Fandalinana ny Soratra Masina

Jasobeama

Malagasy
Jasobeama
/assets/ct/2fee4a8a5e/images/syn_placeholder_sqr.png
it p. 1241

Jasobeama

Jasobeama

(Jasòbeàma) [mety hidika hoe Niverina ny Vahoaka].

1. Korahita anisan’ny miaramila mpiady izay niandany tamin’ny tafik’i Davida tany Ziklaga. (1Ta 12:1, 6) Toa izy ihany ilay No. 2.

2. Lehiben’ireo telo lahy mahery indrindra tao amin’ny tafik’i Davida. Nampiasa ny sabany izy, indray mandeha, ka nandripaka fahavalo an-jatony maro. Anisan’ireo telo lahy niditra an-keriny tao an-tobin’ny Filistinina koa izy mba haka rano ho an’i Davida, tao amin’ny lavaka fanangonan-dranon’i Betlehema. (1Ta 11:11, 15-19) Tatỳ aoriana izy dia voatendry hifehy ny antoko-miaramila nisy 24 000 lahy izay nanompo tamin’ny volana voalohany. (1Ta 27:1, 2) Zanak’i Zabdiela izy, ary taranak’i Hakmony. Nosoratana hoe Joseba-basebeta ny anarany ao amin’ny 2 Samoela 23:8.​—Jereo JOSEBA-BASEBETA.