Fandalinana ny Soratra Masina

Harmona

Malagasy
Harmona
https://assetsnffrgf-a.akamaihd.net/assets/ct/d71826a198/images/syn_placeholder_sqr.png
it p. 1080

Harmona

Harmona

(Harmôna).

Tsy tena fantatra hoe manondro inona ny teny hebreo niavian’ny hoe “Harmona”, satria tsy ny hevitry ny teny no nadika fa ireo litera hebreo fotsiny. (Am 4:3, Prot., TV). Misy mpandika teny mandika ny heviny hoe “antontam-pako” (AT) sy hoe “lapa” (Syn). “Ny tendrombohitra Remana” kosa no ao amin’ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo. Raha io no akaiky kokoa an’ilay teny hebreo tany am-boalohany, dia mety ho ny “harambaton’i Rimona” no tiana holazaina amin’ny hoe “Harmona.”​—Mpts 20:45, 47.