Fandalinana ny Soratra Masina

Talita Komy

Malagasy
Talita Komy
/assets/ct/7e6416ec85/images/syn_placeholder_sqr.png
it p. 940

Talita Komy

Talita Komy

(Talità komỳ).

Teny semitika notononin’i Jesosy Kristy tamin’izy nanangana tamin’ny maty ny zanakavavin’i Jairo, ary midika hoe: “Ry zazavavy, hoy aho aminao: Miarena!” (Mr 5:41) Samihafa ny litera nanoratana azy io ao amin’ireo sora-tanana grika. Matetika izy io no lazaina fa teny aramianina, nefa mety ho hebreo na aramianina koa ny tapany farany (“komi”), fara faharatsiny, hoy ny Diksionerani Vine Manazava ny Testamenta Taloha sy Vaovao (1981, Boky Faha-4, p. 109). Avy amin’ny hoe taleh (heb.; “zanak’ondry”) kosa ny hoe talita, hoy i Gesenius mpanao diksionera.​—Diksioneran’ny Testamenta Taloha Hebreo-Anglisy, nataon’i Brown sy Driver ary Briggs, 1980, p. 378.