Fandalinana ny Soratra Masina

Zena

Malagasy
Zena
https://assetsnffrgf-a.akamaihd.net/assets/ct/d71826a198/images/syn_placeholder_sqr.png
it p. 1228

Zena

Zena

(Zèna).

Olom-pantatr’i Paoly, ka hoy izy tamin’i Titosy: “Omeo an’i Zena ... sy Apolosy ny zava-drehetra ilainy ho amin’ny diany.” (Tit 3:13) Tany amin’ny nosy Kreta i Zena tamin’izay, saingy tsy fantatra na ho any Nikopolia (nikasa hihaona tamin’i Titosy tany i Paoly; Tit 3:12), na ho any an-toeran-kafa izy sy Apolosy. ‘Nahay ny [Lalàn’i Mosesy]’ i Zena, hoy i Paoly. Mety ho Jiosy àry izy, na koa nanaraka ny Fivavahana Jiosy ary niova ho Kristianina, matoa nanana anarana grika. Tsy azo antoka anefa izany, satria maro ny Jiosy nanana anarana grika na romanina tamin’ny taonjato voalohany, toa an’i Josto, Dorkasy, ary Marka.​—As 1:23; 9:36; 12:25.