Fandalinana ny Soratra Masina

Moadia

Malagasy
Moadia
/assets/ct/e5be1b2cc6/images/syn_placeholder_sqr.png
it p. 427

Moadia

Moadia

(Moadìa) [mety hidika hoe Fotoana Voatondron’i Jah (Fetin’i Jah; Fivorian’i Jah)].

Iray tamin’ireo fianakaviamben’ny mpisorona. I Piltahy no lohan’io fianakaviambe io tamin’ny andron’i Joiakima. (Ne 12:12, 17) Misy milaza fa anarana iray ihany ny hoe “Moadia” sy “Madia”, saingy misy tsy fitoviana kely fotsiny. Olona iray ihany àry, hono, i Moadia sy ilay Madia mpisorona niaraka tamin’i Zerobabela nankany Jerosalema taorian’ny sesitany tany Babylona.​—Ne 12:1, 5.