Fandalinana ny Soratra Masina

Eliakima

Malagasy
Eliakima
/assets/ct/b025754cdb/images/syn_placeholder_sqr.png
it p. 443

Eliakima

Eliakima

(Eliakìma) [Ny Andriamanitro dia Nanangana].

1. Zanakalahin’i Hilkia. Izy no lehiben’ny mpiandraikitra ny tranon’i Hezekia mpanjakan’ny Joda, tamin’ny andro nanafihan’i Sankeriba mpanjaka asyrianina ny tanin’i Joda tamin’ny 732 T.K.

I Sebna no “mpiandraikitra ny trano”, rehefa nilaza i Isaia mpaminany fa hesorina amin’ny toerany izy ka hosoloana an’i Eliakima, izay nantsoin’i Jehovah hoe “mpanompoko.” Hatao io famindram-pahefana io, ka hampanaovina an’i Eliakima ny akanjom-boninahitr’i Sebna sy ny fehikibo lamba nanaovany. Hatao eo an-tsorok’i Eliakima koa “ny lakilen’ny ankohonan’i Davida”, izany hoe izy no hiandraikitra ny tranon’ny mpanjaka, ary izy no manana fahefana hamela ny olona iray ho lasa mpanompon’ny mpanjaka na tsia.​—Is 22:15-24.

Efa nitana an’io andraikitra io i Eliakima tamin’izy niaraka tamin’i Sebna mpitan-tsoratra, sy Joa, izay toa mpanoratra ny raharaham-panjakana. Tamin’izay izy ireo no niresaka tamin’i Rabsake, izay tonga tao Jerosalema niaraka tamin’ny miaramila maro be mba hanery an’ilay tanàna hitolo-batana. Niverina tany amin’i Hezekia Mpanjaka izy telo mirahalahy, sady rovitra ny akanjony, ary nitatitra ny tenin’ilay mpitondra tenin’i Sankeriba. Nirahin’i Hezekia ho any amin’i Isaia mpaminany mba hanontany an’i Jehovah àry, i Eliakima sy Sebna ary ny anti-panahy mpisorona.​—Is 36:11, 22; 37:1, 2; 2Mp 18:17, 18, 26, 36, 37; 19:1, 2.

2. Mpanjakan’ny Joda (628-618 T.K.). I Farao Neko no nametraka azy teo amin’ny seza fiandrianana, ary nanova ny anarany ho Joiakima. Zanak’i Josia Mpanjaka i Eliakima.​—2Mp 23:34; jereo JOIAKIMA.

3. Levita mpisorona nitondra trompetra nandritra ny filaharam-be nalamin’i Nehemia, tamin’ny fitokanana ny mandan’i Jerosalema, izay voaorina indray.​—Ne 12:31, 41.

4. Razamben’i Josefa ray nitaiza an’i Jesosy.​—Mt 1:13.

5. Razamben’i Maria reny niteraka an’i Jesosy.​—Lk 3:30.