Fandalinana ny Soratra Masina

Pekahia

Malagasy
Pekahia
https://assetsnffrgf-a.akamaihd.net/assets/ct/d71826a198/images/syn_placeholder_sqr.png
it p. 669

Pekahia

Pekahia

(Pekahìa) [Nanokatra i Jah].

Mpanjakan’ny Israely tao Samaria. Zanakalahin’i Menahema izy sady mpandimby azy. Nanjaka ny fanompoan-tsampy nandritra ny roa taona monja nitondrany (t. 780-779 T.K.). Mbola notohizany mantsy ny fivavahana tamin’ny zanak’omby izay natombok’i Jeroboama, sady navelan’i Menahema hiroborobo. Nikomy tamin’i Pekahia sy namono azy i Peka manamboninahitra lefiny. Lasan’i Peka àry ny fitondrana.​—2Mp 15:22-26.