Fandalinana ny Soratra Masina

Etibala

Malagasy
Etibala
/assets/ct/e5be1b2cc6/images/syn_placeholder_sqr.png
it p. 477

Etibala

Etibala

(Etibàla) [Miaraka Amin’ny Bala].

Mpanjakan’ny Sidonianina sady rain’i Jezebela vadin’i Ahaba Mpanjaka. (1Mp 16:31) Nanao fifanarahana ara-politika tamin’i Ahaba i Etibala, tamin’izy nanome ny zanany vavy ho vadiny. Azo inoana fa i Etibala ilay Itobala mpisoron’i Astarta andriamanibavy noresahin’i Ménandre mpahay tantara, hoy i Josèphe. Lasa mpanjaka, hono, io mpisorona io rehefa avy namono an’i Felesy, taranak’i Hirama mpanjakan’i Tyro (ilay nanampy an’i Solomona tamin’ny fanorenana ny tempoly). Velona 48 taona, hono, i Etibala, ary nanjaka 32 taona. (Diso Hevitra i Apion, I, 123 [18]) Niroborobo be ny varotra tamin’ny andron’i Etibala, matoa nilaza i Ménandre fa nanorina an’i Auza tany Libya i Etibala. Nilaza koa izy fa nisy hain-tany naharitra herintaona tamin’ny andron’io mpanjaka io.​—Rakitry ny Ela Jiosy, VIII, 324 (xiii, 2).