Fandalinana ny Soratra Masina

Elola

Malagasy
Elola
/assets/ct/2fee4a8a5e/images/syn_placeholder_sqr.png
it p. 453

Elola

Elola

(Elòla).

Volana jiosy faha-6 tamin’ny kalandrie ara-pivavahana, taorian’ny sesitany, fa faha-12 kosa tamin’ny kalandrie tsy ara-pivavahana, ary mifanitsy amin’ny faramparan’ny Aogositra sy voalohandohan’ny Septambra. Tsy fantatra ny tena dikan’ny hoe Elola.

Masaka ny antrendry sy ny aviavy vokatra farany tamin’io volana namarana ny vanin-taona mafana io. Efa nioty voaloboka koa ny olona, ary nanomboka nikoriana ny divay vaovao rehefa hifarana ilay volana.​—Le 26:5; No 13:23; Je 8:13.

Tamin’ny volana Elola no voaorina indray ny mandan’i Jerosalema, izay vitan’i Nehemia tao anatin’ny 52 andro. (Ne 6:15) Volana fahenina fotsiny no iantsoana azy io any amin’ny andininy hafa.​—1Ta 27:9; Ezk 8:1; Hg 1:1, 15.

Nataon’ny Babylonianina volana fanampiny tsindraindray ny Elola sy Adara, araka ny tabilao nataon’i Parker sy Dubberstein ao amin’ny Fanisan-taona Babylonianina, 626 T.K.75 A.K. (1971, p. 27-47).