Fandalinana ny Soratra Masina

Elizabeta

Malagasy
Elizabeta
https://assetsnffrgf-a.akamaihd.net/assets/ct/d71826a198/images/syn_placeholder_sqr.png
it p. 451-452

Elizabeta

Elizabeta

(Elìzabèta) [gr.: Eleisabet avy amin’ny heb.: ʼElishevaʽ, izay midika hoe “Ny Andriamanitro dia Mahavokatra Be; Andriamanitry ny Fahavokarana Be”].

Vehivavy natahotra an’Andriamanitra, ary vadin’i Zakaria mpisorona sady renin’i Jaona Mpanao Batisa. Taranak’i Arona, izay mpisorona sady Levita, i Elizabeta. Samy efa zokiolona izy mivady rehefa niseho tamin’i Zakaria, tao amin’ny Masina, tao amin’ny tempoly ny anjely Gabriela. Nilaza io anjely io fa hiteraka zazalahy i Elizabeta ary hatao hoe Jaona ny anarany. Bevohoka tokoa i Elizabeta taorian’izay, ka tsy nivoaka ny trano nandritra ny dimy volana. Tamin’izy bevohoka enim-bolana, dia nitsidika azy i Maria havany. Nibitaka tao an-kibon’i Elizabeta i Jaona tamin’izay, ary feno fanahy masina i Elizabeta ka nilaza fa hotahina i Maria sy ilay hateraky ny kibony. Nantsoiny hoe “renin’ny Tompoko” i Maria.​—Lk 1:5-7, 11-13, 24, 39-43.