohan’ny hahatongavana avy hatrany amin’ny famaranan-kevitra toy izany?

7, 8. a) Raha ny amin’ny lalàn’ny natiora araka ny ahafantarantsika azy ireo, amin’ny lafiny inona avy ireo mpahay siansa no manjary malala-tsaina kokoa eo amin’ny fomba fiheviny momba izay mety hisy sy izay tsy mety hisy? b) Raha mino an’Andriamanitra isika, inona no tokony hinoantsika koa raha ny amin’ny fahaizany manao zavatra tsy mahazatra?

7 Ny fahamarinana dia hoe ireo olona nahita fianarana amin’izao andro izao dia tsy vonona hanizingizina, ohatra an’i David Hume, fa marina hatraiza hatraiza sy amin’ny fotoana rehetra ireo lalàn’ny natiora mahazatra. Misy mpahay siansa vonona hanombantombana ny amin’ny mety hisian’ny refy maro hafa koa eo amin’izao rehetra izao, ankoatra ireo refy telo mahazatra, dia ny halava sy ny sakany ary ny haavo.​2 Izy ireo dia manao teoria momba ny fisian’ny lavaka mainty, izany hoe kintana goavam-be izay mihakely hatrany mandra-pahatongan’ny hakitrony  (densité) tsy hanam-petra tsotra izao. Eo akaikin’izy ireo, ny mahaforona ny habakabaka dia lazaina ho voaova aoka izany, hany ka ny fotoana aza dia tsy mihetsika akory.​3 Niady hevitra mihitsy aza ireo mpahay siansa raha toa ny fotoana ka hihemotra, fa tsy handroso ao anatin’ny toe-javatra sasany!​4

8 Rehefa nandinika ny fomba niandohan’izao rehetra izao ny Profesora Momba ny Matematika antsoina hoe Stephen W. Hawking, ao amin’ny Oniversiten’i Cambridge, dia nilaza toy izao: “Araka ny vinavina mahazatra momba ny relativité [na fifampiankinana] ankapobe, (...) ny niandohan’izao rehetra izao dia tsy maintsy ho fifandraisana hafa dia hafa nisy teo amin’ny hakitroka tsy manam-petra sy ny fiolahana arahin’ny toerana sy ny fotoana miaraka [courbure espace-temps]. Ao anatin’ny toe-javatra toy izany, dia hirodana ireo lalàn’ny fizika fantatra rehetra.”​5 Koa tsy manaiky àry ireo mpahay siansa maoderina fa hoe, satria mifanipaka amin’ireo lalàna mahazatra eo amin’ny natiora ny zavatra iray, dia tsy afaka mitranga mihitsy. Ao anatin’ny toe-javatra tsy mahazatra dia mety hitranga ny zavatra tsy mahazatra. Azo antoka fa raha mino ny Andriamanitra tsitoha iray isika, dia tokony hanaiky fa izy dia manana ny fahefana hahatonga fisehoan-javatra tsy mahazatra — mahagaga — hitranga, rehefa mifanentana amin’ny fikasany izany. — Eksodosy 15:6-10; Isaia 40:13, 15.

Ahoana ny amin’ireo fisandohana?

9. Marina ve fa fisandohana ny fahagagana sasany? Hazavao ny valin-teninao.

9 Tsy misy olona misaina handa fa misy ny fahagagana sandoka. Ohatra, milaza ho manana fahefana hanasitrana ny marary amin’ny fomba mahagaga ara-pinoana, ny olona sasany. Ny dokotera mpitsabo iray atao hoe William A. Nolan, dia nanao ho zava-kendreny manokana ny hanadihady ny fanasitranana toy izany. Izy io dia nanara-maso ireo voalaza fa fanasitranana maro be teo amin’ireo mpanasitrana evanjelika ara-pinoana any Etazonia sy teo amin’ireo antsoina hoe mpandidy metapsysika any Azia.  Ny vokany? Ny hany hitany dia ohatra ny amin’ny fahadisoam-panantenana sy fisandohana.​6

10. Mihevitra ve ianao fa ny hoe maha-voamarina ny fahagagana sasany fa fisandohana dia manaporofo fa sandoka avokoa ny fahagagana rehetra?

10 Ny fisandohana toy izany ve midika fa tsy nisy fahagagana marina? Tsy voatery ho izany. Indraindray isika dia mandre fa misy vola taratasy sandoka aely, tsy midika anefa izany fa sandoka avokoa ny vola rehetra. Ny marary sasany dia mametraka finoana mafy amin’ny mihambo ho mpitsabo na dokotera mamitaka, ary manome vola be azy ireny. Tsy midika anefa izany fa mpamitaka avokoa ny dokotera rehetra. Ny artista sasany dia kinga maka tahaka ny sary hoso-dokon’ireo “mpanao sary hoso-doko kalaza”. Tsy midika anefa izany fa hosoka avokoa ny sary hoso-doko rehetra. Toy izany koa fa ny filazan’ny sasany fa nisy fahagagana kanjo hita mazava fa fisandohana, dia tsy midika koa fa tsy afaka ny hisy ny fahagagana marina.

‘Tsy mitranga ny fahagagana ankehitriny’

11. Inona no fanoherana fahatelo naroson’i David Hume hanoherana ny hevitra momba ny fahagagana?

11 Ny fanoherana fahatelo dia nofintinina tamin’izao fitenenana izao: “Ny fisehoan-javatra mahagaga toy izany dia tsy mitranga velively amin’ny androntsika.” Mbola tsy nahita fahagagana mihitsy i Hume, koa tsy nety nino ny fetezan’ny fahagagana hitranga izy. Tsy lojika anefa izany karazana fanjohian-kevitra izany. Tsy maintsy miaiky ny olona misaina rehetra fa, talohan’ny andron’ilay filozofa ekose dia nisy “fisehoan-javatra mahagaga” nitranga izay tsy naverina tamin’ny andro niainany. Fisehoan-javatra inona?

12. Fisehoan-javatra mahagaga nitranga tamin’ny lasa inona avy no tsy azo hazavaina amin’ny alalan’ny lalàn’ny natiora miasa amin’izao andro izao?

 12 Voalohany aloha, dia niantomboka teto an-tany ny fiainana. Avy eo, dia nomena fahatsapan-tena ny endri-piainana sasany. Tamin’ny farany, dia niseho ny olona, nomena fahendrena, fahaizana mamoron-javatra sy fahaizana mitia ary feon’ny fieritreretana. Tsy misy mpahay siansa afaka manazava ny fomba nitrangan’ireny zava-nahagaga ireny, amin’ny fiorenana amin’ny lalàn’ny natiora miasa amin’izao andro izao. Kanefa manana porofo velona isika fa tena nitranga izy ireny.

13, 14. Zavatra mahazatra ny rehetra amin’izao andro izao inona avy no ho toa hahagaga an’i David Hume?

13 Ary ahoana ny amin’ireo “fisehoan-javatra mahagaga” izay nitranga hatramin’ny andron’i David Hume? Aoka hatao hoe afaka manao dia miverina eo amin’ny fotoana isika ka hitantara aminy momba ny tontolo amin’izao andro izao. Alao sary an-tsaina hoe miezaka hanazava aminy ianao fa ny mpandraharaha iray any Hambourg dia afaka miresaka amin’ny olona iray any amin’ny an’arivony kilaometatra maro lavitra any Tokyo, kanefa tsy mikiakiaka akory; fa ny lalao baolina iray atao any Espaina dia azo jerena manerana ny tany amin’ny fotoana ilalaovana azy io mihitsy; fa misy fiara mbola lehibe kokoa noho ireo sambo namakivaky oseana tamin’ny andron’i Hume, afaka miakatra avy eo amin’ny vohon’ny tany ka mitondra olona 500 hamakivaky ny habakabaka mandritra ny an’arivony kilaometatra maro ao anatin’ny ora vitsivitsy monja. Azonao alaina sary an-tsaina ve ny ho valin-teniny? ‘Tsy azo inoana izany! Ny fisehoan-javatra mahagaga toy izany dia tsy mitranga velively amin’ny androntsika!’

14 Kanefa mitranga tokoa ny ‘zava-mahagaga’ toy izany amin’ny androntsika. Nahoana? Noho ny olona nianatra nampiasa ireo fotopoto-pitsipika ara-tsiansa izay tsy noeritreretin’i Hume mihitsy, ka nanamboatra telefaonina, vata fahita lavitra, sy fiaramanidina. Koa sarotra loatra àry ve ny mino fa, indraindray, tamin’ny lasa,  Andriamanitra dia afaka nanatanteraka zavatra izay fahagagana amintsika, tamin’ny fomba izay mbola tsy takatsika?

Ahoana no ahafahantsika mahafantatra?

15, 16. Raha tena nitranga tokoa ny fahagagana, inona no hany fomba ahafahantsika mahafantatra momba azy ireny? Asehoy amin’ny ohatra ny valin-teninao.

15 Mazava ho azy fa ny filazana fa nety ho nitranga ny fahagagana dia tsy midika akory fa nitranga tokoa izy ireny. Ahoana no ahafahantsika mahafantatra amin’izao taonjato faha-20 izao raha nanao fahagagana marina na tsia tamin’ny alalan’ireo mpanompony teto an-tany Andriamanitra tamin’ny andron’ny Baiboly? Karazana porofo inona no hampoizinao ho an’ny zavatra toy ireny? Alao sary an-tsaina ny olona avy amin’ny foko iray fahagolan-tany izay nalaina avy tany anaty ala mikitroka fonenany mba hitsidika tanàn-dehibe iray. Rehefa mody izy, amin’ny fomba ahoana no ahafahany milazalaza amin’ireo iray foko aminy ireo zava-mahagagan’ny sivilizasiona? Tsy afaka manazava ny fomba fiasan’ny fiarakodia iray izy na ny antony mahatonga ny mozika hivoaka avy ao amin’ny radio azo bataina. Tsy afaka manamboatra ordinatera iray izy mba hanaporofoana fa misy ny zavatra toy izany. Ny hany azony atao dia ny mitantara izay hitany.

16 Ao anatin’ny tarehin-javatra mitovy amin’ny an’ireo mpiray foko amin’izany lehilahy izany isika. Raha nanao fahagagana tokoa Andriamanitra, ny hany fomba ahafahantsika mahafantatra momba azy ireny dia avy amin’ireo vavolombelona nahita maso. Tsy afaka manazava ny fomba nitrangan’ireo fahagagana, na afaka mamerina azy ireny indray ireo vavolombelona nahita maso. Tsy afaka  afa-tsy ny mitantara amintsika izay hitany izy ireo. Miharihary fa azo fitahina ny vavolombelona nahita maso. Afaka mampitombo resaka sy manome fanazavana tsy marina mora foana koa izy ireo. Raha toa àry isika ka tokony hino ny teny fanamarinan’izy ireny, dia ilaintsika hofantarina raha azo itokiana sy ambony karazana ary voaporofo fa manana antony tsara manosika ireny vavolombelona nahita maso ireny.

Ny fahagagana voamarina tsara indrindra

17. a) Inona no fahagagana voamarina tsara indrindra ao amin’ny Baiboly? b) Inona avy ireo toe-javatra izay nitarika ho amin’ny fahafatesan’i Jesosy?

17 Ny fahagagana voamarina tsara indrindra ao amin’ny Baiboly dia ny nitsanganan’i Jesosy Kristy tamin’ny maty, koa nahoana no tsy mampiasa azy io ho toy ny oha-pitsapana, raha azo atao ny milaza izany. Voalohany, dia diniho ireo zava-niseho nanaovana tatitra: I Jesosy dia nosamborina tamin’ny takarivan’ny 14 Nisana — izay nifanitsy tamin’ny alakamisy alina amin’ny fomba maoderina fanisantsika ny herinandro. * Niseho teo anatrehan’ireo filohan’ny Jiosy izay nanameloka azy ho nanao blasfemia i Jesosy, ary nanapa-kevitra izy ireo fa tsy maintsy ho faty izy. Ireo filoha jiosy dia nitondra an’i Jesosy teo anatrehan’i Pontio Pilato governora romana, izay nanaiky ho resin’ny faneren’izy ireo ka nanolotra azy hovonoina. Ny ampitso, ny zoma — mbola ny 14 Nisana ihany amin’ny  kalandrie jiosy — dia nohomboana teo amin’ny hazo fijaliana izy ary dia maty tao anatin’ny ora vitsivitsy. — Marka 14:43-65; 15:1-39.

18. Araka ny Baiboly, ahoana no nielezan’ny tatitra momba ny fitsanganan’i Jesosy?

18 Rehefa avy nandefona ny lanivoan’i Jesosy ny miaramila romana iray mba hahazoana antoka fa tena maty tokoa izy, dia nalevina tao amin’ny fasam-bao iray ny fatin’i Jesosy. Ny ampitson’io, ny 15 Nisana (zoma/asabotsy), dia sabata. Ny marainan’ny 16 Nisana anefa — alahady maraina — dia nisy mpianatra sasany nankany amin’ny fasana ary nahita fa foana ilay izy. Tsy ela dia nanomboka niely ny resaka fa nisy nahita an’i Jesosy velona. Ny fihetsika voalohany teo anoloan’izany resaka izany dia izay ho nitranga mihitsy amin’izao andro izao — ny tsy finoana. Na dia ireo apostoly aza dia tsy nety nino. Rehefa nahita an’i Jesosy velona anefa ny tenan’izy ireo, dia tsy nisy azony natao afa-tsy ny nanaiky fa natsangana tamin’ny maty tokoa izy. — Jaona 19:31–20:29; Lioka 24:11.

Ilay fasana foana

19-21. a) Araka an’i Justin le Martyr, tamin’ny fomba ahoana no nanoheran’ny Jiosy ny fitoriana nataon’ny Kristiana momba ny fitsanganan’i Jesosy tamin’ny maty? b) Inona no azontsika antoka fa marina momba ny fasan’i Jesosy tamin’ny 16 Nisana?

19 Natsangana ve i Jesosy, sa lainga noforonina fotsiny izany rehetra izany? Ny zavatra iray izay azo inoana fa ho nanontanian’ny olona tamin’izany fotoana izany dia hoe: Mbola ao am-pasana ve ny fatin’i Jesosy? Ho tojo vato misakana goavana iray ireo mpanara-dia an’i Jesosy raha afaka nanondro ilay fatiny mbola tao amin’ny toerana nandevenana azy ho porofon’ny tsy nitsanganany tamin’ny maty ireo mpanohitra azy ireo. Tsy misy firaketana an-tsoratra anefa milaza fa efa nanao izany izy ireo. Tsia, fa araka ny Baiboly, dia nanome vola an’ireo miaramila voatendry hiambina ny fasana kosa izy ireo ka nilaza taminy hoe: “Lazao hoe: Ny mpianany no tonga alina ka nangalatra Azy, raha sendra natory izahay”. (Matio 28:11-13). Manana porofo ivelan’ny Baiboly koa isika fa nanao zavatra toy izany ireo filoha jiosy.

 20 Tokony ho taonjato iray taorian’ny nahafatesan’i Jesosy, dia nanao asa soratra iray antsoina hoe Dialogue avec Tryphon i Justin le Martyr. Tao amin’izy io izy dia nilaza toy izao: “Ianareo [ny Jiosy] dia naniraka lehilahy voafidy sy voatendry nanerana an’izao tontolo izao mba hanambara fa nisy herezia tsy misy tahotra an’Andriamanitra na tsy fankatoavan-dalàna nipoitra avy tamin’ny iray atao hoe Jesosy, mpamitaka galiliana iray, izay nohomboantsika tamin’ny lakroa, kanefa nangalarin’ny mpianany tamin’ny alina avy tao am-pasana izay nametrahana azy.”​7

21 I Tryphon dia Jiosy ary ny Dialogue avec Tryphon dia nosoratana mba hiarovana ny Kristianisma tamin’ny Jodaisma. Koa amin’izany, dia tsy azo inoana ny ho nilazan’i Justin le Martyr izay nolazainy — fa ny Jiosy dia nanameloka ny Kristiana ho nangalatra ny fatin’i Jesosy avy tao am-pasana — raha tsy nanao izany fiampangana izany ny Jiosy. Raha tsy izany no izy dia ho namela ny tenany hiharan’ny fiampangana ho nandainga izy, zavatra izay ho azo nohamarinina mora foana. Tsy ho nilaza izany i Justin le Martyr raha tsy hoe tena naniraka mpitondra hafatra toy izany tokoa ny Jiosy. Ary tsy ho nanao izany izy ireo raha tsy hoe tena foana tokoa ilay fasana ny 16 Nisana taona 33 am.f.i., ary raha tsy hoe tsy afaka nanondro ny fatin’i Jesosy tao am-pasana ho porofon’ny tsy nananganana azy tamin’ny maty, izy ireo. Koa satria foana ilay fasana, inona no nitranga? Nangalatra ilay faty ve ireo mpianatra? Sa nesorina tamin’ny fomba mahagaga izy io ho porofo fa tena natsangana tamin’ny maty tokoa i Jesosy?

Ny famaranan-kevitr’i Lioka dokotera

22, 23. Iza ilay lehilahy nahita fianarana tamin’ny taonjato voalohany izay namotopototra momba ny fitsanganan’i Jesosy tamin’ny maty, ary loharanon-kevitra inona avy no azony noraisina?

22 Ny lehilahy iray faran’izay nahita fianarana tamin’ny taonjato voalohany, izay nandinika tamim-pitandremana ny porofo, dia i Lioka, dokotera iray. (Kolosiana 4:14NW ). I Lioka dia nanoratra boky roa, izay anisan’ny  Baiboly ankehitriny: ny iray dia Filazantsara, na tantaran’ny fanompoan’i Jesosy, ary ilay iray hafa, antsoina hoe ny Asan’ny Apostoly, dia tantaran’ny fielezan’ny Kristianisma tamin’ireo taona nanaraka ny nahafatesan’i Jesosy.

23 Ao amin’ny teny fampidirana ny Filazantsarany, dia manisy firesahana ny amin’ny porofo be dia be azony noraisina, nefa tsy azontsika raisina intsony, i Lioka. Miresaka momba ny tahirin-kevitra an-tsoratra izay nojereny momba ny fiainan’i Jesosy izy. Marihiny koa fa izy dia niresaka tamin’ny vavolombelona nahita maso ny fiainana sy ny fahafatesana ary ny fitsanganan’i Jesosy tamin’ny maty. Avy eo izy dia nilaza toy izao: “Nofotorako tsara ny zavatra rehetra hatramin’ny niandohany”. (Lioka 1:1-3). Miharihary fa ny fikarohana nataon’i Lioka dia lalina. Mpanoratra tantara mahay ve izy?

24, 25. Ahoana no fomba fihevitry ny maro momba ny fahaizan’i Lioka amin’ny maha-mpanoratra tantara azy?

24 Maro no nanamarina izany. Tamin’ny 1913, tao amin’ny lahateny iray, i Sir William Ramsay dia nanome fanazavana momba ny maha-ara-tantara ny asa soratr’i Lioka. Ny famaranan-keviny? “I Lioka dia mpanoratra tantara ambony laharana; tsy hoe azo itokiana fotsiny ny fanambarany ny toe-javatra; izy koa dia manana ny fahatsapana marina ara-tantara.”​8 Ireo mpanao fikarohana vao haingana dia tonga tamin’ny famaranan-kevitra mitovy amin’izany. Milaza toy izao ny The Living Word Commentary ao amin’ny sasin-teniny amin’ireo bokiny momba ny Lioka: “I Lioka dia sady mpanoratra tantara (sady milaza zavatra araka ny marina) no teolojiana.”

 25 Ny Dr. David Gooding, profesora taloha momba ny fiteny grika ao amin’ny Testamenta Taloha any Irlande Avaratra dia manambara fa i Lioka dia “mpanoratra tantara tranainy amin’ny fomba mampiavaka ireo mpanoratra tantaran’ny Testamenta Taloha ary amin’ny fomba mampiavaka an’i Thucydides [iray amin’ireo mpanoratra tantara ambony karazana indrindra tamin’ny tontolo fahiny]. Tahaka azy ireny, dia azo inoana ho tsy nikely soroka nanadihady ireo loharanon-keviny izy, nifantina ny filazana nangoniny ary nandahatra izany filazana izany. (...) I Thucydides dia nanambatra io fomba fiasa io tamin’ny fitiavana fatratra ny fahamarinana ara-tantara: tsy misy antony tokony hiheverana fa nanao latsaka noho izany i Lioka.”​9

26. a) Inona no famaranan-kevitr’i Lioka momba ny fitsanganan’i Jesosy tamin’ny maty? b) Inona no nety ho nanatanjaka azy tamin’ny famaranan-keviny?

26 Inona no famaranan-kevitr’io lehilahy faran’izay nahay io, momba ny antony naha-foana ny fasan’i Jesosy tamin’ny 16 Nisana? Na ao amin’ny Filazantsarany na ao amin’ny bokin’ny Asan’ny Apostoly, dia manao tatitra i Lioka fa zava-nisy ny hoe natsangana tamin’ny maty i Jesosy. (Lioka 24:1-52; Asan’ny Apostoly 1:3). Tsy nanana fisalasalana mihitsy momba izany izy. Angamba ny finoany ny fahagagana ny amin’ny fitsanganana amin’ny maty dia nohatanjahin’ny fanandraman-javatra manokana hitany. Na dia toa tsy vavolombelona nahita maso ny fitsanganana tamin’ny maty aza izy, dia manao tatitra momba ny fahagagana hitan’ny masony, nataon’ny apostoly Paoly kosa. — Asan’ny Apostoly 20:7-12; 28:8, 9.

Nahita an’i Jesosy tafatsangana izy ireo

27. Iza avy ireo nilaza ho nahita an’i Jesosy tafatsangana?

27 Ny roa amin’ireo Filazantsara dia lazain’ny lovantsofina fa nosoratan’ny lehilahy izay nahafantatra an’i Jesosy, nahita azy maty, sy nilaza fa tena nahita azy tokoa taorian’ny nitsanganany tamin’ny maty. Izy ireo dia ny apostoly Matio, ilay mpamory hetra taloha, ary i Jaona, ilay apostoly tian’i Jesosy. Ny mpanoratra hafa iray ao  amin’ny Baiboly, ny apostoly Paoly, koa dia nilaza fa nahita an’i Kristy tafatsangana. I Paoly, ambonin’izany, dia mitanisa amin’ny anarany ireo olona hafa nahita an’i Jesosy velona taorian’ny nahafatesany, ary lazainy fa tamin’ny fotoana iray i Jesosy dia niseho tamin’ny “rahalahy tsy omby diman-jato”. — 1 Korintiana 15:3-8.

28. Inona no vokatra nentin’ny fitsanganan’i Jesosy tamin’ny maty teo amin’i Petera?

28 Ny olona iray izay tsy maintsy ho nahalala an’i Jesosy hatramin’ny fahazazana dia i Jakoba, rahalahin’i Jesosy ara-nofo iray reny taminy, izay iray amin’ireo tononin’i Paoly ho vavolombelona nahita maso. Ny olona iray hafa koa dia ny apostoly Petera; i Lioka mpanoratra tantara dia milaza fa izy dia nanao fanambarana tsy tamin-tahotra momba ny fitsanganan’i Jesosy tamin’ny maty, herinandro vitsivitsy monja taorian’ny nahafatesan’i Jesosy. (Asan’ny Apostoly 2:23, 24). Taratasy roa ao amin’ny Baiboly no lazain’ny lovantsofina fa nosoratan’i Petera, ary ao amin’ilay voalohany i Petera dia mampiseho fa mbola antony manosika mahery ihany ny finoany ny fitsanganan’i Jesosy tamin’ny maty na dia taona maro taorian’ilay fisehoan-javatra aza. Nanoratra toy izao izy: “Isaorana anie Andriamanitra, Rain’i Jesosy Kristy Tompontsika, Izay niteraka antsika indray araka ny haben’ny famindrampony ho amin’ny fanantenana velona tamin’ny nitsanganan’i Jesosy tamin’ny maty”. — 1 Petera 1:3.

29. Na dia tsy afaka miresaka amin’ireo vavolombelona nahita maso aza isika, porofo mampiaiky inona no azontsika raisina na dia izany aza?

29 Koa amin’izany, tsy misy hafa amin’ny nahafahan’i Lioka niresaka tamin’ny olona izay nilaza fa nahita sy niresaka tamin’i Jesosy taorian’ny nahafatesany, isika koa dia afaka mamaky ny teny nosoratan’ny sasany tamin’izy ireo. Ary ny tenantsika mihitsy dia afaka mamantatra raha mitady hamitaka antsika izy ireo, raha tena nahita an’i Kristy tafatsangana tokoa. Amim-pahatsorana, dia tsy misy mihitsy fomba nety hahavoafitaka azy ireo. Maromaro tamin’izy ireo no naman’i Jesosy akaiky hatramin’ny nahafatesany. Ny sasany taminy dia vavolombelona  nahita maso ny nialany aina teo amin’ny hazo fijaliana. Izy ireo dia nahita ny ra sy ny rano nikoriana avy tamin’ny ratra nataon’ilay miaramila tamin’ny lefona. Fantatr’ilay miaramila, ary fantatr’izy ireo, fa i Jesosy dia tsy azo niadian-kevitra fa maty. Tatỳ aoriana, hoy izy ireo, dia nahita an’i Jesosy velona izy ary tena niresaka taminy tokoa. Tsia, tsy nety ho voafitaka izy ireo. Nitady hamitaka antsika àry ve izy ireo tamin’ny filazana fa natsangana tamin’ny maty i Jesosy? — Jaona 19:32-35; 21:4, 15-24.

30. Nahoana no tsy nety ho nandainga ireo vavolombelona tany am-boalohany nahita maso ny fitsanganan’i Jesosy tamin’ny maty?

30 Mba hamaliana izany, dia tsy maintsy manontany tena toy izao fotsiny isika: Moa ve ny tenan’izy ireo nino izay nolazainy? Eny, tsy misy isalasalana mihitsy ny amin’izany. Ho an’ny Kristiana, anisan’izany ireo izay nilaza fa vavolombelona nahita maso, dia ny fitsanganan’i Jesosy tamin’ny maty no fototra manontolon’ny finoany. Nilaza toy izao ny apostoly Paoly: “Raha tsy natsangana i Kristy, dia foana ny fitorianay, ary foana ny finoanay (...) Raha tsy natsangana i Kristy, dia tsy misy ilana azy ny finoanareo”. (1 Korintiana 15:14, 17, NW ). Moa ve izany tahaka ny tenin’ny olona iray mandainga rehefa milaza fa nahita an’i Kristy tafatsangana izy?

31, 32. Naneho fahafoizan-tena manao ahoana ireo Kristiana tany am-boalohany, ary nahoana izany no porofo mahery fa nilaza ny marina ireny Kristiana ireny rehefa nanambara fa natsangana tamin’ny maty i Jesosy?

31 Diniho koa ny hoe tonga Kristiana tamin’izany andro izany. Tsy nahazoana laza na fahefana na harena mihitsy izany. Nifanohitra tanteraka tamin’izany aza. Maro tamin’ireo Kristiana tany am-boalohany no ‘faly raha norobaina ny fananany’ noho ny finoany. (Hebreo 10:34). Ny Kristianisma dia nitaky fiainam-pahafoizan-tena sy fanenjehana, izay tamin’ny toe-javatra maro dia niafara tamin’ny fahafatesana ho maritiora, izay nahamenatra sy nampanaintaina.

32 Ny Kristiana sasany dia avy tamin’ny fianakaviana nambinina, tahaka ny apostoly Jaona, izay ny rainy dia nanana fandraharahana niroborobo momba ny jono tany Galilia. Maro no tsara fahatsinjovan-javatra, toa an’i Paoly,  izay mpianatr’ilay raby nalaza natao hoe Gamaliela, rehefa nanaiky ny Kristianisma, ary nanomboka niavaka teo imason’ireo mpanapaka jiosy. (Asan’ny Apostoly 9:1, 2; 22:3; Galatiana 1:14). Kanefa, izy rehetra dia niodina tamin’izay natolotr’izao tontolo izao mba hanely hafatra iray niorina tamin’ilay zava-nisy hoe natsangana tamin’ny maty i Jesosy. (Kolosiana 1:23, 28). Nahoana izy ireo no hanao sorona toy izany mba hijaly ho an’izay fantany fa niorina tamin’ny lainga? Ny valiny dia hoe tsy hanao izany izy ireo. Vonona ny hijaly sy ho faty ho an’izay fantany fa niorina tamin’ny fahamarinana izy ireo.

Tena mitranga tokoa ny fahagagana

33, 34. Koa satria tena nitranga tokoa ny fitsanganana amin’ny maty, inona no azo lazaina ny amin’ireo fahagagana hafa ao amin’ny Baiboly?

33 Eny tokoa, ny porofo avy amin’ny vavolombelona dia mampiaiky tanteraka. I Jesosy dia tena natsangana tamin’ny maty tokoa ny 16 Nisana, taona 33 am.f.i. Ary satria nitranga izany fitsanganana tamin’ny maty izany, dia nety hitranga koa ireo fahagagana hafa rehetra ao amin’ny Baiboly — fahagagana izay ananantsika porofo mafy orina avy amin’ny vavolombelona nahita maso. Ilay Fahefana izay nanangana an’i Jesosy tamin’ny maty ihany no nahatonga an’i Jesosy ho afaka hanangana tamin’ny maty koa ilay zanakalahin’ilay mpitondratena tao Naina. Izy io koa no nanome fahefana an’i Jesosy hanao ireo fahagagana fanasitranana kely kokoa — nefa mahagaga. Izy no tao ambadiky ny famahanana ny vahoaka maro be tamin’ny fomba mahagaga ary Izy koa no nahatonga an’i Jesosy ho afaka handeha teo ambonin’ny rano. — Lioka 7:11-15; Matio 11:4-6; 14:14-21, 23, 31.

34 Araka izany, ny firesahan’ny Baiboly ny amin’ireo fahagagana dia tsy antony hisalasalana ny amin’ny fahamarinany. Tsia, ny nitrangan’ireo fahagagana tamin’ny andron’ny Baiboly kosa dia porofo mahery fa tena Tenin’Andriamanitra tokoa ny Baiboly. Misy fiampangana hafa iray anefa natao tamin’ny Baiboly. Maro no milaza fa mifanipaka ny ao anatiny ka noho izany dia tsy mety ho ny Tenin’Andriamanitra. Marina ve izany?

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 6 Milaza isika hoe “mazàna”, satria ireo fahagagana sasany ao amin’ny Baiboly dia mety hisy fisehoan-javatra araka ny natiora, toy ny horohoron-tany na ny fihotsahan’ny tany. Mbola heverina ho fahagagana anefa izy ireny satria nitranga tamin’ny fotoana nilana azy indrindra, ka araka izany, dia niharihary fa nitranga noho ny fitarihan’Andriamanitra. — Josoa 3:15, 16; 6:20.

^ feh. 17 Ny andro jiosy dia nanomboka tokony ho tamin’ny enina hariva ary nitohy hatramin’ny enina hariva ny ampitson’iny.

[Fanontaniana]

[Teny notsongaina, pejy 81]

Ny fahavalon’ny Kristianisma dia nilaza fa nangalarin’ny mpianatra ny fatin’i Jesosy. Raha izany no izy, nahoana ireo Kristiana no ho vonona ny ho faty ho an’ny finoana niorina tamin’ny fitsanganany tamin’ny maty?

 [Efajoro, pejy 85]

Nahoana no Tsy Misy Fahagagana Amin’izao Andro Izao?

Indraindray dia mipoitra ilay fanontaniana hoe: ‘Nahoana no tsy misy fahagagana karazan’ireo hita ao amin’ny Baiboly amin’izao andro izao?’ Ny valiny dia hoe nahatratra ny zava-nokendreny ireo fahagagana tamin’izany fotoana izany, fa manantena antsika kosa ho velona amin’ny finoana Andriamanitra ankehitriny. — Habakoka 2:2-4; Hebreo 10:37-39.

Tamin’ny andron’i Mosesy, ireo fahagagana dia niseho mba hanorenana ny taratasy fanamarinan’i Mosesy. Nasehon’izy ireny fa nampiasa azy i Jehovah ary koa fa avy tamin’Andriamanitra marina tokoa ny faneken’ny Lalàna ary fa vahoaka voafidin’Andriamanitra, noho izany, ny Isiraelita. — Eksodosy 4:1-9, 30, 31; Deoteronomia 4:33, 34.

Tamin’ny taonjato voalohany, ireo fahagagana dia nanampy mba hanorenana ny taratasy fanamarinan’i Jesosy ary nanaraka azy, dia ny an’ilay kongregasiona kristiana mbola tanora. Izy ireo dia nanampy mba hanaporofoana fa i Jesosy no ilay Mesia nampanantenaina, fa taorian’ny nahafatesany dia nosoloana ny kongregasiona kristiana tamin’ny naha-vahoaka manokan’Andriamanitra ny Isiraely ara-nofo, ary araka izany, fa tsy nanan-kery intsony ny Lalàn’i Mosesy. — Asan’ny Apostoly 19:11-20; Hebreo 2:3, 4.

Taorian’ny andron’ny apostoly, dia tapitra ny fotoana ho an’ireo fahagagana. Nanazava toy izao ny apostoly Paoly: “Raha ny faminaniana, dia ho levona; na ny fiteny tsy fantatra, dia hitsahatra; na ny fahalalana, dia ho foana. Fa sombintsombiny ny fahalalantsika, ary sombintsombiny ny faminaniantsika; fa rehefa tonga ny tanteraka, dia tsy hisy sombintsombiny intsony.” — 1 Korintiana 13:8-10.

Amin’izao andro izao isika dia manana ny Baiboly iray manontolo, izay mahafaoka ireo fanambarana sy torohevitr’Andriamanitra rehetra. Manana ny fahatanterahan’ny faminaniana isika, ary manana fahazoana hevitra lasa lavitra kokoa momba ireo fikasan’Andriamanitra. Koa amin’izany, dia tsy misy ilana fahagagana intsony. Na dia izany aza, ilay fanahin’Andriamanitra izay nampisy ny fahagagana dia mbola misy ary mitondra vokany izay manome porofo mahery mitovy amin’izany momba ny herin’Andriamanitra. Ho hitantsika bebe kokoa ao amin’ny toko manaraka ny amin’izany.

[Sary, pejy 75]

Maro no mihevitra ny maha-azo itokiana ireo lalàn’ny natiora, toy ny fiposahan’ny masoandro isa-maraina, ho porofon’ny tsy fetezan’ny fahagagana hitranga

[Sary, pejy 77]

Ny famoronana ny tany ho fonenan’ny zavamananaina dia ‘fisehoan-javatra mahagaga’ izay tsy naverina intsony

[Sary, pejy 78]

Ahoana no hanazavanao ireo zava-mahagaga vitan’ny siansa maoderina amin’ny olona iray niaina 200 taona lasa izay?