Fandalinana ny Soratra Masina

Jotbata

Malagasy
Jotbata
https://assetsnffrgf-a.akamaihd.net/assets/ct/d71826a198/images/syn_placeholder_sqr.png
it p. 114

Jotbata

Jotbata

(Jôtbàta) [avy amin’ny fototeny midika hoe “mahita soa; mahafa-po; manao soa”].

Toerana iray azon-drano tsara nitobian’ny Israelita tany an-tany efitra. (No 33:33, 34; De 10:7) Tsy fantatra hoe taiza no nisy azy io. Misy anefa mihevitra fa mety ho i ʽAin Tabah (ʽEn Yotvata), any amin’ny deboka misy heniheny any amin’ny 40 km eo ho eo any avaratr’i Eziona-gebera, i Jotbata.