Fandalinana ny Soratra Masina

Zalmona

Malagasy
Zalmona
/assets/ct/b025754cdb/images/syn_placeholder_sqr.png
it p. 1188-1189

Zalmona

Zalmona

(Zalmòna).

1. Mpanjakan’ny Midianina. Nampahory an’ireo Israelita nandritra ny fito taona ny tafiny sy ireo mpiray dina taminy, talohan’ny naha mpitsara an’i Gideona. (Mpts 6:1) Olom-bitsy monja no niaraka tamin’i Gideona, nefa resiny ireo mpanafika ka vaky nandositra. Nenjehiny ireo fahavalo ary tratrany i Zebaha sy Zalmona Mpanjaka, ka novonoiny ho faty.​—Mpts 6:33; 8:4-21; Sl 83:11, 12; jereo ZEBAHA.

2. Ahohita anisan’ny miaramila mpiadin’i Davida. (2Sa 23:8, 28) Toa nantsoina hoe Ely izy ao amin’ny 1 Tantara 11:29.

3. Toerana nitobian’ny Israelita tany an-tany efitra, rehefa niala avy teo amin’ny Tendrombohitra Hora izy ireo, talohan’ny nankanesany tany Ponona. (No 33:41, 42) Nilaza i Y. Aharoni, Hebreo mpikaroka, fa mety ho i es-Salmaneh no Zalmona, 20 km eo ho eo avaratra avaratrandrefan’ilay toerana lazaina fa Ponona.

4. Tendrombohitra akaikin’i Sekema. Teny amin’io tendrombohitra io i Abimeleka sy ny tafiny no nikapa hazo, mba handoroana an’ilay efitra fandosirana tao amin’ny tanànan’i Sekema. (Mpts 9:48, 49) I Ebala sy Gerizima ihany anefa no tendrombohitra akaikin’i Sekema. Mety ho tendron’iray tamin’izy ireo na tehezany àry i Zalmona, na mety ho havoana kely teo akaiky teo.

5. Tendron’ny tendrombohitra iray any Basana, atsinanan’i Jordana. (Sl 68:14, 15) Io angamba no tendrony avo indrindra amin’ny Tendrombohitra Haorana (Jebel ed Droz).