Fandalinana ny Soratra Masina

Elizafana

Malagasy
Elizafana
/assets/ct/2fee4a8a5e/images/syn_placeholder_sqr.png
it p. 452

Elizafana

Elizafana

(Elizafàna) [Andriamanitra (Andriamanitro) no Nanafina (Nitahiry)].

1. Zanakalahin’i Oziela dadatoan’i Arona. I Elizafana sy Misaela rahalahiny no nasain’i Mosesy nanala ny fatin’i Nadaba sy Abiho ho any ivelan’ny toby. (Ek 6:22; Le 10:4; No 3:30) I Elizafana dia lohan’ny fianakaviambe levita iray, izay nanompo tamin’ny andro nanjakan’i Davida sy Hezekia.​—1Ta 15:8; 2Ta 29:13.

2. Zanakalahin’i Parnaka sady mpiadidy teo amin’ny taranak’i Zebolona. Anisan’ireo voatendrin’i Jehovah izy mba hizara ny Tany Nampanantenaina ho lovan’ny Israely.​—No 34:25.