Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ny anaran’Andriamanitra sy ny “Testamenta Vaovao”

Ny anaran’Andriamanitra sy ny “Testamenta Vaovao”

 Ny anaran’Andriamanitra sy ny “Testamenta Vaovao”

TSY azo lavina fa eo amin’ny toerany ny anaran’Andriamanitra ao amin’ny Soratra hebreo, ao amin’io tapany amin’ny Tenin’Andriamanitra antsoina mandrakariva hoe “Testamenta Taloha” io. Na dia nitsahatra tsy nanonona izany aza ny Jiosy, ny zavatra ninoan’izy ireo dia nisakana azy tsy hanafoana izany rehefa nanao kopia ireo soratanana amin’ny Baiboly izy. Noho izany no iverenan’izy io matetika kokoa noho ny anarana manokana hafa rehetra ao amin’ny Soratra hebreo.

Kanefa, tsy mba toy izany ny amin’ny Soratra grika kristiana, dia ny “Testamenta Vaovao”. Marina aloha fa ireo kopian’ny Apokalypsy (ny boky farany ao amin’ny Baiboly) dia mitondra foana ny fanafohezana ny anaran’Andriamanitra hoe “Jah” na “Yah” (ao amin’ny fitenenana hoe “Haleloia” na “Hallélou Yah” [Chouraqui]). Kanefa isika dia tsy manana soratanana grika amin’ireo boky voalahatra ao amin’ny Baibolintsika manomboka amin’ny Matio ka hatreo amin’ny Apokalypsy, izay mirakitra ny anaran’Andriamanitra amin’ny endriny feno. Tokony hotsoahina avy amin’izany ve fa tsy tokony ho hita tao izy io? Hahagaga raha izany, satria hitantsika fa nanaiky ny maha-zava-dehibe azy io ny mpianatra voalohany ary nampianatra azy ireo hivavaka ho an’ny fanamasinana izany i Jesosy. Raha izany no izy, ahoana no anazavana io zava-misy io?

Mety ny hampahatsiahivana alohan’ny zava-drehetra fa ireo soratanana amin’ny Soratra grika kristiana ananantsika amin’izao andro izao dia tsy ny tany am-boalohany akory. Ireo boky nosoratan’ny tanan’i Matio, Lioka ary ny mpanoratra hafa ny Baiboly dia nampiasaina aoka izany, ary tsy ela dia tonta. Izany no antony nanaovana kopia izay mbola nadika  indray koa rehefa nandeha ny fotoana. Tsy misy mahagaga ny amin’izany, satria ireny boky ireny mandrakariva dia natao mba hampiasaina fa tsy hotehirizina.

Mbola misy soratanana an’arivony maro amin’ny Soratra grika kristiana, nefa ny ankamaroany, raha ela indrindra, dia natao tamin’ny taonjato faha-4. Miteraka fanontaniana lehibe toy izao izany: Mety hitranga ve ny hoe novana ny tena teny ao amin’ny Soratra grika kristiana talohan’ny taonjato faha-4, hany ka nanjavona ny anaran’Andriamanitra? Mampiseho ny zava-drehetra fa izany tokoa no nitranga.

Hita tao ny anaran’Andriamanitra

Mahazo matoky isika fa nilaza ny anaran’Andriamanitra ny apostoly Matio tao amin’ny Filazantsarany. Nahoana? Satria tamin’ny teny hebreo aloha no nanoratany azy io. Tamin’ny taonjato faha-4, Jérôme, nanao ny fandikan-teny latinan’ny Soratra masina antsoina hoe Vulgate, dia nanazava hoe: “Matio na Levy dia mpamory hetra talohan’ny hahatongavana ho apostoly. Ho tombontsoan’ny voafora izay nino ny Filazantsara, dia izy no voalohany nanoratra ny filazantsarany tamin’ny teny hebreo. Iza moa no nandika izany ho amin’ny teny grika tatỳ aoriana? Tsy fantatra izany. Mbola ananana ny tena teny hebreo ao amin’ny fitehirizam-bokin’i Kaisaria.”

Satria nanoratra ny bokiny tamin’ny teny hebreo i Matio, dia tsy azo saintsainina ny hoe tsy nampiasa ny anaran’Andriamanitra izy, indrindra fa rehefa nanonona andalan-teny avy ao amin’ny “Testamenta Taloha” izay nirakitra izany. Ireo mpanoratra hafa ny tapany faharoa amin’ny Baiboly kosa dia niresaka tamin’olona avy amin’ny tany rehetra, hany ka nampiasa ny fiteny iraisam-pirenena tamin’izany izy, dia ny teny grika. Noho izany, dia tsy nanonona ny teny hebreo amin’ny Soratra masina izy, fa ny fandikan-teny grikan’ny Septante. Na dia izany aza, ny Filazantsaran’i Matio dia voadika tamin’ny teny grika tamin’ny farany. Nefa moa ve hita tao amin’ireny soratra grika ireny ny anaran’Andriamanitra?

Toe-javatra mahaliana fa misy tapany tena tranainy amin’ny Septante izay efa nisy tamin’ny andron’i Jesosy, tafita hatramin’izao androntsika izao, ary tokony homarihina fa miseho ao ny anarana manokan’Andriamanitra. The New International Dictionary of New Testament Theology (Diksionera teolojika vaovao iraisam-pirenena momba ny Testamenta Vaovao, Boky faha-2, pejy faha-512) dia manambara momba izany hoe: “Misy tahirin-kevitra hita vao haingana tsy manohana ny hevitra hoe ireo mpandika ny LXX [ny Septante] dia nandika ny tetragrama YHWH tamin’ny hoe kurios. Ny MSS [soratanana] tranainy indrindra amin’ny LXX nanananay (tapatapany) dia mitondra ny tetragrama amin’ny litera heb[reo] ao amin’ny tena teny grika. Izany fanao izany dia notohizan’ireo mpandika teny jiosy ny T[estamenta] T[aloha] nandritra ireo taonjato voalohany taorian’i J.K.” Araka izany àry, na namaky ny Baiboly tamin’ny teny hebreo Jesosy sy ny mpianany na namaky ny teny grika, dia tsy afaka ny tsy hahita tao ny anaran’Andriamanitra.

Izany no nitarika an’i George Howard, profesora ao amin’ny oniversiten’i Géorgie, any Etazonia, hitana izao fomba fiheverana manaraka izao: “Satria ny Septante ampiasain’ny Fiangonan’ny Testamenta Vaovao sy tononiny nirakitra ny anaran’Andriamanitra tamin’ny endriny hebreo, dia tsy isalasalana fa nitahiry ny Tetragrama ireo mpanoratra ny Testamenta Vaovao tao amin’ny teny nalainy.” (Biblical Archaeology Review, [Revio momba ny arkeolojia araka ny Baiboly], martsa 1978, pejy faha-14). Raha ny marina, moa ve nanana zo hanao ny mifanohitra amin’izany izy?

Mbola naharitra ela kokoa ihany ny anaran’Andriamanitra tao amin’ireo fandikan-teny grika amin’ny “Testamenta Taloha”. Nandritra ny tapany voalohany amin’ny taonjato faha-2, Aquila, proselyta jiosy, dia namoaka fandikana vaovao amin’ny teny grika ny Soratra hebreo ka nampidiriny tao anatin’izany ny Tetragrama amin’ny litera hebreo tranainy. Tamin’ny taonjato faha-3 dia nanambara i Origène hoe: “Ao amin’ireo soratanana azo itokiana indrindra, ILAY ANARANA dia soratana amin’ny litera hebreo, tsy amin’ny hebreo maoderina, fa amin’ny litera tranainy.”

Tamin’ny taonjato faha-4, Jérôme dia mbola nanao izao fanamarihana izao ao amin’ny sasin-teniny ho an’ny bokin’i Samoela sy ny Mpanjaka: “Hatramin’izao, dia mbola hita ihany ao amin’ny horonamboky grika sasany ny anaran’Andriamanitra misy litera efatra [יהוה].

Ny fanesorana ilay anarana

Tamin’izany fotoana izany anefa dia nanomboka namaka ny fivadiham-pinoana nambaran’i  Jesosy. Nanomboka hatreo, na dia niseho tao amin’ireo soratanan’ny Baiboly aza ny anaran’Andriamanitra, dia nihena hatrany ny fampiasana azy (Matio 13:24-30; Asan’ny apostoly 20:29, 30). Rehefa nandeha ny fotoana, dia mpamaky maro aza no tonga tamin’ny tsy fahalalana izany intsony. Araka izany dia mitantara i Jérôme fa tsy fantatry ny sasany ny Tetragrama; noho ny fitovian’ny tsipika mahaforona ireo litera efatra ireo, ary rehefa hitany tao amin’ny boky grika izany, dia novakiny mandrakariva hoe ΠΙΠΙ.”

Tatỳ aoriana, dia nosoloana tamin’ny teny toy ny hoe “Andriamanitra” (Théos) na “Tompo” (Kurios) ny anaran’Andriamanitra tao amin’ireo kopian’ny Septante. Fantatsika tanteraka fa nitranga izany, satria ireo tapany tranainy indrindra amin’ny Septante dia nirakitra ny anaran’Andriamanitra, fa ireo kopia tatỳ aoriana amina soratra mitovy dia tsy mitondra izany intsony.

Fiovana mitovy amin’izany no nitranga tao amin’ny “Testamenta Vaovao”, izany hoe tao amin’ny Soratra grika kristiana. Momba izany dia hoy ny nanampin’ny profesora George Howard: “Rehefa navela ny endriny hebreo amin’ny anaran’Andriamanitra ao amin’ny Septante mba hanomezan-toerana ho an’ny teny samihafa solony, dia nanjavona koa izany tao amin’ireo andalan-teny ao amin’ny Testamenta Vaovao izay nanonona ny Septante (...). Tsy ela ny Fiangonana tsy jiosy dia nanary izay rehetra mety ho soritry ny anaran’Andriamanitra, ka tsy nisy intsony izany afa-tsy tamin’ny endriny nohafohezina na tao amin’ny fitadidian’ny manam-pahaizana sasany.”

Araka izany, raha mbola nanda tsy hanonona ny anaran’Andriamanitra ny Jiosy, ny Fiangonana nivadi-pinoana dia nahomby tamin’ny fanesorana azy tanteraka tsy ho ao amin’ireo soratanana grika sy ireo fandikana ny tapany roa amin’ny Baiboly.

Fahaverezana lehibe

Araka ny hitantsika, tamin’ny farany dia tafaverina tao amin’ny fandikan-teny maro amin’ny Soratra hebreo ny anaran’Andriamanitra. Fa ahoana kosa ny amin’ny “Testamenta Vaovao”? Nahamarika ny tenan’ireo mpandika teny sy mpianatra ny Baiboly fa raha tsy ao ny anaran’Andriamanitra, ny tapany sasany amin’ny Soratra grika kristiana dia maizimaizina.  Raha vantany vao averina amin’ny toerana tokony hisy azy kosa anefa io anarana io, dia manjary mihamazava lavitra izany tapany amin’ny Teny ara-tsindrimandrin’Andriamanitra izany.

Ho ohatra, dia aoka hodinihintsika ny fehezanteny iray nalaina avy amin’ny taratasin’i Paoly ho an’ny Romana, araka ny ahitana azy ao amin’ny Fandikan-teny malagasy. Izao izany: “Fa izay rehetra miantso ny anaran’ny Tompo no hovonjena.” (Romana 10:13). Anaran’iza àry no tokony hantsointsika mba ho famonjena antsika? Satria Kristy antsoina matetika hoe “Tompo” ary misy andininy hafa manambara hoe: “Minoa an’i Jesosy Tompo, dia hovonjena ianao”, moa ve tokony hanatsoaka hevitra avy amin’izany isika fa Paoly dia nieritreritra an’i Jesosy Kristy? — Asan’ny apostoly 16:31.

Tsy izany velively. Ao amin’ny Fandikan-teny malagasy, eo amin’ny Romana 10:13 dia misy filazana toko sy andininy ao anaty fononteny mampitodika ny mpamaky ho amin’ny Joela 3:5, andininy izay an’ny Soratra hebreo. Raha manokatra ny Baibolinao ao amin’io andalan-teny io ianao, dia hanamarika fa nanonona ireo tenin’i Joela i Paoly ao amin’ny epistiliny ho an’ny Romana. Kanefa, araka ny teny hebreo tany am-piandohana, dia hoy io mpaminany io: “Ary na zovy na zovy no hiantso ny anaran’i Jehovah dia ho afa-mandositra”. Noho izany, dia tian’i Paoly ny hanasa antsika hiantso ny anaran’i Jehovah. Raha marina àry fa tokony hino an’i Jesosy isika dia tsy isalasalana koa fa miankina mivantana amin’ny fomba fiheverantsika ny anaran’ny Mpamorona ny famonjena antsika.

Manazava tsara io ohatra io fa ny fanafoanana ny anaran’i Jehovah tao amin’ny Soratra grika dia nitarika mpamaky maro hampifangaro an’i Jesosy amin’ny Rainy. Tsy misy isalasalana mihitsy fa izany fanovana izany dia nandray anjara lehibe teo amin’ny fandroson’ny fampianarana ny amin’ny Trinite.

Tokony haverina ve ny anaran’Andriamanitra?

Koa satria ny anaran’Andriamanitra tsy hita ao amin’ireo soratanana eo am-pelatanantsika, moa ve ny mpandika teny manana zo hamerina izany? Izany dia izany tokoa. Raha ny marina, ny ankamaroan’ny rakibolana grika dia manaiky fa ny teny hoe “Tompo” dia manondro matetika an’i Jehovah ao amin’ny Baiboly. Araka izany, eo ambanin’ny teny hoe Kurios (“Tompo”), ny boky antsoina hoe A Greek and English Lexicon of the New Testament nataon’i Robinson (Rakibolana grika-anglisy momba ny Testamenta Vaovao, 1859), dia manazava fa io teny io dia milazalaza an’Andriamanitra ho toy ny Tompo fara tampony, ny Tompom-piandrianana eo amin’izao rehetra izao. Manolo matetika ny teny heb[reo] hoe יהוה Jehovah izany amin’ny Sept[ante]”. Noho izany, eo amin’izay nanononan’ny Soratra grika kristiana ny Soratra hebreo, ny mpandika teny dia omen-dalana handika ny teny hoe Kurios amin’ny hoe “Jehovah” rehefa miseho ao amin’ny teny hebreo tany am-piandohana ny anaran’Andriamanitra.

 Raha ny marina dia maro no nanao izany. Nanomboka tamin’ny taonjato faha-14, raha ela indrindra, dia navoaka ny fandikana maro ho amin’ny teny hebreo ny Soratra grika kristiana. Ahoana no nandikan’ireo mpandika izany indray ny teny nalaina avy ao amin’ny “Testamenta Taloha” izay nirakitra ny anaran’Andriamanitra? Mihoatra ny iray no nahatsapa ho voatery hampiditra izany indray tao amin’ny fandikan-teniny. Izany no antony mahatonga fandikana maro tapatapany na manontolo ny Soratra grika kristiana ho amin’ny teny hebreo, hirakitra ny anaran’Andriamanitra.

Nanaraka lalana mitovy amin’izany ny fandikan-teny sasany amin’ny fiteny ankehitriny. Izany indrindra no mitranga ny amin’ireo izay ampiasain’ny misionera. Araka izany, ao amin’ny fiteny samihafa any Afrika, Azia, Amerika ary ireo nosin’i Pasifika, dia nampiasain’ny fandikana sasany ny Soratra grika be dia be ny anaran’i Jehovah, mba hahitan’ireo mpamaky mazava tsara ny fahasamihafana misy eo amin’ilay Andriamanitra marina sy ireo diso. Hita indray koa ao amina fandikan-teny eoropeana io anarana io.

Ny Fandikan-tenin’izao tontolo izao vaovao dia anisan’ireo fandikan-teny izay mamerina amim-pahasahiana sy ara-drariny ny anaran’Andriamanitra ao amin’ny Soratra grika kristiana. Io fandikan-teny io, misy ankehitriny amin’ny fiteny 11, anisan’izany ny teny frantsay, dia mampiasa ny anaran’Andriamanitra isaky ny manonona andininy iray amin’ny Soratra hebreo ny Soratra grika, eo amin’izay ahitana azy. Amin’ny fitambarany, dia hita in-237 ilay anarana ao amin’io fandikana ny “Testamenta Vaovao” io.

Fahavalon’ny anaran’Andriamanitra

Na dia teo aza ny fiezahana nataon’ny mpandika teny maro mba hamerenana ny anaran’Andriamanitra ao amin’ny Baiboly, ny fivavahana amin’ny ankapobeny dia nanandrana hatrany nampihataka izany tsy ho ao aminy. Nihazona izany ireo Jiosy ao amin’ny Baiboliny, nefa mandà ny hanonona azy. Nanaisotra izany koa ireo kristiana nivadi-pinoana tamin’ny taonjato II sy III, rehefa nanao kopia indray ireo soratanana amin’ny Baiboly grika sy nandika ny tenin’ny Soratra masina. Nanafina io anarana io koa ny mpandika teny sasany amin’ny andro ankehitriny, na dia rehefa niorina tamin’ny hebreo tany am-boalohany izay mampiasa azy efa ho im-7000 aza ny fandikan-tenin’izy ireo (miseho in-6973 izany ao amin’ny tapany hebreo amin’ny Soratra Masina — Fandikan-tenin’izao tontolo izao vaovao).

Ahoana no fiheveran’i Jehovah an’ireo izay mitady hanaisotra ny anarany ao amin’ny Baiboly? Raha mpanoratra ianao ka misy olona mitady amin’ny fomba rehetra hampanjavona ny sonianao eo amin’ireo asanao, hanao ahoana ny fihetsikao eo anoloany? Ireo mpandika teny izay manilika ny anaran’Andriamanitra amin’ny fanaporofoana fa sarotra ny fanononana azy na amin’ny fampahatsiahivana ny lovantsofina jiosy dia mampahatsiaro antsika ireo olona izay nokianin’i Jesosy tamin’ireto teny ireto: “Ry mpitarika jamba! tantavaninareo ny moka, nefa atelinareo ny rameva.” (Matio 23:24). Izy ireo tokoa dia tafintohina amin’ny zava-manahirana madinika mba hamorona amin’ny farany, fanafintohinana mbola lehibe lavitra: ny fanesorana ny anaran’ny olona lehibe indrindra misy tsy ho ao amin’ny boky izay izy mihitsy no nampanoratra azy ara-tsindrimandry.

Nanontany ny mpanao salamo iray fahiny hoe: “Mandra-pahoviana, Andriamanitra ô, no hanaratsian’ny mpandrafy? Hanamavo ny anaranao mandrakizay va ny fahavalo?” — Salamo 74:10.

[Efajoro, pejy 25]

“Ny TOMPO” sy “Jehovah” — teny mitovy ve?

Amin’ny fanoloana ny anarana mampiavaka ny Mpamorona amin’anaram-boninahitra toy ny hoe “Tompo” na “Andriamanitra”, dia simbana ny andalan-teny ao amin’ny Baiboly amin’ny lafiny maro. Voalohany indrindra, dia misy fitenenana sasany manary amin’izany ny heviny manontolo. Izao no vakina momba izany ao amin’ny sasin-teny amin’ny Baibolin’i Jerosalema (anglisy): “Ny antokon-teny hoe ‘Ny Tompo dia Andriamanitra’ dia mahaforona marina tokoa famerimberenana foana [famerenana tsy ilaina sy tsy misy heviny], nefa tsy azo atao ny milaza toy izany ny amin’ny filazana hoe ‘Yahve dia Andriamanitra’.”

Fanampin’izany, dia matetika miteraka fomba fiteny mavesatra indrindra ny fanoloana toy ireny. Ohatra, izao no azo vakina ao amin’ny Salamo 8:10 ao amin’ny Fandikan-teny Eokiomenikan’ny Baiboly [8:9 ao amin’ny Fandikan-tenin’izao tontolo izao vaovao]: “TOMPO, Tomponay ô, endrey ny hatsaran’ny anaranao amin’ny tany rehetra!” Ampy ny mamerina ny anaran’i Jehovah eo amin’ny toerana tsara mba hahitan’io andalan-teny io indray ny fahatsarany rehetra. Ao amin’ny Fandikan-teny malagasy [8:9] dia miseho toy izao izy io: “Jehovah, Tomponay ô, endrey ny voninahitry ny anaranao amin’ny tany rehetra!”

Ankoatra izany, dia mety ho loharanom-pisalasalana ny fanjavonan’ny anaran’Andriamanitra. Ao amin’ny Salamo 110:1 dia izao no voasoratra: “Teny marin’ny TOMPO amin’ny tompoko: ‘Mipetraha eo ankavanako, aoka aho hanao ny fahavalonao ho fitoeran-tongotrao!’ ” (Fandikan-teny Eokiomenikan’ny Baiboly). Ao amin’io teny io, iza no miresaka amin’iza? Moa tsy tsara lavitra ve izao dikany manaraka izao: “Izao no lazain’i Jehovah amin’ny Tompoko: “mipetraha eo an-tànako ankavanana ambara-panaoko ny fahavalonao ho fitoeran-tongotrao” — Fandikan-teny malagasy.

Ny mbola zava-dehibe koa, raha soloana hoe “ny Tompo” ny hoe “Jehovah” dia esorina amin’ny Baiboly ny iray amin’ireo foto-javatra lehibe indrindra mahaforona azy: ny anarana manokan’Andriamanitra. Ao amin’ny bokiny hoe “Jehovah” (pejy faha-36), Alexandre Westphal dia manazava momba izany hoe: “JEHOVAH dia anarana an’ny fivavahana voambara. Izany, raha lazaina tsotra, no fototry ny fiaingana sy fototra iankinan’ny fanambarana hebreo. Jehovah no anarana tokan’ny Andriamanitry ny Isiraely, nasehon’ireo mpaminany ho ilay Andriamanitra velona, ilay Andriamanitra tokana sy masina.”

Ny Diksioneran’ny Baiboly an’i Vigouroux (boky faha-2, laharana faha-1702) dia mamaritra toy izao ny fahasamihafana misy eo amin’ny teny hoe “Andriamanitra” (’El na ’Elôhim amin’ny teny hebreo) sy “Jehovah”: “Ireo fiteny semitika samihafa dia nanana niaraka na nisaraka, anarana iombonana roa mba hanondroana an’Andriamanitra, El sy Elohim. Nampiasa an’izy roa ireo ny Hebreo, na rehefa niresaka ny amin’ilay Andriamanitra marina, na rehefa niresaka ny amin’ireo andriamanitry ny mpivavaka amin’andriamanitra maro. Fanampin’izany dia nanana anarana manokana izy mba hanononana ilay tena Andriamanitra, dia Jehovah na Jahve, ary io no nampiasainy matetika kokoa.”

J. Motyer, talen’ny Trinity College, any Angletera, dia nilaza mihoatra noho izany tamin’izao teny izao: “Manary betsaka amin’ny hasarobidiny ny famakiana ny Baiboly rehefa hadinoina ny anarana manokana izay miafina ao ambadiky ny teny asolo [Andriamanitra na Tompo]. Tamin’ny fampahafantarana ny anarany tamin’ireo mpanompony, dia tian’Andriamanitra ny hampiharihary amin’izy ireo ny tenany amin’ny fomba lalina.” — Eerdmans’ Handbook to the Bible, pejy faha-157.

Rehefa dinihina tsara ny zava-drehetra, dia tsy azo atao tokoa ny manolo marina anarana manokana sy mampiavaka iray amin’ny anaram-boninahitra fotsiny. Feno heviny lalina aoka izany ny anarana manokan’Andriamanitra ka tsy misy teny hafa ho afaka hisolo izany.

[Efajoro/Sary, pejy 26]

Io tapany amin’ny Septante (eo ankavanana) io izay mirakitra andalan-teny roa amin’ny Zakaria (8:19-21, sy 8:23 ka hatramin’ny 9:4) dia mitondra ny datin’ny taonjato voalohany amin’ny fanisan-taona iraisana. Ao amin’ny fitehirizana ny rakitry ny elan’ny Isiraely, ao Jerosalema, izy io. Hita inefatra eo ny anaran’Andriamanitra, ka ny telo dia voatondro eo amin’ny sary. Eo amin’ny Alexandrinus (eo ankavia), kopian’ny Septante natao teo amin’ny 400 taona tatỳ aoriana, ny anaran’Andriamanitra ao amin’ireo andininy ireo ihany dia nosoloana tamin’ny litera KY sy KC, fanafohezana ny teny grika hoe Kurios (“Tompo”).

[Efajoro, pejy 27]

Tamin’ny taonjato faha-19, John Davis, misionera tany Chine, dia nanazava tamin’izao teny izao ireo antony ninoany fa tokony hiseho ao amin’ny Baiboly ny anaran’Andriamanitra: “Raha ohatra ny Fanahy Masina milaza hoe ‘Jehovah’ ao amin’ny andalan-teny toy izao na izao amin’ny teny hebreo, nahoana moa ny mpandika teny anglisy na sinoa no tsy hametraka koa hoe Jehovah? Moa ve izy omen-dalana hamoaka lalàna hoe: Hadikako ny hoe ‘Jehovah’ eto ary hosoloako teny hafa erỳ? (...) Raha misy mihevitra fa misy toe-javatra tsy mahamety ny fampiasana ny anarana hoe Jehovah, dia aoka izy hanome ireo antony. Anjarany ny manaporofo izany. Fanampin’izany, dia tsy ho asa mora izany, satria ho sahirana foana izy hamaly an’ity fanontaniana faran’izay tsotra ity: Raha ohatra, ao amin’ny toe-javatra voafaritra tsara, ka tsy fahendrena ny mampiasa ny teny hoe Jehovah ao amin’ny fandikan-teny, nahoana moa ny mpanoratra nahazo tsindrimandry avy amin’Andriamanitra no nampiasa izany tany am-boalohany?” — The Chinese Recorder and Missionary Journal, boky faha-7, Shangai, 1876.

[Sary, pejy 23]

Ara-drariny, Ny Soratra grika kristiana — Fandikan-tenin’izao tontolo izao vaovao dia mampiasa in-237 ny anaran’Andriamanitra.

[Sary, pejy 24]

Ny anaran’Andriamanitra eo amin’ny eglizy iray any Minorque, ao amin’ny fitambara-nosy espaniolan’i Baléares,

eo amin’ny tsangambato iray any Cempuis (Oise), eo amin’ny zato kilaometatra avy eo Paris, Frantsa,

ary eo amin’ny eglizy San Lorenzo de Parme, any Italia.