Fandalinana ny Soratra Masina

Jatera

Malagasy
Jatera
/assets/ct/a5f5be13b3/images/syn_placeholder_sqr.png
it p. 1242

Jatera

Jatera

(Jatèra) [avy amin’ny fototeny midika hoe “manana amby ampy; mihoatra”].

1. Anarana ilazan’ny soratra nataon’ny Masoreta an’i Jetro rafozandahin’i Mosesy, ao amin’ny Eksodosy 4:18.​—Jereo JETRO.

2. Taranak’i Joda avy tamin’i Pereza. Maty tsy niteraka izy.​—1Ta 2:4, 5, 25, 26, 28, 32.

3. Zanakalahin’i Ezra ary ny anarany no voatonona voalohany. Taranak’i Joda izy.​—1Ta 4:17.

4. Taranak’i Asera. (1Ta 7:30, 38) Azo inoana fa izy ihany ilay Jitrana resahin’ny andininy faha-37, satria mitovitovy ireo anarana ireo amin’ny teny hebreo.

5. Lahimatoan’i Gideona. Toa niaraka tamin-drainy nanenjika an’i Zebaha sy Zalmona, mpanjaka midianita, izy. Tsy sahy nanatsoaka ny sabany anefa izy, rehefa nodidian’i Gideona hamono an’ireo. (Mpts 8:20) Novonoin’i Abimeleka rahalahiny hafa reny izy, rehefa maty ny rainy.​—Mpts 9:5, 18.

6. Rain’i Amasa, izay efa avy lehiben’ny tafik’i Davida. (1Mp 2:5, 32) I Jitra Israelita no iantsoan’ny 2 Samoela 17:25 azy, ao amin’ny soratra nataon’ny Masoreta. Ny 1 Tantara 2:17 kosa milaza fa Ismaelita izy, angamba satria niara-niaina elaela tamin’ny Ismaelita.