Fandalinana ny Soratra Masina

Rajako

Malagasy
Rajako
/assets/ct/7e6416ec85/images/syn_placeholder_sqr.png
it p. 715

Rajako

Rajako

[Heb.: kôhf].

Mety ho gidro lava rambo noresahin’ny mpanoratra fahiny hoe avy any Etiopia, ireo rajako nohafaran’i Solomona Mpanjaka. (1Mp 10:22; 2Ta 9:21) Misy kosa milaza fa nentin’ny andian-tsambon’i Solomona avy any Inde na Sri Lanka izy ireny, satria toa iray tarika amin’ny teny sanskrit hoe kapi ny hoe kôhf (heb.), ary avy any Azia atsimoatsinanana ny vorombola niara-nentina taminy. Tsy voatery ho avy any amin’ny tany niaviany, na avy amin’ny toerana iray ihany, anefa ny zavatra niara-nohafarana. Efa nisy fifanakalozana ara-barotra mantsy teo amin’i Inde sy Afrika, na dia talohan’ny andron’i Solomona aza.​—Jereo TARSISY No. 4; VOROMBOLA.