Fandalinana ny Soratra Masina

Ilay Mafana Fo

Malagasy
Ilay Mafana Fo
https://assetsnffrgf-a.akamaihd.net/assets/ct/d71826a198/images/syn_placeholder_sqr.png
it p. 1177

Ilay Mafana Fo

Ilay Mafana Fo

Teny nampiasaina mba hanavahana ny apostoly Simona tamin’ny apostoly Simona Petera, ary azo inoana fa mitovy ny dikan’izy io sy ilay teny hoe “Kananeanina” nampiasain’i Matio sy Marka. (Mt 10:4; Mr 3:18; Lk 6:15; As 1:13) Nahoana izy no nantsoina hoe “ilay mafana fo”? Satria ve anisan’ilay antoko politikan’ireo Jiosy nahery fihetsika izy taloha? Tsy voatery ho izany no izy. Mety ho ny toetrany fotsiny no tena antony niantsoana azy toy izany.