Fandalinana ny Soratra Masina

Koa

Malagasy
Koa
/assets/ct/e5be1b2cc6/images/syn_placeholder_sqr.png
it p. 177

Koa

Koa

(Kò).

Firenena na faritra miara-voatonona amin’i Pekoda sy Soa ao amin’ny Ezekiela 23:23. Nambaran’i Jehovah fa ho anisan’ireo hanafika an’i Jerosalema sy Joda nivadika ny miaramilan’i Koa. Mety ho tany atsinanan’i Babylonia i Koa. Matetika no heverina hoe nipetraka tany ny Koto, izay firenena nonina tany atsinanan’i Tigra, teny amin’ny lemaka midadasika eo anelanelan’ireo reniranon’i ʽAdaima sy Diyala any avaratra. Matetika no miara-voatonona amin’ny Soto (angamba ilay Soa resahin’ny Ezk 23:23) ny Koto, ao amin’ny soratra asyrianina. Voalaza ao fa niara-niady tamin’i Asyria izy ireo.