Fandalinana ny Soratra Masina

Mahola

Malagasy
Mahola
/assets/ct/579af9cf16/images/syn_placeholder_sqr.png
it p. 308

Mahola

Mahola

(Mahòla) [avy amin’ny fototeny midika hoe “mandihy; mihodinkodina”; na mety ho avy amin’ny fototeny midika hoe “mitsoka sodina”].

Nanana zanakalahy tena hendry i Mahola, nefa tsy hoe hendry noho i Solomona Mpanjaka izy ireo, na izany aza. (1Mp 4:31) Misy mihevitra fa antokona mpitendry zavamaneno na antokona mpandihy ilay hoe “zanak’i Mahola.”​—Ampitahao amin’ny Sl 150:4, izay ahitana an’ilay teny hebreo nadika hoe “mahola”, saingy nadika hoe “dihy faribolana.”