Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ny anaran’Andriamanitra — Ny dikany sy ny fanononana azy

Ny anaran’Andriamanitra — Ny dikany sy ny fanononana azy

 Ny anaran’Andriamanitra — Ny dikany sy ny fanononana azy

NY IRAY amin’ny mpanoratra ny Baiboly dia nanontany hoe: “Iza no nahangona ny rivotra tao an-tànany? Iza no nahafono ny rano tamin’ny lambany? Iza no naha-misy ny faran’ny tany rehetra? Iza no anarany, ary iza no anaran’ny zanany? Fa toa fantatrao!” (Ohabolana 30:4) Ahoana no ahafahantsika mahalala hoe iza no anaran’Andriamanitra? Fanontaniana lehibe izany. Ny famoronana dia porofo mahery fa tsy maintsy misy Andriamanitra, nefa tsy manambara amintsika ny anarany izany. (Romana 1: 20) Raha ny marina, dia tsy ho afaka na oviana na oviana hahafantatra ny anaran’Andriamanitra isika raha tsy ny Mpamorona mihitsy no nanambara amintsika. Ary nataony izany ao amin’ny Bokiny manokana, dia ny Baiboly masina.

Tamin’ny toe-javatra nalaza iray, dia notononin’Andriamanitra ny anarany manokana, ka naveriny izany mba ho ren’i Mosesy. Nanoratra fitantarana io fisehoan-javatra io i Mosesy ka izany dia voatahiry ao amin’ny Baiboly hatramin’izao androntsika izao. (Eksodosy 34:5) Nanoratra ny anarany tamin’ny ‘rantsan-tànany’ mihitsy aza Andriamanitra. Rehefa nanome an’i Mosesy izay antsointsika ankehitriny hoe ny Didy Folo Andriamanitra, dia nanoratra izany tamin’ny fomba mahagaga. Milaza ny fitantarana hoe: “Ary rehefa vita ny teny nataony [Andriamanitra] tamin’i Mosesy tao an-tendrombohitra Sinay, dia nomeny azy ny vato fisaka roa, izay nisy ny Vavolombelona, dia vato fisaka voasoratry ny rantsan-tànan’Andriamanitra.” (Eksodosy 31:18) Miseho imbalo ny anaran’Andriamanitra ao amin’ny Didy Folo tany am-piandohana. (Eksodosy 20:1-17) Araka izany dia Andriamanitra mihitsy no nanambara ny anarany tamin’ny olona sady am-bava no an-tsoratra. Koa iza moa izany anarana izany?

Amin’ny fiteny hebreo izy io dia soratana hoe יהוה. Ireo litera efatra ireo, antsoina hoe Tetragrama, dia vakina avy any ankavanana miankavia amin’ny teny hebreo ary azo aseho amin’ny fiteny maro amin’ny andro ankehitriny amin’ny endriny hoe YHWH na JHVH. Ny anaran’Andriamanitra, asehon’ireo renisoratra efatra ireo, dia hita efa ho im-7000 ao amin’ny “Testamenta Taloha” tany am-piandohana, na Soratra hebreo.

Ilay anarana dia endriky ny matoanteny hebreo ha·wahʹ (יהוה), izay ny heviny dia hoe “mahatonga”, ary midika mihitsy hoe “Mahatonga Izy”. * Araka izany, ny anaran’Andriamanitra dia mampiavaka azy ho toy Ilay manatanteraka miandalana ireo fampanantenany ary mahatontosa amin’ny fomba tsy misy diso ireo fikasany. Ilay Andriamanitra marina ihany no afaka hitondra anarana feno heviny toy izany.

Tadidinao ve ny fomba samy hafa nandikana ny anaran’Andriamanitra ao amin’ny Salamo 83:18 (na 19), araka ny novakintsika tao  amin’ny fizarana teo aloha (pejy faha-5)? Ny roa amin’ireo fandikan-teny voatonona dia nanolo tsotra izao ny anaran’Andriamanitra tamin’ny anaram-boninahitra hoe “TOMPO” na “ny Mandrakizay”. Mifanohitra amin’izany kosa, ao amin’ireo teny roa hafa, Iaveh sy Jehovah, dia nahitana fara faharatsiny tapany amin’ireo litera efatra amin’ny anaran’Andriamanitra. Kanefa ireo soratra roa farany dia miavaka indrindra amin’ny fanononana azy. Fa nahoana?

Ahoana no fomba anononana ny anaran’Andriamanitra?

Ny marina dia hoe tsy misy olona mahafantatra amin’ny fomba azo antoka ny fomba nanononana ny anaran’Andriamanitra tany am-piandohana. Nahoana? Izany hoe ny fiteny voalohany nampiasaina tamin’ny fanoratana ny Baiboly dia ny teny hebreo, ary rehefa natao an-tsoratra ny fiteny hebreo, ny mpanoratra dia tsy nampiasa afa-tsy renisoratra — fa tsy zanatsoratra. Noho izany, rehefa nanoratra ny anaran’Andriamanitra ireo mpanoratra nahazo tsindrimandry, dia mitovy amin’izany ny zavatra nataony ka ny renisoratra ihany no nosoratany.

Raha mbola fiteny nampiasaina isan’andro ny teny hebreo fahiny, dia tsy niteraka zava-manahirana izany. Nahazatra ny Isiraelita ny  fanononana ilay Anarana ary rehefa nahita izany nosoratana izy dia nametraka ireo zanatsoratra tsy nisy fieritreretana (toy izany, ho an’ny mpamaky malagasy, ny fanafohezana hoe “Fkt” dia mampiseho ny hoe “Fokontany” ary ny hoe “Frs-pkt” dia mampiseho ny hoe “Firaisam-pokontany”).

Zavatra roa no nitranga mba hanova izany toe-javatra izany. Voalohany, dia nisy finoanoam-poana nipoitra teo amin’ireo Jiosy fa tsy mety ny manonona mafy ny anaran’Andriamanitra; koa rehefa nahita izany izy tao amin’ny famakiany Baiboly dia nanonona ny teny hebreo hoe ’Adho·naiʹ (“Mpanjaka Tompo”). Fanampin’izany, rehefa nandeha ny fotoana, dia nitsahatra tsy nampiasaina tamin’ny resaka isan’andro ny fiteny hebreo tranainy, ary tamin’izany fomba izany no nanadinoana tamin’ny farany ny fanononana tamin’ny teny hebreo tany am-boalohany ny anaran’Andriamanitra.

Mba tsy hahavery ny fanononana ny fiteny hebreo amin’ny fitambarany, dia nisy manam-pahaizana jiosy tamin’ny tapany faharoa amin’ny arivo taona voalohany amin’ny fanisan-taona iraisana namorona fandaharana marika mampiseho ireo zanatsoratra tsy ampy, ary izany dia napetrany niaraka tamin’ireo renisoratra tao amin’ny Baiboly hebreo. Araka izany, dia samy natao an-tsoratra ny zanatsoratra sy ny renisoratra, ary voatahiry ny fanononana tamin’izany fotoana izany.

Rehefa tonga teo amin’ny anaran’Andriamanitra anefa, dia tsy ny mariky ny zanatsoratra mety no napetraka tao, fa tamin’ny ankamaroan’ny toe-javatra dia mariky ny zanatsoratra hafa no napetany mba hampahatsiahivana ny mpamaky fa tokony hiteny hoe ’Adho·naiʹ izy. Avy amin’io no niavian’ny fanononana hoe Iehouah, ary tamin’ny farany, dia Jehovah no lasa fanononana ny anaran’Andriamanitra ekena amin’ny fiteny malagasy. Izany dia mitahiry ireo foto-javatra lehibe amin’ny anaran’Andriamanitra avy amin’ny teny hebreo tany am-boalohany.

Fanononana inona no hampiasainao?

Avy aiza àry no niavian’ny fanononana toy ny hoe Iaveh? Ireny dia endriny naroson’ny manam-pahaizana amin’ny andro ankehitriny izay nanandrana namoaka ny fanononana tany am-boalohany ny anaran’Andriamanitra. Ny sasany — na dia tsy ny rehetra aza — dia mihevitra fa ny Isiraelita talohan’ny andron’i Jesosy dia tsy isalasalana fa nanonona ny anaran’Andriamanitra hoe Iaveh. Nefa tsy misy  manana antoka ny amin’izany. Angamba toy izany no nanononany azy, angamba tsia.

Na izany aza, dia maro no tia kokoa ny fanononana hoe Jehovah. Nahoana? Noho izy io miely sy ampiasaina kokoa noho ny hoe Iaveh. Tsy ho tsaratsara kokoa ve anefa ny mampiasa ny endriny izay mety ho akaiky kokoa ny fanononana tany am-piandohana? Tsia raha ny marina, satria tsy izany no fanao amin’ny anarana ao amin’ny Baiboly.

Mba handraisana ny ohatra malaza indrindra, dia diniho ny anaran’i Jesosy. Ianao ve mahafantatra ny fomba niantsoan’ny fianakavian’i Jesosy sy ny namany azy tamin’ny resadresaka isan’andro raha mbola nitombo tao Nazareta izy? Ny marina dia hoe tsy misy olombelona mahazo antoka ny amin’izany, na dia mety ho zavatra sahalahala amin’ny hoe Yeshua aza izany (na angamba Yehoshua). Marina tokoa fa tsy hoe Jesosy no nanononany azy.

Kanefa, rehefa nosoratana tamin’ny fiteny grika ny tantaran’ny fiainany, ireo mpanoratra nahazo tsindrimandry dia tsy niezaka nitahiry izany fanononana hebreo tany am-boalohany izany. Nadikany ho amin’ny teny grika kosa ilay anarana, dia hoe I·e·sousʹ. Amin’izao andro izao, dia adika amin’ny fomba samy hafa izany araka ny fitenin’ilay mpamaky ny Baiboly. Ireo mpamaky espaniola ny Baiboly dia mahita ny endriny hoe Jesús (tononina  hoe khéssous). Ny Italiana dia manoratra azy hoe Gesù (tononina hoe Djèzou) ary ny Anglisy dia manoratra azy hoe Jesus (tononina hoe Djizess).

Tokony hitsahatra tsy hampiasa ny anaran’i Jesosy ve isika satria ny ankamaroantsika, na isika rehetra mihitsy aza, tsy mahafantatra marina ny fanononana izany tany am-piandohana? Hatramin’izao dia tsy nisy mpandika teny nanolo-kevitra toy izany. Tiantsika ny mampiasa ilay anarana, satria izany mampiavaka ny Zanaka malalan’Andriamanitra, Jesosy Kristy, izay nanome ny ainy ho antsika. Moa ve ho fanajana an’i Jesosy ny fanesorana izay rehetra mety ho anarany ao amin’ny Baiboly sy ny fanoloana izany amina anaram-boninahitra fotsiny toy ny hoe “Mpampianatra”, na “Mpanalalana”? Mazava ho azy fa tsia! Mora lavitra ny maka sary an-tsaina an’i Jesosy rehefa mampiasa ny anarany amin’ny fomba anononan’ny maro izany amin’ny fitenintsika isika.

Azo atao ny manome fanazavana mitovy amin’izany momba ny anarana rehetra vakintsika ao amin’ny Baiboly. Tononintsika amin’ny fitenintsika manokana izy ireny ary tsy mitady hanahaka ny fanononana tany am-piandohana isika. Araka izany dia hoy isika hoe “Jeremia”, fa tsy Yirmeyâhou. Toy izany koa dia hoy isika hoe: Isaia, na dia fantatra tamin’ny hoe Yesha‘yâhou aza io mpaminany io tamin’ny androny. Na dia ireo manam-pahaizana izay mahatsapa tsara ny fanononana tany am-piandohana an’ireny anarana ireny aza dia mampiasa ny fanononana amin’ny andro ankehitriny, fa tsy ny tranainy, rehefa miresaka momba azy ireny.

Ary marina koa izany raha ny amin’ny anaran’i Jehovah. Na dia mety ho tsy ny tena fomba nanononana azy tany am-piandohana aza no anononana azy amin’ny andro ankehitriny hoe Jehovah, izany dia tsy mampihena mihitsy ny maha-zava-dehibe ilay anarana. Izany dia mampiavaka ny Mpamorona, ny Andriamanitra velona, ny Avo Indrindra izay nilazan’i Jesosy hoe: “Rainay Izay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao.” — Matio 6:9.

‘Tsy azo soloana izany’

Na dia mpandika teny maro aza no tia ny fanononana hoe Iaveh, ny Fandikan-tenin’izao  tontolo izao vaovao sy ny fandikan-teny maro hafa koa dia manohy mampiasa ny endriny hoe Jehovah noho ny fifankazaran’ny olona tamin’izany hatramin’ny taonjato maro. Fanampin’izany izy io dia mitahiry, mitovy amin’ireo endriny hafa, ny litera efatra amin’ny Tetragrama, YHWH na JHVH. *

Taloha kokoa, ny profesora alemanina Gustav Friedrich Oehler dia nanao fanapahan-kevitra mitovy amin’izany noho ny antony toy izany ihany. Nandinika fanononana samihafa izy ary namarana hoe: “Manomboka hatreo dia mampiasa ny teny hoe Jehovah aho, satria araka ny tena izy, io anarana io izao dia nanjary nampidirina ao amin’ny voambolantsika, ary tsy azo soloana.” — Theologie des Alten Testaments (Teolojian’ny Testamenta Taloha), fanontana faharoa, natonta tamin’ny 1882, pejy faha-143.

Mitovy amin’izany koa, ao amin’ny Grammaire de l’hébreu biblique nosoratany (Fitsipi-panoratana ny teny hebreon’ny Baiboly), fanontana tamin’ny 1923, eo amin’ny fanamarihana ambany pejy faha-49, ilay manam-pahaizana atao hoe Paul Joüon dia manambara toy izao: “Ao amin’ireo fandikan-teninay, ho solon’ny endriny (notombatombanana) hoe Yahweh, dia nampiasainay ny endriny hoe Jehovah (...) izay endriny nahazatra araka ny haisoratra amin’ny teny frantsay.” Ao amin’ny fiteny maro hafa, ireo mpandika tenin’ny Baiboly dia mampiasa endriny mitovy, araka ny ampisehoana izany eo amin’ny faritra voafefy ao amin’ny pejy faha-8.

Ratsy àry ve ny mampiasa endriny toy ny Iaveh na Yahweh? Tsia dia tsia. Ny endriny hoe Jehovah fotsiny no tsy isalasalana fa neken’ny mpamaky haingana kokoa satria io no endriny noraisina ao amin’ny ankamaroan’ireo fiteny. Ny zava-dehibe dia ny hampiasantsika ilay anarana sy ny hanambarantsika izany amin’ny hafa: “Miderà an’i Jehovah, miantsoa ny anarany, ampahafantaro any amin’ny firenena ny asany. Ampahatsiarovy fa efa misandratra ny anarany.” — Isaia 12:4.

Aoka hojerentsika hoe ahoana no nanaovan’ny mpanompon’Andriamanitra zavatra mifanaraka amin’izany baiko izany tao anatin’ireo taonjato.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 5 Jereo ny Fanampiny 1A ao amin’ny fanontana anglisy tamin’ny 1984 Ny Soratra masina — Fandikan-tenin’izao tontolo izao vaovao.

^ feh. 22 Jereo ny Fanampiny 1A ao amin’ny fanontana anglisy tamin’ny 1984 Ny Soratra masina — Fandikan-tenin’izao tontolo izao vaovao.

[Efajoro, pejy 7]

Manam-pahaizana samy hafa no manana hevitra samy hafa momba ny fomba nanononana tany am-piandohana ny anarana hoe YHWH.

Ao amin’ny boky The Mysterious Name of Y.H.W.H. (Ny anarana mahagagan’i Y.H.W.H., pejy faha-74), M. Reisel dia manohana fa “tany am-piandohana ny fanonona ny Tetragrama miaraka amin’ny zanatsoratra dia tokony ho YeHōūàH na YaHōūaH”.

Momba ny soratra hoe Yahvé, Alexandre Westphal dia mamaritra tsara ao amin’ny Dictionnaire encyclopédique de la Bible nosoratany (1932-35) hoe: “Tsy misy porofo ananana fa io endriny io no tena marina. Ny nanoratan’ireo Jiosy avy any Eléphantine hoe Jahou dia mamela hieritreritra fa ny fomba fanonona ny anarana manokan’Andriamanitry ny Isiraely dia mbola mifono zava-miafina ihany.” — Boky I, pejy faha-295.

Ao amin’ny rakibolan’ny fandikan-tenin’i Segond nohavaozina (1978, pejy faha-9) dia hita izao fanamarihana manaraka izao: “Ny fanononana hoe Yahvé, atolotra ao amin’ny fandikana vao haingana dia miorina amina fanambaràna tranainy vitsivitsy izay tsy hentitra: ho azo atao tsara koa ny manorina indray ny fanononana hoe Yaho na Yahou, amin’ny fiheverana ireo anaran’olona, izay idiran’ny anaran’Andriamanitra amin’ny fiforonany, ohatra ny anarana hebreon’i Elia mpaminany: Eliyahou.”

Tamin’ny 1749 ny manam-pahaizana alemanina momba ny Baiboly atao hoe Teller dia nilaza ny amin’ny fanononana samy hafa sasany ny anaran’Andriamanitra izay novakiny: “Diodore avy any Sicile, Macrobe, Clément avy any Aleksandria, masindahy Jérôme sy Origène dia nanoratra hoe Jao; ny Samaritana, Epiphane, Théodoret, nanoratra hoe Jahe na Jave; Louis Cappel namaky hoe Javoh; Drusius, Jahve; Hottinger, Jehva; Mercerus [Mercier], Jehovah; Castellio, Jovah; ary le Clerc, Jawoh na Javoh.

Miharihary àry fa ny fanononana ny anaran’Andriamanitra tany am-boalohany dia tsy fantatra intsony. Tsy tena zava-dehibe izany, raha tsy izany dia ho nitandrina ny Mpamorona mba hitahirizana izany ho antsika. Ny zava-dehibe dia ny hampiasana ny anaran’Andriamanitra mifanaraka amin’ny fanononana ampiasaina ao amin’ny fitenintsika manokana.

[Efajoro, pejy 8]

Endriky ny anaran’Andriamanitra amin’ny fiteny samihafa, mampiseho ny fanekena iraisam-pirenena ny hoe Jehovah:

Alemanina: Jehova

Anglisy: Jehovah

Awabakal: Yehóa

Bugotu: Jihova

Cantonais: Yehwowah

Danoa: Jehova

Efik: Jehovah

Espaniola: Jehová

Fidjien: Jiova

Finnois: Jehova

Frantsay: Jéhovah

Futunien: Ihowa

Hongrois: Jehova

Igbo: Jehova

Italiana: Geova

Japone: Ehoba

Malagasy: Jehovah

Maori: Ihowa

Motou: Iehova

Mwala-Malu: Jihova

Narrinyeri: Jehovah

Néerlandais: Jehovah

Nembe: Jihova

Petats: Jihouva

Polonais: Jehowa

Portugais: Jeová

Roumain: Iehova

Samoan: Ieova

Sotho: Jehova

Souahéli: Yehova

Suédois: Jehova

Tagal: Jehova

Tahitien: Jehovah

Tonga: Jihova

Venda: Yehova

Xhosa: uYehova

Yoruba: Jehofah

Zoulou: uJehova

[Efajoro, pejy 11]

Nanjary fantatra hatraiza hatraiza ny hoe “Jehovah” ho toy ny anaran’Andriamanitra na dia teo amin’izao tontolo izao tsy miankina amin’ny Baiboly aza.

Franz Schubert dia namorona ny mozikan’ny “lied” an’i Johann Ladislav Pyrker mitondra ny lohateny hoe “Ny Hery Tsitoha”, izay ahitana indroa ny anaran’i Jehovah. Hita ihany koa ao amin’ny “opéra” “Nabucco” nataon’i Verdi io anarana io, indrindra eo amin’ny faran’ny fizarana farany.

Fanampin’izany, ny anarana hoe Jehovah dia miverina matetika ao amin’ny “oratorio” “Davida Mpanjaka”, an’ilay mpamoron-kira frantsay atao hoe Arthur Honegger, ary ny mpanoratra frantsay malaza atao hoe Victor Hugo dia nampiasa izany tao amin’ny 30 mahery ao amin’ireo asany sorany. Izy sy Lamartine dia samy nanoratra tononkalo mitondra ny lohateny hoe “Jehovah”.

Ao amin’ny boky Deutsche Taler (Ny vola alemanina), navoakan’ny Banky federalin’i Alemaina tamin’ny 1967, dia misy sarin’ny iray amin’ireo vola vy tranainy indrindra ahitana ny anarana hoe “Jehovah”. Izany dia vola alemanina tamin’ny 1634 namboarina tany Silésie. Momba ny sary ao ambadik’ilay vola vy dia hoy izy hoe: “Eo ambany anarana manjelajelatra hoe JEHOVAH, izay miakatra avy eo anivon’ny rahona, dia misy ampinga voaravaky ny fiadiana sileziana.”

Ao amin’ny fitehirizana ny rakitry ny ela iray any Rudolstadt, any Atsinanan’i Alemaina, ny anarana hoe JEHOVAH dia miseho amin’ny sora-baventy eo amin’ny fandrakofana hatoky ny akanjo fiadiana nanaovan’i Gustave II Adolphe, mpanjakan’i Soeda, tamin’ny taonjato faha-17.

Araka izany, nandritra ny taonjato maro, dia ny endriny hoe Jehovah no fomba iraisam-pirenena nekena mba hanononana ny anaran’Andriamanitra, ary ny olona izay mahare izany dia mahafantatra avy hatrany hoe iza no resahina amin’izany. Araka ny voalazan’ny profesora Gustave Oehler, “io anarana io no niditra tsara indrindra ao amin’ny voambolantsika, ary tsy azo soloana.” — Theologie des Alten Testaments (Teolojian’ny Testamenta Taloha).

[Sary, pejy 6]

Antsipiriany ny amin’ny anjely iray mitondra ny anaran’Andriamanitra hita eo amin’ny fasan’ny Papa Clément faha-13 ao amin’ny eglizy lehiben’i Masindahy Piera, any Vatican.

[Sary, pejy 7]

Vola vy maro no narendrika nasiana ny anaran’Andriamanitra. Ity iray ity, tamin’ny 1661, dia avy any Nuremberg, Alemaina. Ny soratra latina dia amakiana hoe: “Eo ambany aloky ny elatrao”.

[Sary, pejy 9]

Tamin’ny andro fahiny, ny anaran’Andriamanitra tamin’ny endriky ny Tetragrama dia natao anisan’ny fandravahana ny trano fivavahana maro.

Eglizy katolika lehiben’i Fourvière, any Lyon, Frantsa.

Katedralin’i Bourges, Frantsa.

Eglizy ao La Celle-Dunoise, Frantsa.

Eglizy ao Digne, atsimon’i Frantsa.

Fiangonana ao São Paulo, Brezila.

Katedralin’i Strasbourg, Frantsa.

Katedralin’i Masindahy Marka, any Venise, Italia.

[Sary, pejy 10]

Ny anaran’i Jehovah, araka ny isehoany ao amin’ny monasteran’i Bordesholm, any Alemaina;

eo amin’ny vola vy alemanina iray tamin’ny 1635;

eo ambony varavaran’ny fiangonana iray any Fehmarn, any Alemaina;

ary eo amin’ny vatom-pasana iray tamin’ny 1845 any Harmannschlag, any Basse-Autriche.