Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Hohamasinina anie ny Anaranao” — Anarana iza?

“Hohamasinina anie ny Anaranao” — Anarana iza?

 “Hohamasinina anie ny Anaranao” — Anarana iza?

OLONA mivavaka ve ianao? Tsy isalasalana àry fa sahala amin’ny maro hafa, dia mino Fisiana tampony iray ianao. Ary azo antoka fa manana fanajana lehibe ilay vavaka malaza ho an’io Fisiana io ianao, dia vavaka nampianarin’i Jesosy ny mpianany ary fantatra amin’ny hoe ny Vavaka nampianarin’ny Tompo na ny Rainay. Manomboka toy izao ilay vavaka: “Rainay Izay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao.” — Matio 6:9.

Mba efa nanontany tena ve ianao hoe nahoana i Jesosy no nametraka ny ‘fanamasinana’ ny anaran’Andriamanitra amin’ny toerana voalohany ao amin’io vavaka io? Manaraka izany, dia resahiny ny zavatra hafa toy ny fahatongavan’ny Fanjakan’Andriamanitra, ny fanaovana ny sitrapon’Andriamanitra eto an-tany ary ny famelana ny fahotantsika. Ny fahatanterahan’ireo hataka hafa ireo dia hilaza amin’ny farany fiadanana maharitra eto an-tany sy fiainana mandrakizay ho an’ny olombelona. Afaka mieritreritra zava-dehibe kokoa noho izany ve ianao? Kanefa Jesosy dia nilaza amintsika mba hivavaka voalohany indrindra ho an’ny fanamasinana ny anaran’Andriamanitra.

Tsy kisendrasendra fotsiny akory ny nampianaran’i Jesosy ny mpianany hametraka ny anaran’Andriamanitra amin’ny toerana voalohany ao amin’ny vavaka ataony. Hita fa zava-dehibe manokana ho azy io anarana io, satria noresahiny imbetsaka izany tao amin’ny vavaka nataony manokana. Indray mandeha raha nivavaka ampahabemaso tamin’Andriamanitra izy, dia re niteny hoe: “Ray ô, mankalazà ny anaranao.” Ary Andriamanitra mihitsy no namaly hoe: “Efa nankalaza azy aho, ary hankalaza azy indray.” — Jaona 12:28.

Ny hariva nialoha ny hahafatesany, dia ren’ny mpianatra izy nivavaka tamin’Andriamanitra, ary teo indray izy ireo dia nahare azy nampisongadina ny maha-zava-dehibe ny anaran’Andriamanitra. Hoy izy: “Nasehoko tamin’ny olona izay nomenao Ahy avy tamin’izao tontolo izao ny anaranao”. Tatỳ aoriana, dia namerina izy hoe: “Ary efa nampahafantariko azy ny anaranao, ary mbola hampahafantariko ihany”. — Jaona 17:6, 26.

Nahoana moa ny anaran’Andriamanitra no zava-dehibe toy izany ho an’i Jesosy? Nahoana izy no nampiseho fa zava-dehibe koa izany ho antsika, tamin’ny filazana amintsika mba hivavaka ho an’ny fanamasinana azy? Mba hahatakarana izany, dia ilaintsika ny mahatsapa hoe ahoana no niheverana ny anarana tamin’ny andron’ny Baiboly.

Ny anarana tamin’ny andron’ny Baiboly

Miharihary fa napetrak’i Jehovah Andriamanitra ao amin’ny olona ny faniriana hanome anarana. Nanana anarana ny olombelona voalohany, dia Adama. Ao amin’ny tantaran’ny famoronana, ny iray amin’ireo zavatra voalohany voalaza fa nataon’i Adama dia ny fanomezana anarana ny biby. Rehefa nanome vady ho an’i Adama Andriamanitra, avy hatrany Adama dia niantso azy hoe “Vehivavy” (’Ish·shahʹ, amin’ny teny hebreo). Tatỳ aoriana, ny dikany dia hoe “Velona”, satria “izy no [ho tonga, MN] renin’ny olombelona rehetra”. (Genesisy 2:19, 23; 3:20) Na dia amin’izao andro izao aza dia arahintsika ny fahazarana manome anarana ny olona. Sarotra tokoa mantsy ny maka sary an-tsaina hoe ahoana no ahafahantsika manao zavatra raha tsy misy anarana.

Tamin’ny andron’ny Isiraelita anefa, ny anarana dia tsy hoe soratra napetaka fotsiny. Nisy heviny izy ireny. Ohatra, ny anaran’Isaka, “Fihomehezana”, dia mampahatsiahy ny  fihomehezan’ireo ray aman-dreniny be taona rehefa nahare voalohany izy fa hanan-janaka. (Genesisy 17:17, 19; 18:12) Ny dikan’ny anaran’i Esao dia hoe “Voloina”, milazalaza ny toetra nampiavaka azy ara-batana. Ny anarany hafa, Edoma, “Mena”, na “Menamena”, dia fampahatsiarovana fa izy dia nivarotra ny fizokiany ho takalon’ny laoka voanemba mena. (Genesisy 25:25, 30-34; 27:11; 36:1) Jakoba, na dia zandrin’i Esao rahalahiny kambana taminy kely fotsiny aza, dia nividy ny fizokiany avy tamin’i Esao ary nandray ny fitahian’ny lahimatoa avy tamin-drainy. Hatrany am-pahaterahana, ny hevitry ny anaran’i Jakoba dia hoe “Mihazona ny ombelahin-tongotra” na “Mpisongona”. (Genesisy 27:36) Toy izany koa fa ny anarana hoe Solomona, izay nandritra ny fanjakany no nifalian’ny Isiraely tamin’ny fiadanana sy ny firoboroboana, dia nidika hoe “Miadana”. — I Tantara 22:9.

Araka izany, ny Diksioneran’ny Baiboly misy sary (anglisy, boky I, pejy faha-572) dia manambara izao manaraka izao: “Ny fandinihana ny teny hoe ‘anarana’ ao amin’ny T[estamenta] T[aloha] dia manambara hoe hatraiza ny heviny amin’ny teny hebreo. Tsy soratra apetaka fotsiny ilay anarana, fa mampiavaka ny tena maha-izy an’ilay olona mitondra azy”.

Ny hoe iheveran’Andriamanitra ireo anarana ho zava-dehibe dia hita fony izy, tamin’ny alalan’ny anjely iray, nanome toromarika ho an’ireo ho ray aman-drenin-dry Jaona Mpanao batisa sy Jesosy ny amin’izay tokony ho anaran’ireo zanakalahiny. (Lioka 1:13, 31) Ary indraindray dia nanova ireo anarana izy, na nanome ny olona anarana fanampiny koa, mba hampisehoana ny toerana tokony hananany ao amin’ny fikasany. Ohatra, rehefa nanambara Andriamanitra fa Abrama (“Rain’ny fisandratana”) mpanompony dia hanjary ho rain’ny firenena maro dia novany ny anarany ho Abrahama (“Rain’ny maro”). Ary novany ny anaran’ny vadin’i Abrahama hoe Saray (“Mpila ady”), ho Saraha (“Andriambavy”), satria izy no ho renin’ny taranak’i Abrahama. — Genesisy 17:5, 15, 16; ampitahao amin’ny Genesisy 32:28; II Samoela 12:24, 25.

Jesosy koa dia nanaiky ny maha-zava-dehibe ny anarana ka nanisy firesahana ny amin’ny anaran’i Petera izy raha nanome azy tombontsoam-panompoana. (Matio 16:16-19) Na dia ny zavaboary ara-panahy aza dia manana anarana. Ny roa voalaza ao amin’ny Baiboly dia Gabriela sy Mikaela. (Lioka 1:26; Joda 9) Ary rehefa manome anarana zavatra tsy manana aina toy ny kintana, ny planeta, ny tanàna, ny tendrombohitra ary ny renirano ny olona, dia manahaka fotsiny ny Mpamorona azy. Ohatra, lazain’ny Baiboly antsika fa miantso ny kintana rehetra amin’ny anarany Andriamanitra. — Isaia 40:26.

Eny, zava-dehibe ireo anarana eo imason’Andriamanitra, ary napetrany tao amin’ny olona ny faniriana hanavaka ny olona sy ny zavatra amin’ny alalan’ny anarana. Araka izany ny anjely, ny olona, ny biby, ary koa ny kintana sy ny zavatra tsy manana aina hafa dia manana anarana. Ho ara-dalàna ve ho an’ny Mpamorona an’ireo zavatra rehetra ireo ny hamela ny tenany tsy hanana anarana? Mazava ho azy fa tsia, indrindra rehefa jerena ny tenin’ny mpanao salamo hoe: “Aoka ny nofo rehetra hankalaza ny anarany [an’Andriamanitra] masina mandrakizay doria.” — Salamo 145:21.

Ny Diksionera vaovao iraisam-pirenena momba ny teolojian’ny Testamenta Vaovao (anglisy), boky II, pejy faha-649 dia milaza hoe: “Ny iray amin’ireo lafin-javatra fototra sy tena ilaina amin’ny fanambaran’ny Baiboly dia ny hoe Andriamanitra dia tsy hoe tsy manana anarana akory: manana anarana manokana izy, izay azo iantsoana sy tokony hiantsoana azy.” Tao an-tsain’i Jesosy marina tokoa io anarana io rehefa nampianatra ny mpianany izy hivavaka hoe: “Rainay Izay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao.” — Matio 6:9.

Rehefa jerena izany rehetra izany, dia miharihary fa zava-dehibe ho antsika ny mahafantatra hoe iza no anaran’Andriamanitra. Ianao ve mahalala ny anarana manokan’Andriamanitra?

 Iza moa no anaran’Andriamanitra?

Mahagaga fa ny ankamaroan’ireo mpikambana an-jato tapitrisany maro ao amin’ireo fiangonan’ny fivavahana lazaina fa kristiana dia tsy isalasalana fa hahita hoe sarotra ny mamaly izany fanontaniana izany. Hilaza ny sasany fa ny anaran’Andriamanitra dia Jesosy Kristy. Jesosy anefa dia nivavaka tamin’olon-kafa rehefa niteny hoe: “Nasehoko tamin’ny olona izay nomenao Ahy tamin’izao tontolo izao ny anaranao”. (Jaona 17:6) Nivavaka tamin’Andriamanitra tany an-danitra izy, toy ny zanakalahy iray miteny amin’ny rainy. (Jaona 17:1) Ny anaran’ny Rainy any an-danitra no tokony “hohamasinina”.

Kanefa Baiboly maro amin’ny andro ankehitriny no tsy mirakitra ilay anarana, ary mahalana no ampiasaina izany ao amin’ireo fiangonana. Noho izany dia tsy “nohamasinina” mihitsy izy io, fa nafenina tamin’ny mpamaky Baiboly an-tapitrisany maro. Ho ohatra ny amin’ny fomba nandraisan’ireo mpandika ny Baiboly ny anaran’Andriamanitra, dia hevero ny andininy iray monja izay isehoany: Salamo 83:18. Toy izao no nandikana io andininy io ao amina Baiboly efatra samy hafa:

“Aoka ho fantany fa ianao dia mitondra ny anarana hoe TOMPO, dia ianao irery, ilay Avo Indrindra ambonin’ny tany rehetra!” (Fandikan-teny eokimenikan’ny Baiboly, 1977).

“Aoka ho fantany fa ianao irery ihany, izay manana anarana hoe ny Mandrakizay, no Avo Indrindra ambonin’ny tany rehetra!” (Ny Baiboly, nataon’i Louis Segond, 1910).

“Aoka ho fantany fa hianao — dia Iaveh no anaranao, — hianao ihany no ilay Avo indrindra ambonin’ny tany rehetra!” (83:19, Fandikan-teny katolika amin’ny teny malagasy)

“Ary aoka ho fantany fa Hianao irery ihany, Izay atao hoe Jehovah, no Ilay Avo Indrindra ambonin’ny tany rehetra.” (Fandikan-teny malagasy).

Nahoana moa ny anaran’Andriamanitra no hita ho samy hafa toy izany ao amin’ireo fandikan-teny ireo? Moa ve ny anarany TOMPO, Ny Mandrakizay, Iaveh sa Jehovah? Sa azo ekena izy rehetra ireo?

Mba hamaliana izany dia tsy maintsy tsarovantsika fa tsy nosoratana tamin’ny teny malagasy ny Baiboly tany am-boalohany. Hebreo ireo mpanoratra ny Baiboly, ary nanoratra indrindra tamin’ny teny hebreo sy grika tamin’ny androny izy. Ny ankamaroantsika dia tsy miteny ireo fiteny tranainy ireo. Nefa ny Baiboly dia nadika ho amin’ny fiteny maro amin’ny andro ankehitriny, ary afaka mampiasa ireny fandikan-teny ireny isika rehefa maniry hamaky ny Tenin’Andriamanitra.

Manana fanajana lalina ny Baiboly ny kristiana ary mino ara-drariny fa ny “Soratra rehetra dia ara-tsindrimandrin’Andriamanitra”. (II Tim. 3:16, MN) Noho izany, ny fandikana ny Baiboly dia andraikitra mavesatra. Raha misy olona manova na manaisotra an-tsitrapo tapany amin’izay raketin’ny Baiboly, dia mandiso ny Teny ara-tsindrimandry izy. Mihatra amin’ny toy izany ny fampitandreman’ny Soratra masina hoe: “Raha misy manampy ireo, Andriamanitra hanampy ireo loza voasoratra eto anatin’ity boky ity ho azy; ary raha misy manaisotra amin’ny teny amin’ny bokin’ity faminaniana ity, dia hesorin’Andriamanitra ny anjarany amin’ny hazon’aina”. — Apokalypsy 22:18, 19; jereo koa Deoteronomia 4:2.

Tsy isalasalana fa manaja ny Baiboly ny ankamaroan’ny mpandika ny Baiboly ary maniry amim-pahatsorana hanao izay hahazoana ny heviny amin’izao andro ankehitriny izao. Nefa tsy nahazo tsindrimandry akory ireo mpandika teny. Ny ankamaroan’izy ireny dia manana fiheverana mahery koa, momba ny raharaha ara-pivavahana ary mety hatosiky ny hevitra sy ny fitiavan-javatra manokana. Mety hanao fahadisoan-kevitr’olombelona koa izy ireny na fahadisoana ara-pitsarana.

Noho izany, dia manana zo isika hilaza fanontaniana lehibe sasany: Iza moa no tena anaran’Andriamanitra? Ary nahoana moa ny fandikan-teny samihafan’ny Baiboly no manome anarana tsy mitovy ho an’Andriamanitra? Rehefa avy nametra ny valin’ireo fanontaniana ireo isika, dia afaka hiverina amin’ny zava-manahirana antsika teo am-piandohana: Nahoana moa no zava-dehibe toy izany ny fanamasinana ny anaran’Andriamanitra?

[Teny notsongaina, pejy 4]

Ny anjely, ny olona, ny biby ary koa ny kintana sy ny zavatra hafa tsy manana aina dia manana anarana. Ho ara-dalàna ve raha tsy manana anarana ny Mpamorona ireo zavatra rehetra ireo?

[Teny notsongaina, pejy 5]

Hita fa zava-dehibe manokana ho an’i Jesosy ny anaran’Andriamanitra satria noresahiny imbetsaka tao amin’ny vavaka nataony izany.