Fandalinana ny Soratra Masina

Mpanoratra ny Raharaham-panjakana

Malagasy
Mpanoratra ny Raharaham-panjakana
/assets/ct/2fee4a8a5e/images/syn_placeholder_sqr.png
it p. 491

Mpanoratra ny Raharaham-panjakana

Mpanoratra ny Raharaham-panjakana

Tompon’andraikitra ambony tao an-dapan’i Israely. Endriny hafa amin’ny hoe zakar (mahatsiaro) ary midika ara-bakiteny hoe “mpampahatsiaro” ny teny hebreo nandikana an’io anaram-boninahitra io. (2Sa 8:16) Tsy resahin’ny Baiboly ny tsipirian’ny andraikiny, fa toa nampahafantatra ny fizotran’ny raharaham-pirenena tamin’ny mpanjaka koa izy, nampahatsiahy azy an’izay raharaha lehibe tokony hodinihiny, ary nanoro hevitra azy.

Nisolo tena ny mpanjaka izy tamin’ny raharaham-pirenena sasany. Anisan’ireo olona ambony nirahin’i Hezekia Mpanjaka hiresaka tamin’ilay Rabsake Asyrianina nandrahona an’i Jerosalema, ohatra, i Joa zanak’i Asafa. (2Mp 18:18, 37) Mpanoratra ny raharaham-panjakana koa i Joa zanak’i Joahaza, izay nirahina hanamboatra ny tempoly. (2Ta 34:8) Nisy mpanoratra ny raharaham-panjakana koa tao an-dapan’i Davida sy Solomona.​—2Sa 8:16; 20:24; 1Mp 4:3.