Fandalinana ny Soratra Masina

Hafraima

Malagasy
Hafraima
/assets/ct/7e6416ec85/images/syn_placeholder_sqr.png
it p. 1059

Hafraima

Hafraima

(Hafràima) [Toerana Be Lavaka].

Toerana teo amin’ny sisin-tanin’ny fokon’i Isakara. (Js 19:17-19) Tsy fantatra ny tena toerana nisy azy io. Manam-pahaizana maro anefa no milaza azy io ho tao et-Taiyiba, tokotokony ho 12 km any avaratrandrefan’i Beti-sana. Ahitana an’i Hafraima ao amin’ny lisitr’ireo tanàna palestinianina azon’i Sisaka mpanjakan’i Ejipta.