Fandalinana ny Soratra Masina

Elanana

Malagasy
Elanana
https://assetsnffrgf-a.akamaihd.net/assets/ct/d71826a198/images/syn_placeholder_sqr.png
it p. 437

Elanana

Elanana

(Elanàna) [Andriamanitra dia Niantra; Andriamanitra dia Tsara Fanahy].

1. Zanakalahin’i Jaira. I Elanana no namono an’i Lamy rahalahin’i Goliata Gatita, nandritra ny ady natao tamin’ny Filistinina. (1Ta 20:5) Lazain’ny 2 Samoela 21:19 hoe “zanak’i Jare-oregima Betlehemita” i Elanana, ary namono an’i Goliata. Maro anefa ny manam-pahaizana milaza fa nitovy ihany tany am-boalohany izay nolazain’ny 1 Tantara 20:5 sy ny 2 Samoela 21:19, fa fahadisoan’ny mpanao dika soratra fotsiny no nampisy an’ilay tsy fitoviana.​—Jereo JARE-OREGIMA; LAMY.

2. Zanakalahin’i Dodo avy any Betlehema, ary anisan’ny lehilahy maherin’i Davida.​—2Sa 23:24; 1Ta 11:26.