Fandalinana ny Soratra Masina

Vala

Malagasy
Vala
https://assetsnffrgf-a.akamaihd.net/assets/ct/d71826a198/images/syn_placeholder_sqr.png
it p. 1107

Vala

Vala

Toerana kely voafefy ametrahana biby. (Ze 2:6; jereo VALAN’ONDRY.) Oharina amin’ny “andian’ondry ao am-bala” ny Israely nangonina indray sy tafaray. (Mi 2:12, TV; Prot.) Bôtsrah (heb.) izay nadika koa hoe “Bozra” (tanàna tany Edoma sy tany Moaba) no nampiasaina tao amin’ny soratra nataon’ny Masoreta eo. Midika hoe “vala” (Kat.) koa anefa ny hoe bôtsrah, hoy ny manam-pahaizana sasany, raha jerena ny firafitry ny fehezanteny ao amin’ny Mika 2:12. Hifanitsy amin’ny teny arabo hoe sirat (vala) ilay teny, raha ovana kely ny teboka solon’ny zanatsoratra.