Fandalinana ny Soratra Masina

Hazara-soala

Malagasy
Hazara-soala
/assets/ct/7e6416ec85/images/syn_placeholder_sqr.png
it p. 1093

Hazara-soala

Hazara-soala

(Hazàra-soàla) [Tokotanin’ny (Tanàna Kelin’ny) Amboadia].

Tanànan’ny fokon’i Simeona tafiditra tao amin’ny faritanin’i Joda tany amin’ny faritra atsimo. (Js 15:21, 28; 19:1-3; 1Ta 4:28) Nonenana indray izy io taorian’ny sesitany tany Babylona. (Ne 11:25-27) Tsy fantatra ny tena toerana nisy azy io. Misy manam-pahaizana mihevitra azy io ho i Kirbet el-Vatan, tokotokony ho 3 km any atsinanana atsimoatsinanan’i Beri-sheba.