Fandalinana ny Soratra Masina

Mpanao Tranolay

Malagasy
Mpanao Tranolay
/assets/ct/e5be1b2cc6/images/syn_placeholder_sqr.png
it p. 463-464

Mpanao Tranolay

Mpanao Tranolay

Mpanamboatra tranolay vaovao na efa simba. Skenôpôiôs no teny grika ilazana ny asan’i Paoly sy Akoila ary Prisila. (As 18:3) Misy milaza hoe mpanao tranolay no dikan’io teny io, fa misy kosa milaza hoe mpanenona ary ny hafa indray hoe mpanao tady. Manam-pahaizana maro anefa no milaza fa “tokony ho ‘mpanao tranolay’ ihany no andikana azy io.”​—Ny Fanazavana ny Testamenta Grika, nataon’i W. Nicoll, 1967, Boky II, p. 385.

Nipetraka tao amin-dry Akoila sy Prisila i Paoly tamin’izy nitsidika voalohany an’i Korinto, “satria niray asa taminy.” (As 18:1-3) I Paoly mantsy avy any Tarsosy any Kilikia, izay nalaza noho ireo lamba volon’osy nantsoina hoe cilicium fanaovana tranolay. (As 21:39) Zava-dehibe tamin’ny Jiosy tamin’ny taonjato voalohany ny nampianatra asa ny ankizilahy, na dia hanao fianarana ambony aza izy. Mety ho nampianarina hanao tranolay àry i Paoly, tamin’izy mbola tanora. Mpanao tranolay koa angamba izy tany Tesalonika (1Te 2:9; 2Te 3:8) sy tany an-toeran-kafa. (As 20:34, 35; 1Ko 4:11, 12) Tsy mora ilay asa satria henjana sy marokoroko, hono, ny cilicium ka sarotra notapahina sy nozairina.