Fandalinana ny Soratra Masina

Sakan’ny Felatanana

Malagasy
Sakan’ny Felatanana
/assets/ct/e5be1b2cc6/images/syn_placeholder_sqr.png
it p. 796

Sakan’ny Felatanana

Sakan’ny Felatanana

Refy mitovitovy amin’ny haben’ny felatanana ary mira 7,4 sm. Voantondro efatra ny sakan’ny felatanana iray, ary sakan’ny felatanana enina ny iray hakiho. (Ek 25:25; 37:12; 1Mp 7:26; 2Ta 4:5; Ezk 40:5, 43; 43:13) “Nataonao vitsy andro aho”, hoy i Davida. (Sl 39:5) Tsy hoe “vitsy” fa “sakan’ny felatanana fotsiny” no ao amin’ny soratra hebreo nataon’ny Masoreta. Nampiasa ny hoe “hakiho” kosa i Kristy Jesosy. Hoy izy: “Iza aminareo no mahay manalava ny androm-piainany, na kely [a.b.t.: iray hakiho] monja aza, rehefa manahy?”​—Mt 6:27.