Fandalinana ny Soratra Masina

Hezira

Malagasy
Hezira
/assets/ct/7e6416ec85/images/syn_placeholder_sqr.png
it p. 1152

Hezira

Hezira

(Hezìra) [Kisoa; Lambo].

1. Mpisorona. Ny fianakaviambe avy amin’ny rainy no voafidy tamin’ny antsapaka ho fizarana faha-17 tamin’ireo antoko-mpisorona 24 nalamina tany amin’ny faramparan’ny fotoana nanjakan’i Davida.​—1Ta 24:1, 3, 5-7, 15.

2. Anisan’ny “lohandohany teo amin’ny vahoaka.” Nandany an’ilay fanapahan-kevitra ny tsy hivadika amin’i Jehovah, tamin’ny andron’i Nehemia, ny taranany na izy mihitsy.​—Ne 9:38; 10:1, 14, 20.