Fandalinana ny Soratra Masina

Elioenay

Malagasy
Elioenay
/assets/ct/e5be1b2cc6/images/syn_placeholder_sqr.png
it p. 446-447

Elioenay

Elioenay

(Elioenày) [fanafohezana ny hoe Eliho-enay].

1. Zanakalahin’i Nearia ary taranak’i Solomona Mpanjaka. Elioenay no rain’i Hodavia, Eliasiba, Pelaia, Akoba, Johanana, Delaia, ary Anany.​—1Ta 3:10, 23, 24.

2. Mpiadidy iray tao amin’ny fokon’i Simeona.​—1Ta 4:24, 36-38.

3. Zanakalahin’i Bekera ary taranak’i Benjamina.​—1Ta 7:6, 8.

4. Mpisorona iray “taranak’i Pasora”, ary anisan’ireo nankatò an’i Ezra ka nandroaka ny vadiny hafa firenena.​—Ezr 2:36, 38; 10:18, 19, 22.

5. Taranak’i Zato, ary anisan’ireo nandroaka ny vadiny hafa firenena, tamin’ny andron’i Ezra.​—Ezr 10:27, 44.

6. Anisan’ireo mpisorona mpitsoka trompetra ary nandray anjara tamin’ilay filaharam-be nalamin’i Nehemia, rehefa notokanana ny mandan’i Jerosalema.​—Ne 12:27, 31, 40, 41.