Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ny kristiana sy ilay anarana

Ny kristiana sy ilay anarana

 Ny kristiana sy ilay anarana

TSY MISY afaka milaza amin’ny fomba azo antoka hoe oviana marina moa ny Jiosy mpanaraka lovantsofina no nitsahatra tsy nanonona mafy ny anaran’Andriamanitra ary nanolo izany kosa tamin’ny teny hebreo hoe Andriamanitra sy Mpanjaka Tompo. Mihevitra ny sasany fa tsy nampiasaina andavanandro intsony ny anaran’Andriamanitra efa taloha elan’ny andron’i Jesosy. Nefa misy porofo mahery fa ny mpisoronabe dia nanohy nanonona izany tamin’ny fanompoana ara-pivavahana tao amin’ny tempoly — indrindra fa tamin’ny andro Fanavotana — hatramin’ny nandravana ny tempoly tamin’ny 70 amin’ny fanisan-taona iraisana. Noho izany, fony tetỳ an-tany Jesosy, dia fantatra ny fanononana ilay anarana, na dia tsy niely aza angamba ny fampiasana izany.

Nahoana moa ireo Jiosy no nitsahatra tsy nanonona ny anaran’Andriamanitra? Tsy isalasalana fa fara faharatsiny izany dia noho ny fampiharana diso ireo teny ao amin’ny didy fahatelo manao hoe: “Aza manonona foana ny anaran’i Jehovah Andriamanitrao.” (Eksodosy 20:7) Mazava ho azy fa io didy io dia tsy mandrara ny fampiasana ny anaran’Andriamanitra. Raha tsy izany, nahoana ny mpanompon’Andriamanitra fahiny toa an-dry Davida no nampiasa izany malalaka ery ary mbola nifaly tamin’ny fitahian’i Jehovah? Ary nahoana moa Andriamanitra no nanonona izany tamin’i Mosesy sy nilaza tamin’i Mosesy mba hanazava tamin’ny Isiraelita hoe iza moa no naniraka azy? — Salamo 18:1-3, 6, 13; Eksodosy 6:2-8.

Na dia izany aza, tamin’ny andron’i Jesosy dia nisy fironana mahery hanatsoaka avy amin’ireo didy ara-dalàn’Andriamanitra, fanazavana tsy ara-dalàna tanteraka. Ohatra, ny fahefatra amin’ny Didy Folo dia nanery ny Jiosy hitandrina ny andro fahafito isan-kerinandro ho andro fialan-tsasatra, dia Sabata. (Eksodosy 20:8-11) Ireo Jiosy mpitana ny efa fanao ela dia nanova izany didy izany ho fanazavana tsy nisy farany, ka nanao fitsipika maro be mba hifehy na dia ny fihetsika kely indrindra izay azo na tsy azo natao tamin’ny Sabata aza. Tsy isalasalana fa tao anatin’izany toe-tsaina izany koa no nanaovany ny didy ara-dalàna milaza hoe tsy tokony halam-baraka ny anaran’Andriamanitra, ho zava-pady mandrara na dia ny fanononana azy fotsiny aza. *

Jesosy sy ilay anarana

Moa ve Jesosy hanaraka lovantsofina tsy araka ny Soratra masina toy izany? Tsia dia tsia tokoa! Tsy niahotrahotra marina tokoa nanao asa fanasitranana izy tamin’ny Sabata, eny fa na dia nilaza fandikana ireo lalàn’olombelona nataon’ny Jiosy aza izany ka nahatandindomin-doza ny ainy. (Matio 12:9-14) Raha ny marina, dia nanameloka ny Fariseo ho toy ny mpihatsaravelatsihy i Jesosy satria ny lovantsofin’izy ireo nihoatra ny Teny ara-tsindrimandrin’Andriamanitra. (Matio 15:1-9) Noho izany dia tsy isalasalana  fa tsy hiahotra hanonona ny anaran’Andriamanitra izy, indrindra rehefa jerena fa ny anarany manokana, Jesosy, dia midika hoe “Jehovah no famonjena”.

Indray mandeha Jesosy dia nitsangana tao amin’ny synagoga ary namaky tapany tamin’ny horonambokin’Isaia. Ny faritra novakiny dia izay antsointsika ankehitriny hoe Isaia 61:1, 2, izay isehoan’ny anaran’Andriamanitra mihoatra ny indray mandeha. (Lioka 4:16-21) Moa ve izy ho nanda tsy hanonona ny anaran’Andriamanitra tao, tamin’ny fanoloana azy hoe “Tompo” na “Andriamanitra”? Mazava ho azy fa tsia. Izany dia ho nilaza fanarahana ny lovantsofin’ireo filoha ara-pivavahana jiosy tsy araka ny Soratra masina. Izao kosa aza no vakintsika: “Nampianatra azy toy izay manana fahefana izy, fa tsy tahaka ny mpanora-dalàna teo aminy.” — Matio 7:29.

Raha ny marina, araka ny nianarantsika teo aloha kely, dia nampianatra ny mpianany izy hivavaka tamin’Andriamanitra hoe: “Hohamasinina anie ny anaranao.” (Matio 6:9) Ary tao amin’ny vavaka tamin’ny alina nialoha ny hahafatesany, dia niteny tamin-drainy  izy hoe: “Nasehoko tamin’ny olona izay nomenao Ahy avy tamin’izao tontolo izao ny anaranao (...) Ray masina ô, tehirizo ireo amin’ny anaranao izay nomenao Ahy”. — Jaona 17:6, 11.

Momba ireny firesahan’i Jesosy ny anaran’Andriamanitra ireny, ny boky Der Name Gottes (Ny anaran’Andriamanitra) dia manazava eo amin’ny pejy faha-76 hoe: “Izany dia fahamarinana mahatalanjona tokony ho takatsika: Ny fanazavana araka ny lovantsofina ny Testamenta Taloha dia mampiseho amintsika ny fanambaran’Andriamanitra ho toy ny fanambarana ny anarany; io fahamarinana io dia ambara tokoa hatrany amin’ny faran’ny Testamenta Taloha, ary mbola miseho indray izany ao amin’ireo tapany farany amin’ny Testamenta Vaovao, ohatra ao amin’ny Jaona 17:6 izay amakiantsika hoe: ‘Nasehoko (...) ny anaranao’.”

Eny, ho tena tsy ara-dalàna ny hiheverana fa Jesosy dia niahotra tsy nampiasa ny anaran’Andriamanitra, indrindra rehefa nanonona tapany tamin’ny Soratra hebreo izay nirakitra izany izy.

Ny kristiana voalohany

Moa ve ny mpianatr’i Jesosy tamin’ny taonjato voalohany nampiasa ny anaran’Andriamanitra? Nomen’i Jesosy baiko izy ireny mba hanao mpianatra olona avy amin’ny firenena rehetra. (Matio 28:19, 20) Maro tamin’ireo olona nitoriana no tsy nanan-kevitra mihitsy ny amin’ilay Andriamanitra izay niseho tamin’ny Jiosy tamin’ny anarana hoe Jehovah. Ahoana no hahafahan’ireo kristiana hanavaka ilay Andriamanitra marina ho azy ireo? Ho ampy ve ny miantso azy hoe Andriamanitra na Tompo? Tsia. Ireo firenena dia nanana ny andriamaniny sy ny tompony manokana. (I Korintiana 8:5) Ahoana no ho nahafahan’ny kristiana nanavaka mazava ilay Andriamanitra marina sy ireo diso? Tamin’ny fampiasana ny anaran’ilay Andriamanitra marina ihany.

Araka izany, Jakoba mpianatra dia nanamarika toy izao nandritra ny fivorian’ireo loholona tao Jerosalema: “Simeona efa nanambara izay nitsinjovan’Andriamanitra ny jentilisa tamin’ny voalohany hanalana olona aminy hankalazana ny anarany. Ary mifanaraka amin’izany ny tenin’ny mpaminany”. (Asan’ny apostoly 15:14, 15) Ny apostoly Petera, tao amin’ny lahateniny nalaza tamin’ny Pentekosta, dia nampiseho tapany iankinan’ny aina amin’ny hafatra kristiana raha nanonona ny tenin’i Joela mpaminany hoe: “Ary na zovy na zovy no hiantso ny anaran’i Jehovah dia ho afa-mandositra.” — Joela 3:5; Asan’ny apostoly 2:21.

Tsy namela ny hisian’ny fisalasalana ny apostoly Paoly raha ny amin’ny maha-zava-dehibe ho azy ny anaran’Andriamanitra. Ao amin’ny taratasiny ho an’ny Romana dia manonona ireo teny nataon’i Joela mpaminany ireo ihany izy ary manohy mampirisika ny kristiana namany hampiseho ny finoany izany fanambarana izany amin’ny fandehanana mitory ny anaran’Andriamanitra amin’ny hafa, mba hahafahan’ireny koa hovonjena. (Romana 10:13-15) Tatỳ aoriana dia nanoratra tao amin’ny taratasiny ho an’i Timoty izy hoe: “Aoka ny olona rehetra izay manonona ny anaran’ny Tompo [Jehovah, MN] hiala amin’ny ratsy.” (II Timoty 2:19) Tamin’ny faran’ny taonjato voalohany, ny apostoly Jaona dia nampiasa ny anaran’Andriamanitra tao amin’ireo sorany. Ny fitenenana hoe “Haleloia”, izay midika hoe “Derao Jah”, dia miseho miverimberina ao amin’ny bokin’ny Apokalypsy. — Apokalypsy 19:1, 3, 4, 6.

Kanefa, Jesosy sy ny mpianany dia naminany fa hisy fivadiham-pinoana hitranga ao amin’ny kongregasiona kristiana. Hoy ny nosoratan’ny apostoly Petera: “Hisy koa mpampianatra sandoka tahaka izany eo aminareo”. (II Petera 2:1; jereo koa Matio 13:36-43; Asan’ny apostoly 20:29, 30; II Tesaloniana 2:3; I Jaona 2:18, 19.) Tanteraka ireny fampitandremana ireny. Ny vokany iray dia ny fanilihana ny anaran’Andriamanitra. Nanjary nesorina mihitsy aza izany tsy ho ao amin’ireo kopia sy fandikan-tenin’ny Baiboly. Aoka hojerentsika ny fomba nitrangan’izany.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 4 Nanolotra fanazavana hafa ny sasany. Araka ny filazan’izy ireo, ny Jiosy dia nanaiky ho sodokan’ny filozofia grika. Ohatra, Philon, filozofa grika avy any Aleksandria, niara-belona teo ho eo tamin’i Jesosy, dia voamarika lalin’ilay filozofa grika atao hoe Platon, izay noheveriny ho nahazo tsindrimandry avy tamin’Andriamanitra. Eo amin’ny fampidirana hoe “Philon”, ny Grand Larousse encyclopédique (boky faha-3, pejy faha-423) dia manipika fa “ny fampianaran’i Philon dia fifangaroan’i Platon sy ny Baiboly” ary “nanan-kery (...) teo amin’ireo Rain’ny Eglizy izany”. Kanefa dia nampianatra i Philon fa tsy azo faritana Andriamanitra ka noho izany, dia tsy azo natao ny nanome anarana azy.

[Sary, pejy 14]

Ity sarin’ny mpisoronabe jiosy mitondra eo amin’ny fehilohany ny soratra hebreo midika hoe “An’i Jehovah ny fahamasinana” ity dia hita ao Vatikana.

[Sary, pejy 15]

Araka io Baiboly alemanina tamin’ny 1805 io, Jesosy dia nanonona ny anaran’ Andriamanitra tao amin’ny synagoga izay namakiany tamin’ny feo avo tapany amin’ny horonambokin’Isaia. — Lioka 4:18, 19.

[Sary, pejy 16]

Nampiasa ny anaran’Andriamanitra ry Petera sy Paoly rehefa naka teny avy ao amin’ny faminanian’i Joela. — Asan’ny apostoly 2:21; Romana 10:13, MN.